TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY ALAKAMISY 20 AOGOSITRA 2020

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Nomena fanalefahan-ketra ireo fitaovana toy ny « concentrateurs d’oxygène », ny fitaovam-piarovana, fampitaovana ny orinasa PharMalagasy izay novidian’ny fanjakana malagasy ka tafiditra ao anatin’ny ady atao hoentina miady amin’ny fihanaky ny Covid-19.

    Noraisin’ny fanjakana an-tanana ihany koa ny fandoavana ny ladoany mifandraika amin’ireo akanjo natolotry ny Conglomérat Coréen Kolon Group tamin’ny alalan’ny masoivoho Koreana miasa sy monina eto Madagasikara ho an’ny mponina manerana an’i Madagasikara izay miaina ny vokatry ny Covid-19 ka sahirana ara-pivelomana eo amin’ny fiatrehana izany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    NOTAPAHANA NANDRITRA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ARAKA NY VOAFARITRA ANATY LALAMPANORENANA, KA :

    • Noraisina ny fiantsoana hivory ny Antenimiera Roa tonta ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana tsy mihoatra ny 12 andro manomboka ny 26 Aogositra 2020. Ka ny lahadinika amin’izany dia mikasika ny « Comission Mixte Paritaire » hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 Febroary 2020 araka ny voafaritra ao anatin’ny andininy faha 96 ao amin’ny lalampanorenana.
    • Noraisina ny didim-panjakana mametraka ny Comité de pilotage hoenti- mandrindra politika hoenti-mamboatra sy manatsara ny rafitra itsinjaram- pahefana mitondra makany amin’ny fanandratana mirindra ny isam-paritra
    • Noraisina ny didim-panjakana manitsy ny andininy vitsivitsy mamaritra ny « redevances sy et ristournes minières ary ny frais d’administration minière » mba ho fampiharana ny didim-panjakana laharana 2006-910 tamin’ny 19 desambra 2006 ho fampiharana ny lalàna laharana faha-99-022 tamin’ny 19 Aogositra 1999 mikasika ny Code Minier.
    • Noraisina ny didim-panjakana manova ny rafim-pitantanana eo anivon’ny Office de la Radio et Télévision publiques de Madagascar na ny ORTM izay ahafahany miasa tsara sy mifanaraka araka ny maha EPA azy ka hahaleotena ara- bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana mametraka ny « bonification d’ancienneté de port de garde » hoana manamboninahitra iray amperinasa eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
  • III- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola :

    • Voatendry ho mpikambana ao amin’ny filankevim-pitantanan’ny Banky Foibe « Administrateurs non-exécutifs » ireto manaraka ireto :
      • Atoa REZIKY ZAFIMARINA STEFANA Hery Zojaona Tantely, misolo- tena ny Fiadidiana ny Repoblika,
      • Ramatoa RAKOTOZAFY Aina, misolo-tena ny antenimieram-pirenena
      • Ramatoa RAKOTOARIVONY Eliane Tantely, misolo-tena ny antenimieran-doholona.
    • Atoa RASAHAVELO, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Contrôle Financier ».
    • Atoa RATOVONDRAHONA Herinantenaina, dia voatendry ho tale misahana ny « Brigade d’Investigation Financière et de l’Audit »
    • Ramatoa RANDRIANIRINA Hanitra Olivia, dia voatendry ho tale misahana ny « Etudes auprès de la Direction Générale du Trésor Public ».
    • Atoa RAHARIJAONA-NDRIANARIALALA Rado Haja Ezekiela, dia voatendry hoe Tale misahana ny « Comptabilité Publique ».
    • Ramatoa FLORENCE Andrianaivohery née RAKOTONIRINA, dia voatendry ho Tale misahana ny « Soldes et Pensions ».
    • Atoa LALA ARISON Zo Ny Aina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système Informatique ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana :

    • Atoa RAKOTOARISOA Zafiarinjatovo, voatendry ho Talem-paritra ao Bongolava.
  • IV – FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2005-358 tamin’ny 08 Jona 2005 nanendry ny Tale Jeneralin’ny OFMATA.

    Araky ny tolokevitry ny sekretariam-panjakana ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2018-329 tamin’ny 11 aprily 2018 nanendry ny kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena.

Androany faha 20 Aogositra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika