FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 28 Jona 2019

« NY DIDY HITSIVOLANA FARANY NAVOAKAN’NY FILOHAM-PIRENENA AMIN’NY ALALAN’NY FAHEFANA MANOKANA NOMEN’NY ANTENIMIERA AZY NY MIKASIKA NY FANAGIAZANA SY FAMERANANA IREO VOLA SY FANANANA TSY MANARA-DALANA NA ILAY ANTSOINA HOE « Recouvrement des avoirs illicites »

Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra androany 28 Jona 2019 ny didy hitsivolana mamaritra ny fahafahana mitaky, migeja ary mamerina ireo vola azo amin’ny fomba tsy manaradalàna na ilay antsoina hoe recouvrement des avoirs illicites.

Misy andininy 35 izany didy hitsivolana izany ary mamaritra ny fomba sy paika ahafahana manatanteraka ny fanagiazana sy fameranana izany vola azo amin’ny fomba tsy manara-dàlana izany, izay mifaritra toy izao :

  • Antsoina hoe vola azo avy amin’ny fomba fanao tsy manara-dàlana ny fananana azo vokatry ny fanodikodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly, ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola entina mampihorohoro.
  • Ny fanjakana no manana ny fahefana hanenjika ireo manao izany sy hampamerina ny vola. Ity didy hitsivolana ity dia mamaritra fa azon’ny fanjakana avy hatrany ny mihazona, ny fananan’ireo izay tratra mandika lalàna ka nanao kolikoly, na nanodikodina volampanjakana, na namotsy vola na ihany koa mamatsy vola ireo mpampihorohoro.
  • Ny fampanoavana no hanenjika ireo voarohirohy amin’izany ary ny antsoina hoe Chambre du gel, de la saisie et de la confiscation des avoirs ho an’ireo ambaratongampitsarana mahefa no hamoaka ny didy fihazonana ireo fananana sy volan’ireo izay tratra amin’izany. Tsy ho azon’iza na iza ampiasaina ireo fananana na vola voatazona. Raha misy kosa ny fahafahana madiodion’ireo izay voarohirohy amin’izany dia haverina mainy tanteraka ny fananany afatsy ny fitaovam-piadiana, sy zava-mahadomelina. Rehefa mety ho fananan’ireo voampanga amin’ny raharaha dia hogiazana avokoa.
  • Ireo rehetra mamoaka ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny fanenjehana manodidina ny raharaha fanagiazana fananana vokatry ny fandikan-dàlana sy ny fiahiahiana ho manangon-karena noho ny tsy fanarahan-dàlana dia hiharan’ny sazy 1 taona ka hatramin’ny 5 taona antranomaizina ary mandoa onitra 10 ka hatramin’ny 100 Tapitrisa ariary. Ireo sampan-draharaha mitantam-bola ka mandà ny hanatanterahana ny fanagiazana ireo fananana ahiahiana ho azo amin’ny tsy ara-dàlana dia handoa onitra sy iharan’ny sazy tahaka io voalaza io ihany koa.
  • Hisy ny foibe manokana iandraikitra ny fitanana ireo fananana nogiazana vokatry ny fandikan-dàlana izay mbola hofaritan’ny diidm-panjakana raisina anaty filankevitry ny minisitra. Ny ambaratongam-pitsarana mahefa manerana ny tany sy ny firenena dia afaka manao io fanenjehana io avokoa raha toa ka tsy misy ny amratongam-pitsarana manokana natao hanapaka amini’izany.

Io no didy hitsivolana farany navoakan’ny filohan’ny Repoblika araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, noho ilay fahefana nomen’ny Antenimieram-pirenena azy ny 15 Febroary 2019 izay tapitra mialoha ny faran’ny volana jona 2019. Mbola alefa any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ity didy hitsivolana ity hojereny raha mifanaraka amin’ny lalam-panorenana mialoha ny hampiharana azy izay azo hampiharina avy hatrany hoan’ireo antotantaratasin’ady mbola tsy nisy fanapahana farany navoakan’ny fitsarana.

Natao androany 28 Jona 2019

Ny sampandraharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika