FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 15 JANOARY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Miisa 23.437 ny mpiasam-panjakana « fantômes » tsy maintsy hofohanana, mitohy ny fanadioavana :

    Nohatsaraina ny fanisana sy fitsirihana ny tena isan’ny mpiasam-panjakana marina. Misy mpiasam-panjakana 23.437 hatreto tsy fantatra na aiza izy ireo no miasa na iza izy ireo, na ireo antsoina hoe “fonctionnaires fantômes”. Koa foanana avy hatrany ny momba azy ireo. Manomboka izao dia ho arahina akaiky avokoa ny tena isan’ny mpiasam-panjakana marina araka ny sokajiny sy ny andraikiny avy, ary foanana ny « remplacements numériques systèmatiques». Miisa 187.998 ny mpiasam-panjakana rehetra ka ny 75.320 ny fonksionera, 69.837 EFA, 7655 ECD, 1235 ELD, 4457 ECD PIP, 29.494 kosa dia mpiasam-panjakana any amin’ireo andrim-panjakana sy ny EPA ary ny EPIC. Mbola hitohy ny fitsirihana sy ny fanadiovana ny asam-panjakana sy ny mpiasampanjakana.

    Foana ary henjehina araka ny làlana ny fizarana tanim-panjakana tsy manara-dàlana:

    Aoka izay ny fanomezana tanim-panjakana tsy araka ny tokony ho izy manerana ny Nosy hoy ny Filoham-pirenena. Antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teo anivon’ny Kaominina an’Antananarivo Renivohitra ka voatery nofoanana (Faux et usage de faux), 03 ireo taratasin-tany tsy ara-dàlana nofoanana natao tamin’ny anaran’ny Tananan’Antananarivo (irréguliers), 19 ireo antontan-taratasin-tany nofoanana izay nakan’ny olona ireo « domaine privé de l’Etat », 5 ireo antotan-taratasin-tany naverina amin’ny laoniny ny maha tanim-panjakana azy ireo. Ireo ny vokatry ny fitsirahana sy fanadiovana natao manodidina ireo tanim-panjakana nisy nanodikodina sy namadika tamin’ny anaran’olon-tsotra, mbola hitohy ny fanadihadiana sy ny fitsirihana ireo tany rehetra an’ny fanjakana. Hisy ny fepetra henjana horaisina manoloana ireo fakana sy fizarana tanim-panjakana tsy manara-dàlana manerana ny Nosy, hampanjakana ny fanarenana ny fananan-tany eto Madagasikara sy famerenena amin’ny fanjakana ny taniny araka ny tokony ho izy izay nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany.

    Havaozina ny Politikam-panjakana mifehy ny toeram-ponenana

    Napetraka ny lamina entina manavao sy mampifandraika ny politikam-panjakana mikasika ny toeram-ponenana araka ny voafaritra ao anatin’ny PEM ka mifototra amin’ireto ny soridàlana amin’izany:

    • 1- Ny Fametrahana ny fitantanana miaraka ny sehatry ny toeram-ponenana (sehatra tsy miankina, fanjakana, mpandraharaha)
    • 2- Ny Fametrahana ny fehezan-dàlana mifehy ny toeram-ponenana sy ny fanorenana izany
    • 3- Ny Fampiroboroboana ny teknika sy teknolojia hampaharetana ny fanorenan-trano
    • 4- Ny Fametrahana ny lamina amin’ny famatsiam-bola ho entina mamatsy ny tetikasa fanorenana toeram-ponenana
    • 5- Ny Fametrahana tetikasa maharitra hahafahana mamatsy ara-bola ireo izay te hanana trano ka mifototra amin’ny fitsinjovana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano mba ahafahana manome toeram-ponenana mendrika ny Malagasy rehetra.

    Hihena ny vidin-jiro any amin’ny faritr’Antsirabe aorian’ny fijoroan’ny orinasa mpamokatra angovo azo avy amin’ny masoandro

    Nankatoavina ny famindrana ny tanin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika hoentina manorina sy manangana toeram-pamokarana herinaratra sahanin’ny orinasa Sun Farming any Antsirabe, izay orinasa hamokatra herinaratra miainga amin’ny angovo azo havaozina toy ny masoandro. Efa nanao fifanaraham-pivarotana tamin’ny orinasa Jirama ity orinasa Sun Farming ity fa hivarotra ny vokatra herinaratra vokarin’izy ireo amin’ny vidiny mirary hampihenana ny vidin-jiro tsinjarain’ny Jirama.

    Fitantanana sy fametrahana ny “Zones d’émergence”

    Hapetraka ny rafitra sy ny paika entina mametraka ireo antsoina hoe “Zones d’émergence” ahafahana mametraka ireo toerana voatokana hanatanterahana ireo tetikasa voafaritra ao anatin’ny Programa Enti-manandratra an’i Madagasikara ; ka hisy ny vaomiera manokana iraisan’ny ministera isan-tokony handrindra sy handamina izany ary hametraka ny lalàna mifehy ny faritra tsirairay avy. Handrafitra izany vaomiera izany ireto ministera ireto : ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono, ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana ary ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoan maharitra.

    Hapetraka ny tahirim-bolamena eo anivon’ny Banky Foibe

    Neken’ny Filankevitry ny Minisitra ny fifanarahana teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ho entina mametraka ny tahirim-bolamena eo anivon’ny Banky Foibe. Izany no natao dia ho entina mamehy ihany koa ny politikan’ny vola eto Madagasikara.

  • II- FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Fitsarana:

    • Atoa RANAIVO ANDRIAMAROAHINA Tovonjanahary, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny fiadidiana ny Fonja.

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Ati-tany sy ny fitsinjarampahefana:

    • Atoa RATOVELO Thierry Aubin, dia voatendry ho Lehiben’ny dikstrikan’i Betroka.
    • Atoa TOMBOZARA Alida, dia voatendry ho Lehiben’ny diktrikan’Andapa.
    • Atoa RATSARAMIANDRISOA ANDRIANANTOANINA Solofonirina, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Ambatomainty.
  • III- FANAFOANANA

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy:

    • Foana ny fanendrena ny Tale miandraikitra ny « audit et de l’Inspection ».

Natao androany 15 janoary 2020

Ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana