
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY
ALALAN’NY « VISIO CONFERENCE » NY 16 JOLAY 2020
NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIO CONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY FAHA 16 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :
- 
I- FAMPAHAFANTARANA :Notapahana nandritra ny filankevitry ny minisitra fa noho ny ahamehana arapahasalamana sy noho ny fotoana lalovan’ny firenena ankehitriny dia ahemotra ny lanonana ara-miaramila hamoahana ny andiany « FANDRESENA 2020 ». Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ihany koa ny fanomezan-dalana ahafahana manome « admission temporaire » ho entimananteraka ny asa fanaovana ho lalan-tara ny lalampirenena RN 5A mampitohy an’Ambilobe Vohémar. 
- 
II - FANENDRENA OLOM-PANJAKANA :Ny filankevitry ny Minisitra dia nanendry ireto olom-panjakana manaraka ireto: Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminana anatiny : - Contrôleur Général de Police RAJAONARISON José Andrianasolo dia voatendry ho mpandrindra sady lehiben’ny « Inspection Générale».
- Commissaire Divisionnaire de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro dia voatendry ho Tale misahana ny Enquêtes Internes
- Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala dia voatendry ho Tale misahana ny « Lutte contre la Corruption et de la Discipline»
- Commissaire Principal de Police RATSIMBA Andrianina Brice dia voatendry ho Tale misahana ny raharaha « Financières et de la Logistique. »
- Commissaire Principal de Police VAVILAINA Clarisse Marie, dia voatendry ho Tale misahana ny « Programmation, du Suivi et de l’Evaluation »
- Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANIRINARIVELO Jean Yves Rémi, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ecole Nationale Supérieure de Police»
- Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, dia voatendry ho Tale misahana ny « Recherche et de la Formation Continue ».
- Contrôleur Général de Police HAJANOMENA Fanja Razatovo, dia voatendry ho Tale misahana ny « Police Judiciaire »
 Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana : - Atoa RATOVONIAINA Thierry Emmanuel dia voatendry ho Tale Jeneraly arateknikan’ny Ministera
- Atoa RAZAFINDRAKOTO Andrinirina dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information et du Suivi-Evaluation »
- Ramatoa ANDRIANAMBININA Nozara Estelle dia voatendry ho Talem-paritra ao Analamanga.
- Atoa ZAKA Ruffin Raymond dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
- Atoa RAMAROKOTO Andriamifidiarivelo dia voatendry ho Talem-paritra Betsiboka.
- Ramatoa RAMANANJATOVO Haingo Nadia dia voatendry ho Talem-paritra ao Melaky.
- Atoa RALAMBOSAMIMANANA Mamy Nirina dia voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.
- Atoa RAKOTOVAO Andrianjafimaharavo Tantelisoa dia voatendry ho Talemparitra ao Amoron’i Mania.
- Atoa KOTOVAOARIVELO Jux Solinski dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo- Andrefana.
- Ramatoa RASOANIARIHELISOA Vonitsiry dia voatendry ho Talem-paritra ao Menabe.
- Atoa RAZAFIMANDIMBY Julson Paul dia voatendry ho Talem-paritra ao Androy
 Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovainjafy: - Ramatoa BAOHANTA Rondro Harinisainana dia voatendry ho Tale misahana ny « Unité Coordination de la Recherche, de l’Education et de la Formation »
 Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahanantena: - Atoa RAZAFIMANANA Jean Christin dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana
- Atoa ARISANDRATRA Augustin, dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
 
- 
III – FANAFOANANANy filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana ireto Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovainjafy: Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny « Office National pour l’Environnement » (ONE) Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra : Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny Serasera 
Natao androany faha 16 Jolay 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika
 
             
                 
                     
	 
                         
                    