FIADIDIANA NY REPOBLIKA


TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 04 MARTSA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    FIFEHEZANA NY VALAN’ARETINA CORONAVIRUS :
    Entitra ny Filoham-pirenena manoloana ny tokony hanamafisana hatrany ny fiarovana ny mpiray tanindrazana manoloana ny fihanaky ny « Coronavirus ». TSY MAINTSY HAMAFISINA SY HAMPITOMBOINA IREO FEPETRA ENTINA NY MIARO NY MALAGASY SY NY FIRENENA MANOLOANA NY FOHANAKY NY VALANARETINA CORONAVIRUS.
  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA:

    Araky ny tolo-kevitry ny Filoham-pirenena:

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Service Civique eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
    • Noraisina ny didim-panjakana laharana 2019-1689 ny 04 septembra 2019 manova ny andininy vitsivitsy nentina nanafoana ny « Agence Nationale de Réalisation de l’E-gouvernance (ANRE). »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, toeram-ponenana sy ny asa vaventy ;

    Noraisina ny didim-panjakana milaza ny filan’ny fanjakana ireo tany manodidina ny fokontany Amboanjobe sy Ambohindrazana, ao anatin'ny kaominina ambanivohitr’i Bongatsara, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Faritra Analamanga mba hoentina mamindra ny toeram-pitobian-tsolika etsy Ankorondrano any antoerana, miaraka amin’ny fanamboarana ny kihon-dàlana manoloana ny lalam-pirenena faha 7 izay hiteraka fakana ireo tany na fandravana ireo trano manodidina ny asa fanorenana.

  • III - FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa RAFIDISON Richard Théodore, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Antsinanana.
    • Atoa RAZAFINDRAKOTO Rado Harinjaka, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Fonds de Développement Local. ». izay nandraisana didim-panjakana ihany koa ny fampahafantarana ny fitsaharan’ny fotoam-piasan’ny Tale Jeneraly teo aloha.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy :

    • Ramatoa RAZAFIMBOLOLONA Ralinoro, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et des Normes »
    • Atoa RANDRIANARISON Fanomezantsoa, dia voatendry ho tale misahana ny « Coordination, de la Planification et de la Valorisation du Territoire Maritime ».
    • Atoa RAKOTONDRAPANANA Lucien, dia voatendry ho « Directeur de la Planification »
    • Ramatoa RAZAFINDRAMAMBA Ianjanoro, dia voatendry ho Tale misahana ny « Audit Interne »
    • Atoa RAKOTOMAVO Christophe, dia voatendry ho « Directeur Général de l’Agence Routière ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy + Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola

    • Atoa RANDIMBY Andriambololona Nirina, dia voatendry ho « Secrétaire Exécutif du Fonds Routier ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana arateknika sy ara-kasa

    • Atoa. TIANJAMA Chrijoé Dimasy, dia voatendry no Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana ara-teknika sy ara-kasa ao Analanjirofo.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono

    • Ramatoa RAHARINOMENA Fanja Miharisoa, dia voatendry ho « Coordonnateur de la Cellule de Coordination et d’Appui aux Projets et Activités Régionales auprès du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche ».
    • Commandant RAVELOMANANTSOA Tantely Andrianarisoa, dia voatendry ho « Directeur de la Mer et de l’Economie Bleue (DMEB) du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche ».
    • Atoa. RANDRIAMBOLA Tiana, Directeur de Développement de la Pêche (DDP) du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika

    • Ramatoa AHMED Amina, dia voatendry ho « Responsable de l’Unité de Coordination, de Suivi-Evaluation et d’Analyse auprès du Ministère des Mines et des Ressources Stratégiques ».
    • Ramatoa RAMEFIVOLOLONA Hanitra Lalaina, dia voatendry ho Directeur Général du Laboratoire des Mines de Madagascar (L2M).
    • Atoa. HELMIE Eugenio, dia voatendry ho Directeur Administratif et Financier du Laboratoire des Mines de Madagascar (L2M).
    • Atoa. RATSIMBAZAFY Miharinjato, dia voatendry ho Directeur des Opérations de l’Agence Nationale de l’Or.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana aratsiantifika

    • Atoa RAJAONARISON Jean François, dia voatendry ho Tale Jeneraly ny fampianarana ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika

Natao androany faha 4 martsa 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika