TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 16 SEPTAMBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA : ENTANINA NY FOKONOLONA ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA MIKASIKA IREO VOAFONJA NANDOSITRA :

    Mbola misy ireo gadra nandositra notanana tao Farafangana no mbola miafina  sy  miriaria  any  anaty  fiarahamonina  any  izay  mbola  karohin’ny mpitandron’ny filaminana ankehitriny. Heloka bevava vono olona sy heloka goavana no nitanana azy ireo am-ponja, koa manao antso avo ny Ministeran’ny Fitsarana ny amin’ny tokony hiverenan’izy ireny any am-ponja manefa ny saziny. Misy ireo fepetra sy ny lamina hoentina hisamborana azy ireny, izay efa natomboka tamin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fampianarana ny olona ny amin’izay tokony atao, raha sendra mifanena na mahafantatra ny toerana iafenan’izy ireny, ary mbola hisy ny lamina vaovao hoentina manatsara izany.

    FANOMANANA NY FIDIRANA AN-TSEKOLY NY TAOM-PIANARANA 2020- 2021 :

    Nampahafantarina  nandritra  ny  Filankevitry  ny Minisitra  ny  lamina hoentina mandrindra ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana 2020- 2021.
    Toy izao manaraka izao izany :

    1- Ho an’ny fisondrotan-kilasin’ny mpianatra :

    Ny salanisa azon’ireo mpianatra nandritra ny telovolana roa voalohany no hikajiana sy hitsarana ny vokatra mba hahafan’ireo ankizy misondrotra kilasy.

    Ireo afaka fanadinana kosa dia mahazo misafidy ny sekoly idirany, ireo tsy afaka dia mahazo mamerina kilasy. Tsy tokony ho sakana amin’ny fidirana an-tsekoly ny vokatra azon’ny mpianatra tsirairay na ratsy na tsara izany vokatra izany satria zon’ny zaza Malagasy ny miditra an-tsekoly ary mahazo ny fampianarana sy fanabeazana azy ireo ho olom-pirenena.

    Tokony hanao ny fisoratana anarana eny anivon’ny sekoly araka izay safidiny ireo ray aman-dreny manomboka ny 16 Septambra ka hatramin’ny 09 Oktobra ankoatra ny kilasy faha 9 sy ny kilasy famaranana izay mbola hiatrika fanadinana.

     2- Ho an’ny fitantanana ny tetibola sy ny vola eny anivon’ny sekoly :

    Tsy  mandoa  ny  saram-pisoratana  anarana  ny  mpianatra  rehetra manerana   ny   Nosy   amin’ity   fidiran’ny   mpianatra   ity   araka   ny   efa nampanantenain’ny Filoham-pirenena .

     Tsy mandoa ny latsakemboka angatahan’ny fikambanan’ny ray aman- drenin’ny mpianatra ireo ray aman-dreny manomboka izao, (latsakemboka FEFI) mandra-pisian’ny  lamina  vaovao  mba  hitsinjovana  ireo  tokantrano sahirana  sy  ny  ray  aman-dreny  izay  tena  misedra  fahasahiranana  tokoa amin’izao fotoana izao araka ny toromariky ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra.

    Sarahana  mazava  tsara  ny  fitantanana  ny  volam-panjakana  sy  ny latsakemboka izay samy sahanin’ny FEFI. Izay tsara ny mampahafantatra fa ny “caisse des écoles” dia izy ireo no mitantana azy ka mitsinjara toy izao : 16,133 miliara ariary natokana ho an’ny EPP sy ny CEG  ary 2 miliara ariary natokana ho an’ny Lycée izay miainga avy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Misy ihany  koa  ny  tetibola  izay  iarahana  mitantana  amin’ny  ministera sy  ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny tetikasa PAEB mitentina 3 tapitrisa dolara natokana hoan’ny EPP sy CEG .

    3- Ho an’ny fandrindrana ny fandalinana any ampianarana :

    Hotsinjaraina isaky ny sekoly ireo boky fianarana sy fampianarana ary
    ny rakibolana izay efa tody eny anivon’ny CISCO avokoa ankehitriny. Ezahana ny tokony hahaizan’ny ankizy any amin’ny ambaratonga voalohany teny 5 isan’andro mba hitomboan’ny fahaizan’izy ireo araka ny tokony ho izy.

    Araka  ny  fampanantenana  nataon’ny  Filoham-pirenena  dia  atao  ny fitsinjarana ireo fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra any amin’ny kilasy ambaratonga voalohany ary hisy koa ny fizarana ireo aro akanjo sy ny kiraro entina mianatra mba hitovy lenta avokoa ny mpianatra rehetra miatrika ny taom-pianarana vaovao.

    Hisy ny toeram-pamakiam-boky ho an’ireo mpianatra isaky ny lakilasy ary misy ny tetikasa hametrahana tranomboky isaky ny sekoly miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny banky iraisam-pirenena.

    Hisy  ihany  koa  ny  fampianarana  ny  ankizy  hamboly  hazo  iarahana amin’ny ministera miahy ny tontolo iainana ka hazo iray ankizy mpianatra iray ary  hisy  koa  ny  fanaovana  zaridainan-tsekoly  iarahana  amin’ny  ministera misahana  ny  fambolena  ka  ahafahan’ny  mpianatra  mikolokolo  sahady  ny tontolo iainana sy mikajy ihany koa ny fomba fambolena izay sady hanitaran’izy ireo ny fahalalany.

    4- Ho an’ny fanatsarana ny fomba fampianarana :

    Hatao ny lamina handrindrana ny fanapariahana ireo mpampianatra manerana ny Nosy izay efa manana ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fanjakana na izany ireo mpiasam-panjakana na ireo vao nahazo ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa.

    Hisy ny tambin-karama omena ieo mpampianatra voatendry any amin’ny faritra alavitry ny renivohitra (prime d’installation).

    Hosokafana ireo EPP manarapenitra sy CEG ary Lycée vaovao rehetra efa mijoro manerana ny Nosy. Hisy araka izany ny fandraisana ireo mpampianatra sy tale vaovao any amin’izy ireny.

    Tsy maintsy manao fiofanana ary manaraka fanofanana ireo rehetra miditra  eo  amin’ny  sehatry  ny  fampianarana  ary  misy  ny  sivana  atao amin’izany ka :

    • Teratany Malagasy
    • Mpiasam-panjakana
    • 30 taona raha kely indrindra
    • Olona efa nanaraka lalam-piofanana amin’ny fampianarana
    • Manana ny mari-pahaizana bakalorea farahafakeliny
    • Efa niasa nandritra ny 6 taona teo amin’ny sehatry ny fanabeazana
    • Mahafehy tsara ny teny malagasy sy ny teny frantsay ary manana farafahakeliny ny marim-pahaizana mahafehy teny frantsay
    • Mahay mifandray aman’olona, mijoro hatrany amin’ny fahamarinana
    • Mahay na manana ny fahaiza-manao amin’ny fikirakirana ny lafiny solosaina  sy  ny  fifandraisana  ary  ny  serasera  mahakasika  ny fampianarana
    • Manana  ny  traikefa  hahatalen-tsekoly  ho  an’ireo  izay  vonona  ny hitantana sekoly

    5- Ho an’ny fandrindrana ny fidirana an-tsekoly :

    Noho ny antony ara-pahasalamana dia tsy maintsy hapetraka ny lamina hampidirana ireo zaza ao an-dakilasy ka alefa tsikelikely ny fandraisana azy ireo any antsekoly , izany hoe atao mielanelana ary indrindra manaraka ny lamina ara-pahasalamana izay hapetraka.

    Hisy ihany koa ny fanomezana fanafody kakana ireo zaza mpianatra miisa 2,2 tapitrisa ary hisy ihany koa ny fitsirahana ara-pahasalamana izay iarahana amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

  • II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny fanajariana ny tany, ny toeram- ponenana sy ny asa vaventy :

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny filan’ny fanjakana ireo toerana voafaritry ny drafitra fanorenana tanàna ao Toamasina (Plan d’Urbanisme Directeur de l’agglomération de Toamasina).

  • III – FANENDRENA :

     Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa RAJAONARISON Jean de Kopy, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fitantanana ny Fonja ao Atsimo Atsinanana.
    • M. RAZAFIMAHAFALY Aurélien François Angelot, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fitantanana ny Fonja ao Amoron’i Mania.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Ramatoa  RAZAFITSIMIHANTA  Dorcile,  dia voatendry  ho  lehiben’ny Distrikan’i Toliara II.
    • Atoa  ANDRIAMARO  Jovin  Thomas,  dia  voatendry  ho  lehiben’ny Distrikan’Ampanihy Andrefana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka :

    • Commissaire   Principal   de   Police   RAKOTONDRAHELIARIVELO Mamiarisoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vakinankaratra.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena :

    • Atoa RASOLONJATOVO Andriamora Herimirija,  dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny mpiasa.
    • Atoa RANDRIAMANANJATOVO Noué Albertrand, dia voatendry ho Tale misahana ny Institut National de la Formation Pédagogique.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • M.  ANDRIANIAINA  Hery  Dels,  dia  voatendry  ho  Talen’ny  Hopitaly manarapenitra  ao  Antsiranana  (Centre  Hospitalier  Universitaire Tanambao Antsiranana).

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Fampianarana  Ambony  sy  ny Fikarohana ara-tsiansa :

    • Atoa BELALAHY PAULIN Joséphin, dia voatendry ho Tale misahana ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera.

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Minisitry   ny   Tontolo   Iainana   sy   ny Fampandrosoana maharitra :

    • Atoa RASAMOELINA Andry Fidiniaina Moîse, dia voatendry ho Tale misahana ny « Unité de Coordination des Organismes Rattachés (UCOR) .
    • Ramatoa ANDRIAMANOHISOA RAVELOSON Miora, dia voatendry ho Tale misahana ny « Appui à la Promotion de l’Economie Verte et Bleue (DEVB) »
    • Atoa BERA Arsonina, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia.
  • IV – FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nandray ny didy manafoanana ireto didim- panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-333 tamin’ny  07 martsa 2019 nanendry  ny  tale  misahana  ny  fitantanana  ny  mpiasa  eo  anivon’ny ministeran’ny  fanabeazam-pirenena  sy  ny  fampianarana  teknika  ary  ny fanonana arakasa.

Natao androany faha 16 Septambra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika