TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 23 SEPTAMBRA 2020 LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FANATSARANA NY JONO ETO MADAGASIKARA :
    Hiroso amin’ny fametrahana ny lamina sy fanatsarana ny jono sy ny fomba fitrandrahana ny hazandrano isika. Isan’ny ifotorana amin’izany :

    • ny fanatsarana ny fampidiram-bola azo avy amin’ny fanjonoana an- dranomasina,
    • ny tokony hisian’ny fampidirana an-tanety ireo vokatry ny jono,
    • ny fanamafisana sy fanaraha-maso ny fanjonoana indrindra any amin’ireo fari-dranomasina voatokana amin’izany
    • ny fampiroboroboana ny jono manerana ny Nosy
    • ny fanintarana sy fanatsarana ireo fotodraditrasa eny amin’ny seranan- tsambon’i Madagasikara rehetra
    • ny fametrahana ny fetrisa azo trandrahana sy aondrana.

    Ireo dia natao indrindra ny hampitomboana ny vola miditra amin’ny fanjakana, fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mivelona amin’ny jono ary koa ny fandrindrana sy fampitoviana lenta ireo sambo rehetra mpitrandraka mba hitovy avokoa ny hetra sy ny vola tokony aloan’izy ireo izay tokony hifanaraka amin’ny fitrandrahana ataon’izy ireo.

    Ireo no nampahafantarin’ny Minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany.
  • II – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena  ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa ANDRIANJATOVO Andry Nirina Borgues Christian, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny Fonja ao  Vakinakaratra.
    • Atoa RALAINAIVO MANIRINTSOA Delloue Michel, dia voatendry ho Talem- paritra misahana ny Fonja ao  Alaotra Mangoro.
    • Ramatoa  MARIGNY  Natacha  Clémence,  dia  voatendry  ho  Talem-paritra misahana ny Fonja ao  Sofia.
    • Atoa  RAZANAKOTO  Fanomezantsoa  Dannick,  dia  voatendry  ho  Talem- paritra misahana ny Fonja ao  Vatovavy Fitovinany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa :

    • Atoa  M.  RAKOTOMALALA  Andrianjaka  Miadana,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny Fanadinam-panjakana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono :

    • Atoa M. RAMANANTSIALONINA Auguste, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural » (CNEAGR).

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Fitaterana,  Fizahantany  ary  ny Famantarana ny Toetr’andro :

    • Atoa MAURICE Tianjara, dia voatendry ho Tale Jeneraly Lefitra eo anivon’ny APMF.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

    • Atoa ANDRIAHARIMALALA Tahina, dia voatendry ho Tale misahana ny Centre National de Formation d’Etude, de Recherche en Environnement et Forestier (CNFEREF)

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa RAZAFINDRAZAKA Aina Fenohery, dia voatendry ho Tale misahana ny « Partenariat et Coopération » eo anivon’ny ORTM.
  • III – FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nandray ny didy manafoanana ireto didim- panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-976 tamin’ny 03 may 2019 nanendrena ny Tale iraisam-paritra ao Anosy, Atsimo Atsinanana sy ao Androy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-188 tamin’ny 19 febroary 2020 nanendrena ny Tale misahana ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (ISSM).

Natao androany faha 23 Septambra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika