FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 20 NOVAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Mangataka ny hanaovana tsirika manokana ny kaonty sy ny fampiasam-bola ary ny fitantanana eo anivon’ny QMM ny fanjakana Malagasy

    Manana petrabola 20% ao anatin’ny orinasa QMM ny fanjakana malagasy araka ny fifanarahana natao tamin’ny taona 1998. Mangataka ny hanaovana tsirika manokana ny kaonty sy ny fampiasam-bola ary ny fitantanana eo anivon’ny QMM ny fanjakana malagasy mba ahafantarana ny vokatry ny fitrandrahana sy ny tombontsoa nentin’ny orinasa teto amin’ny firenena ary ny vokatra azo nandritra ny 21 taona niasany teto. Io no tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany raha nitondra ny tatitra sy nampahafantatra ny fizotran’ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa an’i RIO TINTO ity eto amintsika ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika.

    40,8 miliara ariary hiatrehana ny loza voajanahary sy ny fananterahana ny PIC 2.2:

    Neken’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dàlana ahafahana mahazo ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD mikasika ny fandaharanasa « Catastrophe Deferred Drawdown Option » izay mitentina 10 tapitrisa Euro na 40,8 miliara ariary. Io dia famatsiam-bola entina manamafy ny asa tanterahana miatrika ny loza voajanahary izay saika mandavantaona mitranga eto Madagasikara. Nankatoavina ny didim-panjakana entina manatanteraka ny « Plans de Réinstallation Involontaire » tafiditra ao anaty PIC 2.2 hoan’ireo asa fanamboaran-dàlana na fanitarana na fampidiran-drano fisotro madio hoan’ny tananan’Antsiranana, Ambanja, Nosy Be, Sainte Marie ary Toliara.

  • II- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy :

    • Atoa Mamy Rakotondrainibe, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNAPS

     

Natao androany 20 novambra 2019,

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana