FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA ALAROBIA 2 OKTOBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Nanome toromarika ny Filohan'ny Repoblika ny handraisana fepetra hentitra mba tsy hiverenan'ny afo intsony any Ankarafantsika. Ilaina ny fifehezana maika mba tsy hisy afo mirehitra intsony na sanatria mbola firehetan'ny afo vaovao indray ka hanetsehana ireo fitaovana rehetra, na avy eto an-toerana na avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka avy any ivelany ahafahana mamono haingana dia haingana izay mbola mety afo mipoitra na ivelan'ny "parc" na anatiny. Ao anatin'izany indrindra dia hitarika fivoriana maika miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka vahiny ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta miaraka amin'ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny alakamisy 3 oktobra 2019, mba hitadiavana vahaolana maharitra amin'ny fahamaizana miverimberina any Ankarafantsika sy amin'ireo valan-java-boahary arovana eto Madagasikara.

    Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana fanentanana mahery vaika ireo olom-pirenena rehetra koa ny Filohan'ny Repoblika (campagne nationale de sensibilisation) mba tsy handoro tanety ka hanasaziana mafy izay tratra. Marihana fa efa nisy ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro filaminana sy ireo tompon'andraikim-panjakana any an-toerana ka efa nisy ny fisamborana ireo ahiahiana ho nandoro tanety tany Ankarafantsika

  • II- FAMPITAM-BAOVAO

    Ny minisiteran'ny raharaham-bahiny

    • Fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fihaonana an-tampony voalohany Russie-Afrique ny 23 sy 24 oktobra 2019 any Sotchi Rosia.
    • Fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny fikaonan-doha faha-enina handinihana ny fampiasana ny tahirim-bola maneran-tany entina hiadiana amin'ny aretina SIDA, ny raboka ary ny tazomoka, hatao any Lyon Frantsa ny 09 sy 10 oktobra 2019.

    Ny minisiteran’ny Fitsarana

    • Fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny fivorian'ny vondron'asan'ny firenena mikambana (ONU) andiany faha-34 handinihana ny fanajana ny zon'olombelona maneran-tany, sy hankatoavana ny tatitra nasionaly faha-3 eo anatrehan'ny Filan-kevitry ny zon'olombelona, hatao ny 11 sy 14 novambra 2019 any amin'ny Ofisin'ny Firenena Mikambana any Genève, Suisse.

    Ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy

    • Fankatoavana ny fahazoan-dalana manokana hamindra ampahana tanin'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena any Antsiranana ho an'ny EKAR arsidiosezin'Antsiranana.

    Ny minisiteran'ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo

    • Fankatoavana ny tetikasa fanamafisana sy fanitarana ny tambazotrana herinaratra eto Antananarivo antsoina hoe "Ring Grand Tana".
  • III- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny raharaham-bahiny

    • Didim-panjakana mamorona sy manokatra masoivoho ara-diplomatika any Rabat, Maroc.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola

    • Didim-panjakana manova ny didim-panjakana lf 99-606 tamin'ny 06 aogositra 1999 mikasika ny famerana ny faritra iasan'ireo masoivoho ara-diplomatikan'i Repoblikan'i Madagasikara any ivelany.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola

    • Didim-panjakana mikasika ny famenoana ny mety ho fandaniana sy ny vinavina ny vola hiditra hanamafisana ny famakafakana ny mety hamparefo ny rafitra sy hampiroborobo ny toe-karena manga etsy andaniny ary hanetsika ny fidiram-bolam-panjakana etsy ankilany araka ny nofaritan'ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana 2019 eo anivon'ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana

    • Didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin'ny didim-panjakana lf 2018-293 tamin'ny 4 aprily 2018, novaina sy nampian'ny didim-panjakana lf 2018-428 tamin'ny 9 mai 2018 mamaritra vonjy maika ny tambi-karama omena ny tompon'andraikitra mpanatanteraka eny anivon'ny faritra.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina

    • Didim-panjakana hanaovana fangatahana ireo hazo voamboana miaty 350 m3 izay nogiazana ka notehirizina any amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga nanomboka ny 2011. Ireo hazo sarobidy ireo dia ilaina amin'ny fanamboarana ny Rovan'Antananarivo, indrindra ny Lapan'i Manjakamiadana sy ny Lapan'i Besakana.
      Marihana fa ireo hazo sarobidy ireo dia saika haondrana an-tsokosoko tamin'ny 2011, na dia efa nisy aza ny lalàna nivoaka tamin'ny 2010 ny tsy ahazoana intsony manapaka, mitatitra ary manondrana ireo hazo sarobidy. Efa voasambotra ary any amponja ireo olona saika hanondrana an-tsokosoko ireo.
      Marihana fa efa nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ihany koa ny fahafahana mampiasa ireo hazo voamboana nogiazana ireo amin'ny asa famitàna ny Rovan'Antananarivo. Taorian'izay dia nangataka tamin'ny fitsarana tany Mahajanga ny minisiteran'ny tontolo iainana ny mba hamerenana ny hazo aminy, efa nahazo rariny tamin'ny fitsarana ny minisitera tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana lf 1440 tamin'ny 23 septambra 2019 lasa teo nandidy ny famerenana ny hazo amin'ny "direction de la lutte contre les menaces environnementales et des contentieux forestiers Boeny", izay sampan-draharaham-paritry ny minisiteran'ny tontolo iainana. Nisy nanao fanohanana anefa io didim-pitsarana io ka mbola nihantona ny fanatanterahana azy. Ny zavamisy kosa anefa dia tsy olona ao anatin'ireo voampanga nanao ny fanondranana an-tsokosoko mbola any am-ponja ilay nanao ny fanohanana kanefa dia mitaky ny fangalana ireo hazo sarobidy ireo.
      Manoloana ny hamehana dia nampihatra ny voalazan'ny lalàna lf 69-015 tamin'ny 16 desambra 1969 mikasika ny fakàna olona sy fanana (réquisition des personnes et des biens) ny fitondrampanjakana araka ny voalazan'ny andininy voalohany izay milaza fa azon'ny fanjakana atao ny manao "réquisition" ho an'ny fiarovana ny tombontsoan'ny firenena (la réquisition de propriété peut peut être effectuée pour sauvegarder les intérêts de la Nation). Ny andininy faha-20 amin'io lalàna io ihany dia milaza fa tsy maintsy amin'ny alalan'ny didim-panjakana raisina ao anatin'ny filan-kevitry ny minisitra no hanapahana ny fanaovana "réquisition". Marihana ihany koa fa nanjavona tsikelikely tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga ireo hazo izay nogiazana ireo ka maika ny famerenana azy amin'ny fanjakana mba ho fiarovana ireo harem-pirenena saika haondrana an-tsokosoko ireo.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina

    • Fankatoavana ny volavolan-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin'ny lalàna lf 2016- 029 tamin'ny 14 jolay 2016 mifehy ny fifandraisana amin'ny haino aman-jery (code de la communication médiatisée).
      Tahaka ny tany amin'ny filan-kevitry ny governemanta dia tsy nanisy fanovàna izany rijan-teny izany ihany koa ny filan-kevitry ny ministra raha nandinika sy nankatoa izany. Mifarana eo ny dingana eny anivon'ny mpanatanteraka ka ho azo aroso araka izany eny anivon'ny parlementa amin'izay ity volavolan-dalàna manitsy ny fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana amin'ny haino aman-jery ity.
  • IV- FANAFOANANA

    Araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo

    • Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny Tale jeneralin'ny AES (Alimentation en Eau dans le Sud).

    Araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana

    • Nofoanana ny didim-panjakana rehetra manendry ireo sekretera jeneraly sy tale isan-tokony, DAGT (directeurs de l'administration générale du territoire) sy DDR (directeurs du développement régional) ho an'ny faritra SAVA, Menabe, Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Matsiatra Ambony, Itasy, Atsimo Atsinanana ary Sofia.