FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Distrikan’i Brickaville : ho velomina indray ny orinasa Sirama

 

Mbola tany amin’ny faritra Atsinanana ihany dia tao amin’ny distrikan’i Brickaville ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina ary nijery ifotony ny olana sedrain’ny orinasa Sirama efa an-taonany maro izay. Nipetraka amin’ny maha raiamandreny azy ny filoha Andry Rajoelina ka nihaino ny olana na avy amin’ny andaniny na ny ankilany. Noho izany dia omena hatramin’ny valo volana ny SASM hanodinana ny orinasa sy hamokarana siramamy ary atao ihany koa ny audit mikasika ny fananana sy ny fitantanana. Hamelona indray ity orinasa malagasy ity ny tanjona hoy ny Filoham-pirenena  ka tsy tombontsoan’olon-tokana no ho jerena fa ny tombontsoa iombonana. Tsy maintsy jerena ny marimaritra iraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa hoy ihany ny filoha Andry Rajoelina mba hiverina hamokatra indray ity orinasa ity ka hamerina hasin’ny vokatra vita malagasy. Nanolotra groupes électrogène ho an’ny mponin’ny Brickaville ihany koa ny filoham-pirenena ary nilaza fa hisy fotodrafitrasa maro hapetraka eo amin’ity distrika ity. Isan’izany ny fametrahana parc solaire sy ny famerenana indray ny famokarana akondro sy ny ozina hanodina izany.

Sampandraharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana

21-05-2019