TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 29 JOLAY 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY FAHA 29 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Fitantanan-draharaham-panjakana:

    Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana ho enti- miady amin’ny covid-19 mikasika ireo fiara ambulance sy fitaovana ara- pahasalamana nafarana avy any Chine .

    20 Tapitrisa Dolara ho enti-manatanteraka ny tetikasa Fly Over avy amin’ny BADEA :

    Notapahana mandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa hatomboka amin’ity taona ity ny fanaovana ireo FlyOver 2 etsy Andohatapenaka/Ampasika sy ny etsy Anosizato ka isan’ny hanome famatsiam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ho entina amin’izany ny BADEA na ny Banky Arabo ho amin’ny Fampandrosoana aty Afrika, ka ny famatsiam-bola anatiny no ho entina manomboka ny asa ary ny famatsiam- bola avy amin’ny BADEA kosa no handray ny tohin’ny asa. Fampindramam-bola mandritra ny 30 taona izy io ary amin’ny zana-bola ambany 1% ary afaka 10 taona vao hatomboka ny famerenana azy. Ao anatin’izany ny fanaovan-dalana mirefy 8km sy ny fanamboarana ireo tetezana . Mbola mety hitombo io famatsiam-bola io araky ny fizotry ny fifampiresahana amin’ny BADEA.

  • II - FANENDRENA OLOM-PANJAKANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminana Anatiny :

    • Commissaire Divisionnaire de Police RANDRIAMAMPIANINA Harinaina Samisoa dia voatendry ho Tale misahana ny « Systèmes d’Information et des Transmissions ».
    • Commissaire Principal de Police TALILY Damy, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police ».
    • Commissaire Principal de Police RAZAFINDRAZAKA Hector, dia voatendry ho Talem-paritra Analamanga.
    • Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIAMANANTSOA Zakatiana Pière Donatien, dia voatendry ho Talem-paritra Anosy.
    • Commissaire de Police de Première Classe RAFALIMANANA Alain Adonis, dia voatendry ho Talem-paritra Bongolava.
    • Commissaire Principal de Police MANDINIMANANA Hery Nirina, dia voatendry ho Talem-paritra Amoron’i Mania.
    • Commissaire Principal de Police RANDRIANIRINA Manahy, dia voatendry ho Talem-paritra Androy.
    • Commissaire Principal Divisionnaire de Police RANOARISON Willy Martial, dia voatendry ho Talem-paritra Atsimo Andrefana.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAMAMPIANDRY Nicolas, dia voatendry ho Talem-paritra Betsiboka.
    • Commissaire Principal de Police RANDRIAMAHASOA Pascal, dia voatendry ho Talem-paritra Haute Matsiatra.
    • Commissaire de Police 1ère classe TAFENO ROLY Ezah Vivonys, dia voatendry ho Talem-paritra Itasy.
    • Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule, dia voatendry ho Talem- paritra Menabe.
    • Commissaire Divisionnaire de Police ZAFIMANGA Gervais, dia voatendry ho Talem-paritra Vatovavy Fitovinany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana:

    • Atoa VOAVY Jackson Willy, dia voatendry ho Talem-paritra Atsinanana.
    • Atoa RAKOTOARINOSY Damascène Hajandrianony, dia voatendry ho Talem- paritra Alaotra-Mangoro.
    • Atoa RANDRIAMAMORY Harinaivo Dominique, dia voatendry ho Talem-paritra Haute-Matsiatra.
    • Atoa LAHIMASY Vone, dia voatendry ho Talem-paritra Ihorombe.
    • Atoa HOSMI Francklin Alberto, dia voatendry ho Talem-paritra Anosy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy:

    • Atoa ZAFINDRAMIADANA Deny Christian, dia voatendry ho Tale Jeneraly ny fampandrosoana lovain-jafy.
    • Atoa ANDRIANANDRASANA Tiana Herizo, dia voatendry ho Talem-paritra Analamanga.
    • Atoa SALAMA Jean Claude, dia voatendry ho Tale misahana ny « gestion des Pollutions, des déchets et de l’Intégration de la Dimension Environnementale ».
    • Atoa RAZAKAMAHANORO Zafindranaivo Lala Arlali, dia voatendry ho Talem- paritra Ihorombe.
    • Atoa RAKOTOVAOMITA Harimisa, dia voatendry ho Talem-paritra Vatovavy Fitovinany

    Araka ny tolo-kevitry Sekretaram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam- pirenena misahana ny zandarimaria:

    • Colonel RAKOTONIRAINY Rivo Andry, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information et des télécommunications ».

Natao androany faha 29 Jolay 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika