TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 08 JOLAY 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY KA TAMIN’NY ALALAN’NY FAHITALAVITRA SY ANTSO ANTARIBY MIARAKA LAMINA ARA-TEKNIKA NY FIVORIANA NATAO ANDROANY FAHA 08 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY : 

HAMETRAKA CENTRE DE TRAITEMENT COVID 19 ISIKA

 Noho ny fiparitahan’ny valan’aretina sy nohon’ny fitombon’ny tahan’ny olona mitondra ny otrikaretina, dia nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fepetra rehetra handraisana ireo marary sy hametrahana ny lamina ho enti-miatrika ny ady amin’ny fihanahan’ny valan’aretina COVID-19 :

HAMETRAKA CENTRES DE TRAITEMENT COVID-19 MARO AFAKA MANDRAY MARARY HATRAMIN’NY 200 ISIKA FARAFAHAKELINY:

 Hapetraka manomboka ny zoma izao ny Centre de traitement Covid-19 ka etsy Ivato ao amin’ny CCO no hanaovana izany indrindra ho an’ireo marary sy mitondra ny otrikaretina Covid-19 izay mihamitombo eto Analamanga. 200 farafahakeliny ny marary horaisina amin’ny toerana iray, izay ahitana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana miisa 25 ka hatramin’ny 55 isaky ny toerana fandraisana ireo marary. Ireo toerana ireo dia atao handraisana ireo marary manana soritr’aretina efa mihamiombo nefa tsy afaka ny hanao fihibohana any an-tokantranony noho ny antony maro isan-karazany.

Noho ny fahavitsian’ny manampahaizana miandraikitra ny fandraisana ny valan’aretina dia noezahana ny hampivondrona azy ireo amin’ny toerana iray mba hahafahana mandray an-tanana ara-dàlana tsara ireo marary rehetra. 

HISY FANDRIANA SY TOERANA ATOKANA HO AN’IREO CAS GRAVE :

Ho fiatrehana ny fandraisana an-tanana ireo manana « cas grave », dia eny amin’ny Hopitaly Anosiala no hanombohana ny fandraisana azy ireo ary hisy ihany koa toerana hafa voatokana sy fandriana any anatin’ireo Centres de traitement handraisana sy hitsaboana azy ireo araka ny tokony ho izy. Ireo izay tsy manana ny soritr’aretina kosa dia entanina hatrany hihiboka any an-tranony ary handray ny fanafody sy hanaraka ny torohevitry ny mpitsabo amin’ny fampiharana ireo drafipitsaboana omen’ny mpitsabo. 

 FANDRAISANA ENY ANIVON’NY CSB :

Hapetraka ny lamina manokana handraisana ireo marary eny anivon’ny CSB ka hisy ny fanomezana ireo marary ny fanafody sy ny CVO ary omena fitsaboana avy hatrany ireo izay mitondra ny soritr’aretina mba hisorohana ny «forme grave». 

Mitohy rahampitso 09 Jolay 2020 ny Filankevitry ny Minisitra izay iarahana amin’ny holafitry ny mpitsabo sy ny holafitry ny mpivarotra fanafody . 

Natao androany faha 08 Jolay 2020
Ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika