FIADIDIANA NY REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2021- 443

Fanitarana ny fe-potoana ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika

NY FILOHAM-PIRENENA,

Araka ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andinin’ny faha 61;

Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny vanim-potoana manokana;

Araka ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam- bahoaka;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 sy ny didim-panjakana laharana faha 2020-997 tamin’ny 20 aogositra 2020 manendry ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ;


Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;


Nandritran’ny Filankevitry ny Minisitra, taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO:

Andinin’ny Voalohany : mitohy mandritra ny 15 andro manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim- panjakana ity ny « fahamehana ara-pahasalama », noho ny fitandroana ny fahasalamam bahoaka, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana, araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 voalaza etsy ambony.

Andininy faharoa : Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny vanim-potoana manokana mametra ny atao hoe famehana.

Andininy fahatelo : Ho fampiaharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia ankinina amin’ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.

Andininy fahaefatra :Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra , ny fifandraisan- davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria no miantoka ny fanatanterahana izao didim- panjakana izao.

Andininy fahadimy : Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha 4 sy andininy faha 6 andalana faha 2 amin’ny didy hitsivolana laharana 62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben’ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan’ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin’ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin’ny famoahana azy amin’ny Gazetim- panjakan’ny Repoblika

Antananarivo faha 17 aprily 2021

Ny Filoham-Pirenena
Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena
Général de Corps d’Armeée Leéon Jean Richard RAKOTONONIRINA

Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola
Richard RANDRIAMANDRANTO

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka
Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

Ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra 
Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA

Ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena
Général de Corps d’Armée Richard Ravalomanana

Ny Minisitry ny Fitsarana
Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO

Ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana
Tianarivelo RAZAFIMAHEFA

Ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka
Professeur Hanitrala Jean Louis RAKOTOVAO

Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
Lalatiana ANDRIATONGARIVO RAKOTONDRAZAFY