FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TARATASIN’ANDRIAMATOA FILOHAM-PIRENENA

Andriamatoa Praiminisitra,

Ramatoa sy Andriamatoa isany Minisitra,

Andriamatoa Minisitra lefitra,

Andriamatoa Sekreteram-panjakana,

 

Isika  eto  Madagasikara  dia  isan’ireo  voafidin’ny  firenena  maro hitarika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izay isan’ny noraisiko ho ady manokana sy goavana mandritra ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Mila vahaolana maharitra anefa izany, ary mitaky fandavan-tena sy fahavonona hanarina sy hitondra sosokevitra mafonja, azo tsapain-tanana, azo faritana ary azo hampiharina avy hatrany amin’ny alalan’ny fampiasana ny zava-misy eto an-toerana sy ny fandrisihana ny fahaiza-manao misy eto amintsika.

Fantantsika tsara fa ny antsasaky ny zaza malagasy dia mizaka io tsy fanjarian-tsakafo io ary izay no mahatonga azy ireo kely miohatra amin’ireo zaza hafa  satria misy fahatarany ny fitomboany ary  izay ihany koa no isan’ny mahafohy ny fotoam-pahavelomantsika Malagasy amin’ny ankapobeny.

Ny vahaolana maharitra entiko eto aminareo hiadiantsika amin’ity tsy fanjarian-tsakafo ity izay saika mahakasika ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy indrindra ny any Atsimo dia ny fananganana orinasa afaka mamokatra ireo sakafo be otrikaina natokana ho an’ny zaza. Izany no antony nifanatonako manokana tamin’ny Fondation Mérieux izay naneho ny fahavononany sy ny fahaiza-manaony  eo  amin’ny  sehatra  ara-tsosialy  hifanohana  amintsika Malagasy.

Isan’ny sangany ary fanta-daza maneran-tany ny Fondation Mérieux eo amin’ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo ady rehetra amin’ny areti-mifindra izay  tena mahakasika ny olona marefo indrindra ny mahakasika ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ary isan’ny mitana toerana goavana amin’izany ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tao  anatin’ireo  dinika  rehetra  nifanaovana  tamin’izy  ireo,  no nahafahantsika nampifandray ny Fondation Mérieux sy ny Nutriset, izay orinasa matanjaka  sy  sangany  amin’ny  famokarana  sakafo  be  otrikaina  natokana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ka izy ireo no hamokatra, hanodina ary hitsinjara sy hanaparitaka ny vokatra manerana ireo toeram-pitsaboana sy ireo toerana miahy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy

Ny  anjara  andraikintsika  ato  anatin’ny  fitondram-panjakana  dia  ny manampy ny orinasa Nutriset amin’ny alalan’ny fanatanterahana io tetikasa fananganana ity orinasa ity any amin’ny faritra atsimo, mametraka ihany koa ny fandaharanasa hoentina mampiroborobo ireo orinasa mamokatra ireo sakafo ara-pahasalamana be otrikaina entina misoroka sy mitsabo ny tsy fanjarian- tsakafo arakaraky ny filan’ny mponina sy ny toe-java-misy eto amintsika isam- paritra. Eo ihany koa ny fijerena sy fametrahana ireo fepetra sy didy aman- dalàna isan-tokony hanamorana ny fijoroan’ny orinasa, ny fampiodinana ilay orinasa, ny fanalefahan-ketra sy ny haba izay mila ampandalovina eto anivon’ny Filankevitry ny Minisitra. Izany no atao dia ny mba hampanjariantsika ho mendrika ilay ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny politika sy ny paik’ady hampiharintsika  ato  anatin’ny  fitondram-panjakana  satria  isika  dia  tsy mitondra famatsiam-bola fa  mametraka lamina fotsiny ihany ahafahan’ilay orinasa mivelatra sy ireo vokatra hipaka any amin’ny vahoaka Malagasy tsy an- kanavaka izay tokony hisitraka izany.

Ny Fondation Mérieux no hitondra manontolo ny famatsiam-bola, ny orinasa NUTRISET no hametraka sy hampiodina ny orinasa miaraka amin’ireo mpisehatra ara-pahasalamana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny toky nomen’ny NUTRISET ankoatra ny famoahana vokatra ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ary ny filan’ny mponina dia ny hamorona asa ho an’ny faritra iasany ihany koa, ary hampiasa ny vokatra avy eto an-toerana.

Zava-dehibe amintsika ity ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ity satria io no mitsinjo ny mahaolona ary miantoka koa ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy manontolo. Noho izany manana lanjany manokana ity tetikasa ity koa manantena  ny  fiaraha-mientantsika  rehetra  ato  anatin’ny  governemanta amin’ny fanatanterahana sy fanarahana akaiky ity tetikasa ity.

 

Antananarivo, faha 09 Septambra 2020

Ny Filoham-pirenena

Andry RAJOELINA