FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 04 DESAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Planina Entimanandratra an’i Madagasikara :

    Voarafitra sy voalaza amin’ny antsipirihany ao anatin’ny Planina Entimanandratra an’i Madagasikara niainga tamin’ireo velirano 13 ny ODD (tanjona fampandrosoana maharitra) miisa 17 voalazan’ny firenena mikambana. Noresahana mandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny antsipirihany sy ny teti-bola mifandraika amin’izany, ary havoaka tsy ho ela ny drafitra farany ho fantatry ny rehetra sy ny tanjona tsy maintsy tratra ao anatin’ny 04 taona manaraka entina manatanteraka azy io ; sy izay efa vita nandritra ny 10 volana ao anatin’ilay Planina Entimanandratra an’i Madagasikara.

    «DINIKA NOSY MALAGASY : Ampitao ny hevitrao» : handray anjara amin’io avokoa ny ministera isan-tokony sy ny olom-pirenena rehetra :

    Ny 09-10-11 Desambra izao no atao ao amin’ny CCI Ivato ny dinika hanangonana ny hevitry ny olom-pirenena tsirairay avy manoloana ireo Nosy Malagasy. Ireo ministera isan-tokony, ny olompirenena isan-tokony dia afaka mandray anjara mivantana amin’izany avokoa ary ny 11 Desambra 2019 no havoaka ny drafitra ho entin’ireo komity hanohy ny dinika sy ny dingana rehetra ao aorian’ny fihaonana izay haharitra tokoa.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALÀNA

    Araky ny volavolan-dàlana naroson’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Minisitry ny Mponina :

    Nolaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fandrindrana ny ady atao amin’ny herisetra vokatry ny fahasamihafana mifototra amin’ny maha-vehivavy na maha lehilahy. Ahitana andininy 23 izany volavolan-dàlana izany, ka mizara lohateny 4 ahitana ka ny lohateny voalohany dia mamaritra ny atao hoe herisetra vokatry ny fahasamihafana mifototra amin’ny mahavehivavy na maha lehilahy; ny lohateny faharoa mitanisa ireo fehezandàlana famaizana mihatra amin’ireo manao ny herisetra; ny lohateny fahatelo milaza ireo fiarovana sy fanampiana ireo iharan’ny herisetra ary ny lohateny faha efatra ny fampiharana ny lalàna manerana ny tany sy ny firenena.

    Araky ny volavolan-dalàna naroson’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana ary ny asa vaventy:

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dàlana mamatsy ara-bola ny tetikasa PACT (Projet d’Appui à la Connectivité des Transports) eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena ho an’ireo asa fanamboaran-dàlana.

  • III- FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitsarana:

    • Atoa RANADALISON Angelo, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara
  • IV- DINIKA SAMIHAFA:

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia namaritra ny famerana ireo fanontofana tany atao manemitra ny làlana « By Pass » izay tsy maintsy handraisana fepetra entitra tsy ho ela.

Natao androany faha 4 desambra 2019

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana