TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY 26 AOGOSITRA 2020 TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    « Fifaliana-   fifampitsinjovana »   no   tanjona   amin’ny   alalan’ny fanampiana Vatsy Tsinjo andiany faharoa :

    Nanome  toromarika  manokana  ny  Filoham-pirenena  androany  ny hanamafisana ny lamina atao amin’ny fizarana ireo vatsy tsinjo andiany faharoa hoentina miatrika ity valan’aretina ity ho an’ireo renivohi-paritany 5 hafa manerana ny Nosy ankoatra an’Antananarivo izay efa nanomboka nahazo ny anjarany. Hidina ifotony ireo minisitra sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo isaky ny faritra (ireo directions régionales sy inter-régionales) isan-tokony  avy  hanampy  sy  handrindra  miaraka  amin’ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra, mba hisian’ny fizarana marina ary tena hiantraika any amin’ireo tena mila azy ny fanampiana atolotry ny fanjakana izay mitenti-bidy eo amin’ny 72 miliara ariary.

    Toy ny natao tao Antananarivo renivohitra dia ireo loham-pianakaviana no tokony mandeha maka ny fanampiana mba hanamarinana fa isan- tokatrano marina ny fizarana ary tsy maintsy miaraka amin’ny karinem- pokontany fanaovana adidy hatrizay izy ireo mba hanarahana tsara ny fisitrahan’izy ireo ny fanampiana. Nohamafisiny ny toromarika hanatsarana ny fomba fitantanana eny anivon’ny fokontany ka tokony hametrahana, miaraka amin’ny paikady fizarana fanampiana vatsy tsinjo, ny rejisitra vaovao sy ny boky vaovao ampiasaina eny anivon’ny fokontany izay tsara raha atao ara-kajy mirindra.  Eo ihany koa no tokony hametrahana ny lamina amin’ny fanaovana sy fanamboarana ary paikady fitsinjarana ireo Karinem-pokontany vaovao.
  • II – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :   

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa RAMANANA Fanomezantsoa Alain, dia voatendry hoe Tale misahana ny « Observatoire de la Décentralisation et du Développement Local. »
    • Ramatoa  RAJAOBELINA  Marie  Lucie,  dia  voatendry  ho  Lehiben’ny Distrikan’i Vohipeno.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa RAZAFIMAHEFA Herimanana, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly
    • Atoa  RAONIHERIJAONA  Andriamiakatsilavo,  dia  voatendry  ho  Tale Jeneraly misahana ny Pedagojika.
    • Atoa TSIRILAZA  Jimio, dia voatendry  ho Tale misahana  ny  fitantanan- draharaha sy ny fitantanam-bola.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry fambolena, ny Ffompiana ary ny jono :

    • Atoa RALALARIVONY Mamisoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Amoron’i Mania

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny  rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana :

    • Ramatoa RAHARIVOLA Lanto Mirisoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vakinankaratra.
    • Atoa TSIAMBAKAY André, dia voatendry ho Talem-paritra ao Boeny.
    • Atoa SALAMONA  Jaonary  Philippe, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy-Fitovinany.
    • Atoa RANDRIANARIVELO Jean de Dieu Luc Harisson, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo-Atsinanana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon- karena stratejika :

    • Ramatoa  MARINASY Edith Virginie,  dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana
    • Atoa TIANDRAZANA Fortinant Issouf, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Ramatoa RANDRIATSIMIHATA Hery Lazavonjy, dia voatendry ho Tale Iraisam-paritra ao Fianarantsoa.
    • Atoa RAONISON Ria, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa MAHASOA MOSA Thierry, dia voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Toliara.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry tontolo iainana ary ny fampandrosoana maharitra :

    • Atoa RANDRIAMASIMANANA Désiré, dia voatendry ho Tale misahana ny « Programmation et du Suivi-Evaluation (DPSE) ».
    • Ramatoa RAVELOMANANA Lovakanto Njaran’ny Fo, dia voatendry ho Mpandrindra ny Birao nasionaly misahana ny « Changements Climatiques et de la Réduction des Emissions dues à la Déforestation et à la Dégradation des Forêts »
    • Ramatoa  RATEFASON  Zafindragisimary  Tojotsara,  dia  voatendry  ho Talem-paritra ao Vakinankaratra.
    • Atoa MARIO Rossel François, dia voatendry ho Talem-paritra ao Menabe.
    • Atoa RAKOTONANAHARY Tovoniaina Charles, dia voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.
    • Ramatoa VIA Sabine Marie Dorothée, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Atoa  RAJAONARIVO  Marc  Behaja,  dia  voatendry  ho  Talem-paritra  ao Alaotra Mangoro.
    • Ramatoa TONGASOA Lydia, dia oatendry ho Talem-paritra ao Melaky.
    • Atoa ANDRIANJAFY Ihando Niaina, voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Boeny sy Betsiboka.
    • Ramatoa RAKOTOARIMANANA Josette Evelyne Marcelle, dia voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Itasy sy Bongolava.
    • Atoa SOLONTSOA Mampionompo Jeannin, dia voatendry ho Talem-paritra ao Androy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa RAHALISON Onjaniaina Adolphe, dia voatendry ho Tale misahana ny raharaham-pitsarana.
    • Ramatoa  RAFALIMANANA  Fehizoro  Lalaina,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Dépêche Informative « TARATRA ».
  • III – FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanafoanana ireto didim-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny repoblika :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-032 tamin’ny 24 janoary 2019 nanendrena ny Tale misahana ny « Etudes Juridiques ».
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-216 tamin’ny 26 febroary 2020 nanendreana ny « Secrétaire Permanent Adjoint à la Défense et à la Sécurité Nationale » ao amin’ny « Haut Conseil de la Défense Nationale (HCDN) ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendrena ny  Sekretera Jeneraly, Ny Talen’ny fampandrosoana  isam-paritra  ary  ny  Tale  misahana  ny  fitantanana ankapobeny  ny  faritra  any  amin’ireto  faritra  manaraka  ireto :  Boeny, Analanjirofo, Bongolava ary Diana.
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2018-985 tamin’ny 08 aogositra 2018 nanendry ny Tale misahana ny fandrindrana ireo tetikasa eo anivon’ny Ministera.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry fanabeazam-pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-176 tamin’ny 19 febroary 2020 nanendry ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa;
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-328 tamin’ny 07 martsa 2019 nanendry ny  « Directeur Général de l’Enseignement Secondaire et de la Formation  de  Masse »  ny  ministeran’ny  Fanabeazam-pirenena,  ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa ;
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha  2020-653 tamin’ny 24 jona 2020 nanendry  ny  « Directeur  Général  de  l’Enseignement  Fondamental  et  de l’Alphabétisation » ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa;
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha  2020-652 tamin’ny 24 jona 2020 nanendry  ny « Directeur  des  Affaires  Administratives  et  Finances » ministeran’ny  Fanabeazam-pirenena,  ny  fampianarana  teknika  ary  ny fanofanana arak’asa;
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-330 tamin’ny 07 martsa 2019 nanendry  ny « Directeur de l’Education Fondamentale » ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha°2019-787 tamin’ny 17 aprily 2019 nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny Tontolo iainana sy ny Ala (DGEF).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-183 tamin’ny 20 febroary 2019 nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny Serasera.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1479 tamin’ny 31 Oktobra 2018 nanendry ny Tale misahana ny fitantanana ankapobeny sy ny fitantanana ara-bola.

Natao androany faha 26 Aogositra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika