Kabarin’ny Filoham-pirenena, Lapan’Iavoloha 05 Janoary 2018


Télécharger le discours (PDF)

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Amin’ ny fo feno hafaliana no andraisanay mivady anareo rehetra tonga eto amin’ity Lapam-panjakana ity amin’izao asaramanitra izao.

Ny hazo mahitsy, hono, mora arafitra, ny lamba madio magneva tinafy, ny tsara volo endrehin-drandrana, fa ny tsara mihaona sahala amintsika izao kosa, endrehin-kaja, endrehim-boninahitra.

Koa miarahaba ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka, na ny isam-batan’olona, na ny isan-tokantrano, na ireo monina any dilam-bato sy ianareo manatrika izao lanonana izao, miarahaba anareo nahatratra ny taona vaovao itohizan’ny Fisandratana. Koa arahabaina notahin’Andriamanitra isika fa nahatafita iny taona 2017 iny.

Enga anie ity ny taona 2018 ity, ho androm-pamoazana, ho volam-pitsiriana, ho taom-pisandratana ho antsika vahoaka malagasy. Ka ny isam-batan’olona hisikim-pahendrena, ny isan-tokantrano hisampim-pahasoavana ary ny Malagasy tsy vaky volo manerana ny Nosy, eny fa hatrany ampitan-dranomasina aza, hitafy fahombiazana lavitry ny rofy. Ka hitady hahita, ny hita hanambina, ny fanambinana azo, tsy hanadinoana ny mpiray tanindrazana izany rehetra izany.

Mitodika manokana any amin’ny Faritra Atsinanana isika amin’izao andro anio izao. Tsy takona -afenina ny fisian’ny rivodoza Ava, nisy sahady ny faritra na toerana efa sahirana sy mitoka-monina Toamasina any,… ny tenabenay no aty, fa ny fo amam-panahinay kosa, any aminareo mandrakariva.

Vonona ny fitondram-panjakana, hanao zavozavo sy erika aminareo, soa miara-mandina ary ratsy miara-basoka. Ekena fa mahery ny rivodoza, tsy hay tohaina ny tafiodrivotra, mivatravatra ny ranon’orana, saingy tsy hanao anareo ho hazo tokana ankadilalana izahay ka ho tenain-drivotra irery, fa vonona hifanolo-tanana ka hanao tanan-kavia sy havanana isika, izay didia-maharary, amin’izao fiatrehana ny loza voajanahary izao.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Nampahatsiahivin’Atoa Praiminisitra teo ny vita sy izay fihatsaram-piainana nentiny ho an’ny mpiray Tanindrazana sy ny fanamby mbola hotanterahina. Tafiditra anatin’izany, araka izay voalazany teo, ny ady amin’ny fisondrotry ny vidim-bary, ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly. Mbola hiverenako ihany izany ao aoriana kely ao, fa ny tiako isarihana ny saintsika eto am-piandohan’ity taona 2018 ity dia ny antsoiko hoe « izay maha izy antsika Malagasy » , io moa ilay tenin’ny frantsay hoe “personnalité”, ilay “identité”, ny teny malagasy ampiasain’ny manam-pahaizana moa dia ny hoe “ny fisia-maha-izy”, manoloana ny Tantara niaraha-namakivaky sy izay mbola hosoratantsika miaraka.

Na tiana na tsy tiana mantsy, ny dindon’ny lasa no mivimbina ny anio ary taratry ny hoavy.

Voalohany, mila ataontsika an-tsaina tsara fa ny rafitra fanjanahana , izay niainantsika nandritra ny 64 taona dia rantsa-mangaikan’ny endriky ny fanatontoloana tamin’ny taonjato faha-19,

Niteraka rafitra famoretana

Niteraka fitsihifana ny haren’ny tany voazanaka izany

Ary niteraka kolontsaina sy fanabeazana mampiorim-paka tamin’ny fanjanahan-tsaina…

Mampametraka fanontaniana ankehitriny hoe “aiza ary amin’izao fotoana izao ny « maha izy antsika malagasy » rehefa nandavo izany tantara izany.

Inona avy tamin’izany no vitantsika ny nanova azy, rehefa nahaleo tena isika ? ka hampiova, ampivoatra ny « maha izy antsika malagasy » rehefa nahaleotena ?

Mbola misy taratry izany fanjanahan-tsaina ve ny fisainantsika ankehitriny sa tsia ?

Ny tanintsika no Nosy fa ny fisainantsika dia tokony hanenika izao tontolo izao isa-minitra, isan’andro.

Toa inona indray ary izay « maha izy antsika Malagasy » izay teo amin’ny lafiny politika sy fifampitondrana nandritra izay 57 taona taorian’ny fahaleovantena izay ? Efa nambarako teto izy ity nefa dia hamoahazako ny tsiahy ao aminao, satria Fitondrana 13 nifandimby ka ny 6 ihany no avy tamina fifidianana. Ary raha kajiana tsotra ny salam-paharetan’ny fitondrana dia 4.3 taona, latsaka noho ny 5 taona voasoratra amin’ny Lalàmpanorenana, taloha aza moa dia 7 taona izany.

Dia ho gaga ve isika androany raha tsy tafainga mihitsy ilay Firenena, isak’izay miarin-doha kely dia midoboka na adoboka indray ? Raha ny niafarany tamin’ny krizy farany teo ohatra, tamin’ny nandraisako ny fitondram-panjakana, dia 92%-n’ny Malagasy no nihitsoka tanaty fahantrana tanteraka ? Iza no tompon’andraikitra tamin’izany ? Iza no sahy hijoro amin’izany ? Tsy fahampiam-pahamatorana teo amin’ny fiainana politika ve no anton’izany, tsy fametrahana ny tombontsoan’ny Firenena ho eo ambonin’ny hetahetam-pahefana izay mihoapampana, sa mbola fanararaotana izay miseho amin’ny endriny samihafa ? Fanontaniana izay tsy maintsy apetraka aminao sy amintsika androany izany

Ny dikany dia izao : rehefa miteny hoe ilaina « ny fahamarinan-toerana eo amin’ny sehatra politika »…dia ny fanatsarana « izay maha izy anao Malagasy » no tanjona, mba hahazoantsika misaina sy miaina vanim-potoana lava mba hisandratan’ny firenena, fa tsy Tantaran’ny Fienena atao teti-pohy toa ny mangahazo. Ka na dia ny fiharian-karena koa aza dia lasa teti-pohy tahaka izany…

Ny fahafahantsika mijery lavitra , no ahazoantsika maminavina ny toerana mampety indrindra antsika anatin’ny fivoaran’ny fanatontoloana. Raha tsy izany dia ny fanatontoloana no hilalao antsika.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Izany no Tantaran’ny 50 taona mahery lasa izay nanefy ny maha izy antsika, ary mbola mitarazo mandrak’ankehitriny.

Ka raha migadona ny tonon-taona tahaka izao, manitsaka ny faha-4 taona amin’ny 5 taona nitondrana ny firenena isika dia tsy maintsy mitodika amin’ny lasa isika, nanao ahoana izay 4 taona izay, manoloana ireo 30, 40, 50 na mihoatra an’izany teo aloha. Tsy ilaina averimberina amintsika akory ny hoe : taiza isika no niainga, inona avy ireo olana maro samihafa, na avy eto an-toerana sy avy any ivelany izay tsy maintsy natrehana, sy nosedraina tao anatin’izay fotoana izay. Fa izao, aiza ho aiza isika amin’izao fotoana izao, ary hizotra mankaiza isika ?

Tsy ampihambahambana no ilazako fa ivon’ny fahombiazana teo amin’ny ezaka izay natombotsika tao anatin’ny 4 taona iny taona 2017 izay nivalona iny.

Raha ny taona 2014 mantsy no jerena, dia avy any anaty hantsana isika no niezaka hiarin-doha, ka raha efa taona mahery kely aty aorina no hoe : tsy mbola mahakasika ny Malagasy rehetra ny vokatra dia aleo tsorina fa marina izany, lojika izany. Tsy misy afaka mampanantena fahagagana fa izahay kosa dia mianiana fa hanao izay faran’ny herinay rehetra hanarina sy hampisandratra ny Firenena, ary efa nataonay izany, mbola ho tohizana izany. Izay vita dia nahitam-bokatra sy fihatsaram-piainana ho an’ny mpiray tanindrazana, na dia marina aza fa mbola tsy tafapaka eo amin’ny isam-bilia, isan-tokatrano aza izany, aoka hiara-manaiky izany isika rehetra. Sahinay kosa anefa ny milaza fa :

Nihena ny tahan’ny Malagasy miaina anaty fahantrana lalina : 92% no niainganay efa any amin’ny 70% izy amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy araka ny voalaza teo aloha teo ny taham-piakaran’ny harin-karena, niainga avy lavitra isika. Tamin’ity taona ity 4,1 % ary amin’ity taona ity dia 5,1%, ary mbola hihoatra noho izany ny amin’ny taona manaraka rehetra.

Mpampianatra maro no nomentsika izay anjara-toerany, nampidirina fonksionera miisa 40 000. Ny fitondram-panjakana no tena niteraka asa, fa tsy ny Fitondram-panjakana irery ihany fa ny sehatra tsy miankina, aman’aliny ny asa teraka teto an-drenivohitra, anisan’izay nahazo tombontsoa amin’izany ny tanora eo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovao. Tokony ho hitantsika, tokony ho fantatsika izany.

Fotodrafitrasa avy dia niantraika amin’ny fihatsaram-piainana no nataontsika: eo amin’ny fahasalamana, eo amin’ny fanabeazana, eo amin’ny famokarana fihariankarena, eo amin’ny fisitrahana angovo sy rano madio. Orinasa an’arivony miforona manerana ny Nosy

Ary fihatsaran’ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana na « Doing Business » no aontsika tenenina.

Maro ireo faritra izay adino hatrany tamin’ny fampandrosoana nandritra ny ampolo taonany maro nefa natontsika laharam-pahamehana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny any Atsimo Andrefana isika : nanamboatra ny lakan-drano, ny tetezana, ny làlana an-jatony kilometatra izay efa vitantsika, ny toho-drano, sy ny maro hafa. Tsy ambakan’ireo ny any avaratry ny Nosy, ny any andrefana, ny any antsinanana. Efa natomboka ary ho amafisina ireo fotodrafitrasa samihafa. Ny làlana izay efa nandrasanareo marobe : ny RN 9 any Toliary efa vita, handeha ny fanamboarana ny RN 6 Ambanja-Diégo, ny RN 13 avy any Taolagnaro mankany Ambovombe, ny avy any Vangaindrano mankany Taolagnaro, ny làlam-pirenena faha-5 Ambilobe-Vohémar, ny faha-5 any Atsinanana, ny faha-43 Faratsiho-Sambaina, Aza adino ny làlana eto an-drenivohitra mankeny Ivato, ho vita tsy ho ela ireo, ary mbola hiampy ny làlana vaovao Rocade Est mankany amin’ny By-pass izay hanomboka amin’ity taona ity.

Voalazan’Atoa Praiministra teo fa efa manao seranam-piaramanidina isika, Manao seranan-tsambo isika, hanitatra manomboka volana vitsivitsy ho avy izao ny ao Toamasina isika, ny any Toliara koa dia tahaka izany,

Manao famatsiana angovo, indrindra ny azo havaozina, manerana ny Firenena isika

Eo amin’ny lafiny fambolena dia be dia be ireo tohadrano izay natao, Eo amin’ny lafiny famatsian-drano lehibe dia vatsiana rano ampy ny any amin’ny renivohitry i Toliary, ny any Diégo, efa natombotsika ny any Mandritsara, Ambilobe, Ambanja. Ho atao ny fitarihin-drano any Atsimo satria any no tena misy izany fijaliana amin’ny rano izany.

Hitondrana teknolojia vaovao, ary vao farany teo niaraka tamin’ny firenena sinoa, ny tanana 500

Hanaparitaka koa isika panneaux solaires ho an’ny tokantrano tsirairay any ambanivohitra, ary ho atombontsika tsy ho ela izany.

Eo amin’ny lafiny Sosialy : ao ny fahasalamana, ny fampianarana, ny vatsin’ankohonana

Eo amin’ny lafiny lalàna : ny Zone Economique Spéciale, ny Lalàna momba ny Indostria, ny momba ny Angovo,

Izany rehetra izany dia nataontsika. Nahavita isika. Niasa isika, saingy aleo dia tsorina fa tsy mbola ampy ny vita, araka ny voalaza teo. Mila mitohy ny asa izay enti-manatanteraka ny Fisandratana Mirindra. Fanalahidin’ny fahombiazana ny fikiriziana, ary izay no mahatonga antsika tsy maintsy hitafy fikirizana hatrany satria tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto. Izany dia midika fandrafetana fotodrafitrasa, fanorenana orinasa izay miteraka asa. Ny asa no mitondra ny fahamendrehan’ny olona, sy ny fihatsaram-piainana eo amin’ny ankohonana. Rehefa misandratra ny fiharian-karena dia mitombo koa ny fidiram-bola ho an’ny fitondrana mba hiatrehany bebe kokoa hatrany ny adidiny eo amin’ny lafiny maro samihafa. Koa raha fintinina dia izao : mila manohy isika, sahia manohy, sahia manamafy izay efa natao:

Amin’ny fanafainganana sy ny fanatsaràna ny tontolon’ny fiharian-karena

Amin’ny fanohizana ny fametrahana fotodrafitrasa izay efa natomboka,

Fanohizana ireo tetikasa itsinjovana manokana ireo mpiray tanindrazana faran’izay sahirana, izany no kendrentsika.

Mba hahatontosantsika izany dia tsy maintsy mampatanjaka sy mampiakatra ny hasin’izay antsoiko hoe « maha izy antsika malagasy » isika.

Misy endriny hafa mantsy ny hoe Fisandratana, tsy eo amin’ny lafiny ara-toekarena , fa eo koa ny lafiny ara-kolontsaina. Ilaina ny fiovana, ara-toetsaina, satria ilay lafiny maha-olona manam-panahy, fanahy tsara no kendrentsika, misy ihany koa anefa na fanahy ratsy indrisy…

Taratry ny Fanahy tsy mendrika izay mbola maneho ny maha izy antsika anefa ny fahakingantsika manoso-potaka olona, maneso, manompa, mampiady, mitsikera. Eo amin’ny tambajotra sosialy no ahitana izany : fanosoram-potaka, lainga, eso, fanalam-baraka, sns

Ka mampametraka fanontaniana, ary mametraka izany ny Filohan’ny Repoblika hoe “ Fa nahoana no tsy ho isan’ny maha izy antsika malagasy ny fifanajana, na inona na inona ny tsy fitovian-kevitra ? Tsy handany andro ifandokadoka eto koa anefa isika sanatria. Tiako ihany ny milaza amintsika fa safidy tsy miverin-dalana ny izoran’ny fiainam-pirenena anatin’ny demokrasia. Fahalalahana haneho hevitra no dikan’izany voalohany. Tsy misy olona tokony hatahotra maneho ny heviny. Izay naneho ny heviny ka nigadra tamin’izany aza adino fa i Rajaonarimampianina no namoaka azy tamin’izao fitondrany izao ary tsy misy ny gadra politika, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Tandremo kosa anefa, sao mampifangaro ny fahalalahana sy ny Fanjakan’i Baroa.Tany tan-dalàna i Madagasikara. Arovan’ny lalàna ny zo aman-kasin’ny olompirenena tsirairay avy, ny hasin’ny andrim-panjakana, ny fandriampahaleman’ny fiainam-pirenena manontolo. Tsy misy fahalalahana handika ny lalàna ka aleo arangaranga izany, toy ny basy atifi-kavana.

Voafehin’ny mpitandro filaminana ny teknolojian’ny serasera an’habaka rehetra. Tsy hisy fangalam-piery maharitra ela intsony ny momba an’izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Mila mahafantatra bebe kokoa ny mikasika izany hoe fanarenana Firenena avy anaty ny lalina sy ny hantsana izany isika olom-pirenena. Fa raha izany no mbola tsy haintsika dia hihinana amam-bolony ianareo, ka ho asesiky ireo efa nisafidy ny fanakiviana amin’ny endriny rehetra. Misy andraikitra lehibe ho an’ny mpikirakira vaovao izany ;

Misy andraikitra manokana ho an’ny tanora izay mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fihariana. Izao taon-jato iainantsika izao dia taon-jato mampirimorimo ireo teknolojian’ny serasera. Fitaovana toa ny fitaovana rehetra izy ireny. Azontsika voizina amin’izy ireny ny toe-panahy tsara sy ny fahendrena, ny fitiavana mizara fahalalana fa tsy voatery ho fitaovana fifanakiviana, fifanaratsiana, fifampiandaniana, ary hampisehoana herisetra izy ireny.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Tsy vahoaka voaozona ny Malagasy ! Mety ho vahoaka noviravirain’ny Tantara izy ka tsy tena afaka nijoro amin’izay “maha izy azy” noho ny antony maro samihafa. Noho izany androany aho dia miantso anao tsy hanaiky ny fikasan’ny sasany hamotika sy handrava ary hamerina indray ny firenena any anaty kizo. Efa nanomboka niady isika, efa manomboka mahita ny anjara masoandrony ny firenena malagasy. Araka ny nolazaiko teo, ekena fa mbola misy ny ezaka atao. Fa izao : efa natombotsika izany ry vahoaka malagasy.

Mila arovana ary tohizana ny tolona lehibe izay efa vitantsika malagasy tao antin’izay 4 taona izay. Tsy maintsy tohizana izany ho an’ireo taranaka fara mandimby, mila hialana ny fambotriana sy ny fampahantrana ny vahoaka malagasy. Manarina isika izao, manangana isika izao, mametraka foto-drafitr’asa maharitra isika izao.

Hotohizantsika ny tolona hanovàna ny toe-tsaina izay efa voalazako teo, zava-dehibe izany, ary fandresen–dahatra lalina hanovàna tanteraka koa ny tantaran’ity firenena ity.

Aoka tsy izay naha-izy tamin’ny andro be korontana no mbola ampiasaintsika amin’ny andro andaminana sy isandratrana.

Mila finiavana isika amin’izao fotoana izao, mila fahasahiana miova, ary izany fiovana izany dia tsy maintsy amolahantsika tena, amin’ny fangalantsika ho namana ny Fotoana. Tandremo fa im-betsaka aho no niteny an’izany : ny fotoana no tokony ho namantsika, fa io fotoana io koa dia mety ho fahavalontsika satria maika isika. Matetika lasa fahavalontsika ny fotoana noho ny tsy fahaizantsika maka namana azy : dia eo no teraka ny tefy maika, ny asa zara fa vita; ny fikoropahana, hoy ny fitenenana, mamaky takotra, ary dia miandrandra fahagagana foana… Vina no ho tanterahina, ary raha mahay miasa manatanteraka azy dia namana ny fotoana fa tsy fahavalo.

Te hilaza aminao aho fa eo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny halatra omby dia ho atombontsika amin’ity taona ity ny fampidirana sy fampiasana « ny puce éléctronique » amin’ny omby, iadiana amin’ny halatr’omby sy amin’ny dahalo. Fahasahiana tsy maintsy asehontsika izany.

Tsy avelantsika handova firenena latsaka an-katerana tahaka izay nolovaintsika ny taranaka malagasy.

Isika malgasy ihany anie no tomponandraikitra amin’ny sary izay omentsika ny firenentsika ê : eo imason’ny taranaka, eo imason’izao tontolo izao, isika no tomponandraikitra amin’izany.

Fantatsika tsara fa nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena tamin’iny taona nivalona iny ireo teti-dratsy isan-karazany, nentina nampiraviravy tanana ny malagasy, mba tsy hamokatra araka izay sehatr’asa tandrify azy, naely ny tsaho, ka efa manomana sahady ny vahoaka malagasy fa hisy ny korontana ka tsy maintsy hiraviravy tanana. Antsoina ny malagasy tsy hankatoa sy tsy hanaiky ny lalàna satria mifanohitra amin’ny tombotsoan’ny mpanao politika sasany ny fampiharana ny lalàna : aleo ho lazaintsika eto izany ! Tsy matahotra ny hiteny izany isika, ary tsy matahotra ny hiady amin’izany koa satria izany no nampahantra ny firenentsika.

Anteriko eto, fa ampy izay ny kolo-tsain’ny tsy maty manota, ampy izay ny fialokalofana amin’ny fanaovana politika entina manadio tena, na manao fanaparam-pahefana isan-karazany. Hitantsika tsara fa nitombo sy nihamafy ny fahaleovan-tena sy ny fizakatenan’ireo sampana miady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny fanodikodinana volam-panjakana sy ny maro samihafa, ampiantsika amin’izany izy ireo. .

Tompokolahy sy tompokovavy,

Tiako ny mamerina sy manamafy aminao eto androany fa tsy fananan’ny mpanao politika irery, ary tsy fananan’ny mpanao politika, na iza izy na iza, i Madagasikara ka hoe hanaovany izay tiany atao. Ampy izay ny fiheverana fa ny fanakorontanana ny firenena no vahaolana ho an’ny ho avy politikan’ny sasany. Efa nampidi-kizo ny firenentsika izany ka tsy azo ekena hiverina intsony. Hamboly tetezamita ho an’ny inona indray ê ? Hamorona fifanarahana haninona indray ê ? Fa angaha tsy ny vahoaka no efa nifanaraka tamin’ny mpitondra nofidiany, ka nahazo ny fahefana rehetra hanatanterahana ny asa ?

Tsy maintsy miezaka isika malagasy, mba tsy ho tara intsony, satria efa naman’ny tara isika raha ampitahaina amin’ireo firenen-kafa. Mila mijoro isika. Mitarika ny Filoham-pirenena, ary mitarika ny vahoaka malagasy amin’ny fandresena ny fahantrana. Mila antsika rehetra resy lahatra anefa izany. Tsy vitan’ny kamo izany, tsy vitan’ny mpanome tsiny izany, tsy vitan’ny mpitady tombotsoa manokana izany, tsy vitan’ny mpitazana fotsiny izany.

Hamafisako indray ny antso ho an’ireo malagasy manampahaizana, tia tanindrazana, tantsaha, mpiompy, mpianatra, sy ireo amin’ny sehatra maro samihafa : Mitsangàna mandray andraikitra, ary omeo ny herinao ho an’ny firenenao, Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tsy takona afenina toa diavolam-penomanana ny figadonan’ity taona 2018 ity. Ho taona izay hisian’ny safidy lehibe eo amin’ny Tantarantsika. Amafisiko eto fa hanao fifidianana Filoham-pirenena isika amin’ity taona ity, ary mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana no hanaovantsika izany. Tsotra ny ahy ny teniko : efa betsaka anie no namaky an’io Lalàm-panorenana io ê ! Efa nisy ihany koa anie ny Lalàm-panorenana tany aloha tany ê ! Fa tsy narahana io Lalàm-panorenana io, ary izany no fototry ny korontana. Tsy misy mahavita irery fa tsy maintsy ao anatin’ny asa mitozo, miha-tsara, miha-faingana no vaha-olana hampandrosoantsika ny firenena. Tsy misy mahavita irery koa fa isika mifanome tànana no antoky ny Fisandratana mirindra izay andrasantsika..

Mbola manantitra ny teny firariantsoa, Tompokolahy sy Tompokovavy, ho antsika izay tonga tonga eto sy ho an’ny vahoaka malagasy ny tenako.

Tsy ho dila ny sambatra sy ny manan-jara anie ny Malagasy mpiray tanindrazana, ka hiondrika ho voky tantely, hitraka ho voky ronono. Tsy ho vaky vovonana fahavaratra ê, tsy ho rovi-damba ririnina ka hirotsaka aminareo ny soa sy ny tsara. Ka ny tongo-mamindra tsy ho solafaka, ny tana-mandray hahefa ny adidy ary ny loha mihevitra hahita ny rariny iadanan’ny isam-baravarana, mandritra ny taona rehetra mifandimby.

Mankasitraka Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy.