TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 07 febroary 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 07 febroary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Notohizana hatrany ny fampitana am-bava ho fampahafantarana ny fandaharanasa ao anatin’ny 100 andro voalohany :

    • MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA :

    - Fanamaivanana ny dingana ara-panjakana amin’ny tsenan’asam-panjakana :

    Maro ao anatin’ireo didy aman-dalàna mikasika ny tsenan’asam-panjakana no tsy ampiharina loatra na dia ireo mamaritra fanamaivanana aza, noho ny antony na tsy fahafantaran’ny mpisehatra amin’ny famoaham-bolam-panjakana (acteurs budgétaires) azy ireo na ny tsy fisian’ny fanazavana ny fomba fampiasa (manuel de procédure) momba ireo dingana samihafa ilaina. Ohatra amin’izany ny fisian’ny tranga azo ampihenana ny fanaovana tolo-bidy ho 15 andro raha 30 andro no fanao, fa tsy maintsy ankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra kosa, ny fampiasana ny dingana noho ny hamehana amin’ny fanaovana tolo-bidy (appel d’offres restreint en urgence), ary ny fanaovana ny fakan-kevitra mivantana na “consultations“. Eo koa ny fampiasana ny “contrat cadre” amin’ny fandaniana miverimberina, ny tsenam-barom-panjakana hanaovana kaomandy mialoha (marches à commande), ary ny fampiasana ny “e-GP” ao anatin’ny rindram-baiko mifehy ny fanaovana tsenan’asam-panjakana (SIGMP).

    Misy ary tohizana ny fampahafantarana bebe kokoa ireo mpisehatra eo amin’ny tetibolam-panjakana (acteurs budgétaires) isaky ny minisitera sy andrim-panjakana samihafa ireo fanamaivanana samihafa ireo, efa nanomboka tamin’ny 5 febroary ary hitohy hatramin’ny 16 Febroary 2024 ho avy izao.

    Tsy maintsy atao ao anatin’ny 100 ihany koa ny famolavolana rijan-tenin-dalàna hanova ny andininy sasantsasany izay hita fa mampavesatra ny dingana samihafa amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana.

    - Fanafainganana ny famoaham-bola azo avy amin’ny fanampiana avy any ivelany :

    Hatreto dia ambany dia ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana avy any ivelany eto Madagasikara. Ilaina vahaolana izany, satria ny zavatra tsapa dia mavesatra ny pitsopitsony ary tsy ampy ny fanarahamaso ny fanatanterahana ny fifanaraham-pampindrama-bola (72%) na fifanaraham-panomezana fanampiana ara-bola (28%) avy any ivelany. Anisan’ny olana goavana ary tena mavesatra ny fisiana karazana pitsopitsony 2 samihafa dia ny fanaovana ny fandaniana (execution des dépenses) izay takian’ny fifanaraham-pamatsiam-bola amin’ny ankapobeny andaniny, sy ny fanaovana ny “régularisation budgétaire” rehefa manatanteraka ny fandaniana an’ireny vola fanampiana avy any ivelany ireny, takian’ny lalànantsika eto Madagasikara.

    Anisan’ny vahaolana aroso ny famadihana ny fanatanterahana ny tetikasa ho sampan-draharaha “services opérationnels d’activités” (SOA) ka hametrahana “acteurs budgétaires” tsy manao afatsy ny fandaniana amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, ny “coordonnateurs de projets” eny anivon’ny minisitera araka izany no tendrena ho “gestionnaires d’activités” ary manendry olona manokana hisahana ny asana “ordonnateurs secondaires”.

    Hisy ihany koa ny fametrahana “trésorerie principale en charge des financements extérieurs » izay tsy hikirakira afatsy ny vola avy amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’izay ny fanaovana fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola mba ho karazana pitsopitsony iray ihany no hampiharina indrindra amin’ny fanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana amin’ireny famatsiam-bola avy any ivelany ireny. Torak’izany koa ny fampihenana ny fe-potoana andalovan’ny antontan-taratasy any amin’ny BSE eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

    Vahaolana hafa ihany koa ny famindrana iray manontolo ny vola izay efa azo (fonds décaissés) avy any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara mankany amin’ireo kaonty manokana “comptes de transaction”.

    Santionany amin’ireo vahaolana lehibe entina manafaingana ny fampiasam-bola azo avy any ivelany ireo, fa toromarika no nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanaovana ny fomba rehetra hampiakarana ny tahan’ny famoaham-bola avy amin’ireo famatsiam-bola avy any ivelany ireo, ary anisan’ny laharam-pahamehana izany ao anatin’ny 100 andro.

    - Fanamarinan-toerana ny Ariary :

    Hatreto dia anisan’ny antony mampitontongana ny vola Malagasy ny tsy fahampian’ny famerenam-bola avy any ivelany (rapatriement de devises) ka tanjona apetraka ao anatin’ny 100 andro ny fampiakarana ny tahan’ny famerenana vola avy any ivelany (taux de rapatriement de devises) ho 86%. Mila jerena manokana koa ny fanaraha-maso ny fivoaham-bola mankany ivelany amin’ny alalan’ny fifehezana ny fanafarana entana avy any ivelany sy ny fandefasana vola vahiny eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID) ho an’ireo orinasa voakasik’izany. Ny zava-misy dia misy orinasa manana fahazoan-dalana hisehatra amin’ny afak’haba (zones franches) kanefa lasa manafatra vary ka mazava ho azy fa lasa tsy voakasiky ny fepetra eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID). Ny tanjona dia ny hampiakarana ny tahan’ny fandefasana vola ao anatin’ny MID (taux de cessions de devises sur le MID) ho 76%.

    • MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO :

    Tohin’ny soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo anivon’ity minisitera ity, izay efa nankatoavina teo aloha tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ireto avy ny fivoaran’ireo asa efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hotanterahina maika :

    - Fampihodinana ny tobim-pamokarana angovo (centrale thermique) hanana tanjaka 105MW : manomana ny fandefasana ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ankehitriny, ary manamafy ny lalana mankany amin’ny toerana hametrahana ny tobim-pamokarana, sy ny fiarovana ireo fitaovana vonjimaika efa any an-toerana.

    - Famatsiana herinaratra ny faritra ambanivohitra : toby mamokatra herinaratra amin’ny herin’ny masoandro (centrales solaires) amina toerana miisa 27 no kendrena hatao ka toerana 4 ankehitriny no efa nahavitana 100% ny asa fametrahana (Tanandava Morondava, Marovato sy Ambohitrandriana Ambanja, Ampondralava Ambilobe ) ary efa nanaovana fandraisana ara-teknika. Misy koa fametrahana tambajotra madinika mamokatra herinaratra (nano réseaux solaires) amin’ny toerana miisa 20, ka toerana 2 ihany koa (Belamoty Betioky sy Befandriana Atsimo Morombe) no efa miditra andrana ny fampandehanana azy, izany hoe vita 90% ny asa.

    - Fizarana ireo kojakoja hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo tokantrano marefo : raha tsiahivina dia 200.000 no kendrena ho voazara amin’ny faritra 13 manerana ny Nosy, ka efa nandeha ny tolo-bidy ary miandry ny « avis de non objection » avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ankehitriny.

    - Tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 47 : ny tapaky ny volana Febroary sy ny Martsa 2024 no hifanesy ho tonga ireo fitaovana amin’izany, kaontenera miisa 300 no andrasana ho tonga. Amin’ny volana Aprily no hanomboka ny fanapariahana azy ireo manerana an’i Madagasikara amin’ny distrika izay voakasika.

    - Fametrahana “lampadaires solaires” amin’ireo andrin-jiro JIRAMA amin’ireo tanana efa voafaritra mialoha : 1.500 isa no tanjona, efa 376 no tafapetraka ankehitriny ary mbola mitohy ny asa ankehitriny.

    - Tetikasa “branchements mora” izay kendrena ho tokantrano miisa 50.000 no hampidirana azy ao anatin’ny 100 andro : Efa misy kaontera aloa vola mialoha (compteurs prépayés) miisa 25.000 no tonga eto Madagasikara ankehitriny, ary efa misy 6.947 no tafapetraka amina kaominina miisa 7 eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitohy any amin’ny faritra samihafa ny fampidirana izany kaontera aloa vola mialoha izany.

    - Fananganana tobim-pamokarana herinaratra “hybrides” hahazoana angovo manana tanjaka 1MW ho an’i Sainte-Marie, sy 1,5 Mw ho an’i Mananara Avaratra : efa andalana ny fanamboarana ireo andrin-jiro, efa nalefa avokoa ireo kaomandin’ny fampitaovana ilaina any amin’ny orinasa mpanamboatra izany.

    - Fanoloana ireo andrin-jiro hazo efa lò ho “béton”: andrin-jiro miisa 1.000 no kendrena ho tafapetraka ao anatin’ny 100 andro, 81 no efa tafapetraka hatramin’ny andro androany.

    - Asa fampidirana herinaratra amin’ireo toerana hanaovana tetikasa sosialy andrana “Miarina” sy “Fieferamanga”: efa tonga any Fieferamanga ireo andrin-jiro ilaina, efa vita tanteraka ny drafitra ary mandeha ihany koa ny fanaovana tombam-bidy amin’ny fandaniana rehetra ilaina.

    - Fampidirana fitaovana manome herinaratra azo avy amin’ny masoandro (kits solaires) amin’ireo tobim-pahasalamana CSB miparitaka manerana ny Nosy : 453 no tanjona hotratrarina, efa vonona ny fifanarahana tamin’ny mpamatsy ny fitaovana taorian’ny tolo-bidy, ny 15 Febroary 2024 izao no hosoniavina izany ka 45 andro aorian’izay no ho fanolorana ny fitaovana rehetra. Izany hoe amin’ny faran’ny volana Mars 2024 dia efa hisy ireo CSB hisitraka ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao anatin’ity tetikasa ity.

    • MINISITERAN’NY FAMPANDROSOANA ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Tohin’ny soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo anivon’ity minisitera ity, izay efa nankatoavina teo aloha tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa, dia ireto indray ny tanjona faritana manaraka :

    - Laharam-pahamehana voalohany : Tokantrano miisa 79.678 no ho voakasiky ny fizarana ny karinem-pokontany misy “QR Code” amin’ny kaominina ambonivohitra Sainte-Marie, Antsirabe ary Miarinarivo.

    - Laharam-pahamehana faharoa : Tokantrano miisa 412.221 no ho voakasiky ny fizarana karinem-pokontany amin’ny distrika 5 eto amin’ny faritra Analamanga.

    - Laharam-pahamehana fahatelo : tokantrano miisa 2.082.221 amin’ny distrika ambiny 103 ivelan’ny faritra Analamanga no ho voakasiky ny fizarana karinem-pokontany.

    Mila mametraka fomba fiasa maty paika amin’ny fizarana ireo karinem-pokontany ireo, ka hisy ny fiarahamiasa eo amin’ireo Ministera maromaro amin’izany.

    Anisan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny asa tanterahina 100 andro ny fanomezana ny famantarana tokana (Identification Unique) ho an’ny olompirenena malagasy tsirairay. Atao tetikasa andrana moa ny terabao, ka efa natomboka tamin’ny faran’ny taona ny fandraisana ny mombamomba ireo zaza vao teraka rehetra, hahafahana manome azy ireo izay famantarana tokana izay. Hatreto dia 6.140 ny isan’ny terabao efa manana ny “identification unique” ka ny tao amin’ny hopitaly Befelatanana, boriborintany faha-4 Antananarivo renivohitra, tany Toamasina I sy Toamasina II tao anatin’izay tetikasa andrana izay. Aorian’ny andrana dia hihitatra manerana ny Nosy ny tetikasa ka ny Banky iraisam-pirenena no hamatsy vola izany, amin’ny alalan’ny fandaharanasa PRODIGY.

    MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fanesorana ny tany amin’ny foloalindahy (désaffectation) ka alefa averina amin’ny Fanjakana Malagasy, satria hanatanterahana tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Eny akaikin’ny seranam-piaramandina Ivato ireo tany ireo, antsoina hoe « base aérienne d’Ivato” mitondra ny laharana TN°25.30-H, mirefy 83 Ara 53 santiara sy « extension de la bas aérienne d’Ivato » TN°38.70-H mirefy 1 Hektara 8 Ara 20 Santiara ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Ivato, distrika Ambohidratrimo. Efa nanome ny heviny ny minisiteran’ny fizahan-tany, araka ny drafi-pampandrosoana ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato, fa tsy tafiditra ao anatin’ny faritra tantanan’ny « Ravinala Airport » ireo velaran-tany ireo, ny minisiteran’ny foloalindahy rahateo koa tsy mitsipaka ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena ka azo irosoana ny famerenana ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanasoniavana ny fifanaraham-piarahamiasa vaovao eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny Firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika (OEACP), izay antsoina hoe « Accord de Samoa ». Raha tsiahivina dia tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny mpikambana ao amin’ny OEACP tamin’ny 18 Jolay 2023 tany Bruxelles Belgique, no tapaka ny hanaovana an’io sonia io ho an’ireo firenena mpikambana rehetra. I Madagasikara anefa mbola tsy afaka nanao sonia noho ny vanim-potoanan’ny fifidianana izay tsy nisiana Filoham-pirenena voafidy fa Governemanta nitantan-draharaham-panjakana andavanandro no nanao ny asa ka tsy afaka nanao sonia mamatotra ny firenena mihitsy, araka ny voalazan’ny lalam-panorenana. Ny datin’ny 18 Janoary 2024, dia efa firenena 27 ao anatin’ny Vondrona Eoropeana, 65 amin’ireo 79 mpikambana amin’ny OEACP ka 42 amin’ireo no firenena afrikana, no efa nanasonia. Noho ny tsy mbola nahavitan’ny sonia ho an’i Madagasikara dia tsy afaka mandray anjara amin’ny resaka fiarahamiasa ao anatin’ny OEACP-UE isika, nanomboka ny 31 Desambra 2023. Miato ihany koa mandram-pahavitan’ny sonia ny fiarahamiasa vaovao amin’ny Banky Eoropeana amin’ny Fampiasam-bola (BEI). Misokatra hatramin’ny 24 Mey 2024 ny fahafahana manao sonia ka hiroso amin’izany avy hatrany isika aorian’ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity. 

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny Kolikoly (SNLCC) vaovao, satria ao anatin’ny taona farany fampiharana ny paikady nandritra ny 10 taona i Madagasikara ankehitriny (SNLCC 2015-2025). Maharitra fotoana lavalava moa ny famolavolana izany paikady vaovao izany, satria andraisan’ny rehetra anjara tahaka ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, ka kendrena ho amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny 9 desambra 2024 no hampahafantarina ny paikady vaovao ho amin’ny 10 taona manaraka indray.

    Ireto avy ny dingana arahina amin’ny famolavolana ity SNLCC vaovao ity:

    - Tombana sy jery todika ny paikady teo aloha, mba hahalalana izay sakana nisy ary hanitsiana izay tsy nety amin’ny paikady vaovao.

    - Fananganana komity hitarika ny famolavolana (comité de pilotage) izay hanao tatitra isam-potoana amin’ny Filohan’ny Repoblika. Famaritana ny tanjona vaovao, mamaritra ny laharam-pahamehana ao anatin’ny antonona sy lavitra ezaka, ary fanohizana ny ezaka efa natomboka ao anatin’izao 100 andro voalohan’ny Governamanta izao.

    - Famolavolana drafi-panatanterahana ny paikady vaovao, sy ny drafi-panarahamaso sy tombana ny fanatanterahana.

    Marihana fa ny Filohan’ny CSI (Comité de Sauvegarde de l’intégrité) no mitarika ny komity hitarika ny famolavolana (comité de pilotage), ary ahitana solotenan’ny Filohan’ny Repoblika, ny solotenan’ny Praiminisitra, ny solotenan’ny Governemanta, ny Tale Jeneralin’ny ARAI sy ny Rafitra samihafa miady amin’ny Kolikoly eto amin’ny firenena. Ny PNUD sy ny ONUDC no manohana ara-teknika sy ara-bola ny famolavolana. Amin’ny alalan’ny didim-pitondrana no hananganana ny komity.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fehin-kevitra nataon’ny iraky teknikan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena eto Madagasikara tamin’ny 30 janoary ka hatramin’ny 02 Febroary 2024, mikasika ny fifanaraham-pamatsiambola mitentina 219,96 tapitrisa DTS ao anatin’ny fandaharanasa FEC, izay natao sonia ny 29 mars 2021. Hifarana amin’ny volana Jolay 2024 io fandaharanasa io, efa nisy iraka tombana niisa 4 teo aloha, nahafahana namoaka vola hatramin’ny 171,08 tapitrisa DTS ka mbola hisy iraka faha-5 mialohan’ny fahataperany.

    Raha tsiahivina dia efa nandefa fangatahana famatsiambola ao anatin’ny fandaharanasa « Facilité pour la Résilience et la Durabilité- FRD » ihany koa i Madagasikara tamin’ny 2023, ho fanampin’ny FEC, izay tsy maintsy mirafitra amina fandaharanasa efa mandeha ka mbola maharitra 18 volana farafahakeliny. Ny fepetra ahafahana misitraka ny FRD ihany koa dia ny fahombiazan’ny FEC, miankina amin’ireo fanavaozana ataon’ny Fanjakana ihany koa ny tahan’ny famatsiam-bola vaovao ho azo. Koa satria moa miompana betsaka amin’ny resaka fiovaovan’ny toetrandro ny fandaharanasa vaovao, dia manolo-kevitra ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny minisiteran’ny fitantanam-bola mba hamaranana tanteraka ny fandaharanasa FEC, mba tsy hahavoatery antsika hanitatra azy 18 volana fanampiny araka ny fepetra takian’ny FRD, ka hifanarahana amina fandaharanasa vaovao tanteraka mihitsy. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia handefa taratasy amin’ny FMI araka izany ny Fanjakana Malagasy hanazava ireo vina vaovao entin’Andriamatoa Filoha amin’izao fepotoam-piasany vaovao izao, ka tokony hifanaraka amin’izay ny fiarahamiasa amin’ireo mpamatsy vola. Mifandraika amin’izay ihany koa dia hisy fifampiraharahana hatao mba haharitra 36 volana ny fandaharanasa vaovao manaraka izay hiarahana amin’ny FMI. 

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny « Exposition Universelle 2025 » ny 13 Aprily ka hatramin’ny 13 Oktobra 2025 any OSAKA Japon. Ity hetsika ity dia karakarain’ny Governemanta Japoney natao hampafantarana ny tetikadin’i Japon amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy fivoarana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Hahafahan’i Madagasikara mampahafantatra ny zavamisy eto amin’ny firenentsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa izany, misy rahateo ny tohana ara-bola azon’ny Japoney entina ho an’ireo firenena andalam-pandrosoana handray anjara.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Mbola tsy misy ny trangana choléra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ary efa mandray ny andraikitra rehetra ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisorohana ny fahatongavany sy ny fiparitahany eto Madagasikara.

    Efa misy araka izany ny fanarahamaso ara-pahasalamana amin’ireo toeram-pidirana rehetra ahiana eto Madagasikara, ka nananganana « andrimasom-pokonolona » manampy ireo mpanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Tsy maintsy hanaovana « desinfection » sy « desinsectisation » daholo ireo sambo sy fiaramanidina rehetra, apetraka koa ny fitaovam-panadiovana sy fidiovana ny tanana, sy ny faladia tahaka ny fampiasana ny « gel hydroalcoolique », ary tsy maintsy hanaovana « désinfection » ihany koa ny entana rehetra sy ny entana an-tanana entin’ny mpandeha anaty fiaramanidina (bagages à main). Mbola hisy ny filan-kevitry ny minisitra manokana handraisana ny fepetra mafimafy kokoa mikasika ny fitaterana an-dranomasina, indrindra ireo sambo madinika na botry avy amin’ireo firenena manamorona ny ranomasina manakaiky antsika ka efa misy valan’aretina.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ny sambo hopitaly lehibe “MERCY SHIPS” amin’ny taona 2024 ity. Faninefany amin’izao nanomboka ny taona 1996 no tonga eto Madagasikara, hanao fitsaboana ity sambo hopitaly ity, ao Toamasina izy no hiantsoana, ary amin’ity volana Febroary 2024 ity no andrasana ny fahatongavany. Haharitra 10 volana ny fijanonany eto amintsika, sady hanao fitsaboana, fandidiana, no hampiofana ireo matihanina amin’ny fitsaboana mba hanamafisanana ny fahaiza-manaon’izy ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny fandidiana. Fandidiana miisa 1.150 no kendrena ho vita mandritra ny fijanonany eto. Asiana mpitandro filaminana kosa manara-maso ny zava-misy rehetra ao anatin’ny sambo.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo kojakoja sy fitaovana ilaina amin’ny fanarahamaso (monitoring) ny foibe famokarana herinaratra an’ny orinasa JIRAMA miisa 21 manerana an’i Madagasikara tafiditra ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fandaharanasa fanarahamaso apetraka eo anivon’ity orinasam-panjakana ity.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasa ny tetibolan’ny Minisitera handoavana ireo asa jeoteknika fampanaraham-penitra tafiditra ao anatin’ny fifanarahana « Convention de Maîtrise d’Ouvrage Déléguée (CMOD) 2023 » eo amin’ny Minisitera sy ny Laboratoaram-pirenena mikasika ny asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB) izay novatsian’ny Tahirim-bola mikasika ny lalana vola.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasa ny tetibolan’ny Minisiteran’ny asa vaventy mba hanatanterahana ny asa fikojakojana ny lalana « TEAC » amin’ny lalampirenena RNS5 amin’ny ampahany tafiditra an-tanan-dehibe ao Toamasina eo anelanelan’ny PK 0 + 000 (carrefour Saint Paul) sy ny PK 4 + 000 (Jovena Ambalamanasy), izay vatsian’ny Tahirimbola momba ny lalana vola.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana santatra na “Mémorandum Of Understanding (MoU)” eo amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) sy I Qatar, mba hametrahana zotram-piaramanidina mampitohy mivantana an’i Madagsikara sy Doha Qatar, izay hisy fifamezivezena impito isan-kerinandro. Ny tanjona dia ny mba hampitomboana ny isan’ny mpizahan-tany eto Madagasikara, izay raha tsiahivina dia 1.000.000 ao anatin’ny 5 taona no nofaritan’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Ity endrim-pifanarahana santatra ity dia mamaritra ny lasitra araky ny lalàna amin’ny fisian’izay zotram-piaramanidina izay, fa tsy maintsy ny firenena 2 tonta no manao ny fifanarahana tena izy. Tsy mijanona eo amin’ny zotram-piaramanidina ihany ny ho fifanarahana fa azo ehverina hihitatra amin’ny fananganana efitrano fandraisam-bahiny ihany koa.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenana ny fanamboarana ny faritra ZEP na « Zones d’Emergence Piscicole (ZEP) » any Lalangina Matsiatra Ambony, Ambositra Amoron’i Mania, Marovoay Boeny, Antanimora Atsimo Androy, Antsohihy Sofia, Analamanga, Anosy, Fitovinany, izay efa natomboka tamin’ny taona 2023. Tamin’ny taon-dasa tokoa dia efa nanomboka ireo asa ireo fa mbola tsy vita, ka mba ho fanatanterahana izany dia hisy fikitihana tetibola anatin’ny minisitera (aménagement de credits) araka ireo asa sy fampitaovana tsy maintsy hatao.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA+ MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERA DELEGE EO ANIVON’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana ny drafitrasa itambaran’ireio minisitera voatanisa eo ambony, ao anatin’ny fohy ezaka sy antonona ezaka ho entina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy nanaovana fampahafantarana sady tsy voafehin’ny lalàna eto Madagasikara (INN). Ny 02 febroary 2024 dia nahazo angom-baovao ny fanjakana Malagasy fa misy jono dingadingana na “concombres de mer” tsy ara-dalàna any amin’ny Nosy Providence Seychelles, 400 km avaratr’i Madagasikara, ka sambo malagasy no manao azy ireo. Ny 1 tamin’ireo sambo ireo dia voatazon’ny tompon’andraikitry ny sisin-dranomasin’I Seychelles ary ny 2 kosa dia tafatsoaka ka nianatsimo heverina fa nihazo an’i Madagasikara. Manoloana izany, taorian’ny fifanakalozana nisesisesy tamin’i Seychelles, dia misy mpanjono malagasy 73 no tratra ka nentina niakatra tany Victoria Seychelles aloha. Tokony hiverina eto Madagasikara, any amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ireo mpanjono tsy ara-dalàna ireo, ka hiatrika izany fampodiana izany ireo minisitera isan-tsokajiny ireo amin’ny pitsopitsony araky ny lalàna sy ara-pitsarana mikasika azy ireo mba handraisana sazy hentitra ho azy ireo. Ny tanjona dia ny handravana ny tambajotrana mpanao jono tsy aradalàna ireo.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny saran’ny fandefasana amin’ny fahitalavim-pirenena TVM ireo lalao baolina kitra andraisan’i BAREA Madagasikara anjara amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny fiadiana ny tompon-daka manerantany FIFA hatao amin’ny 2026.

     

     

  • II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa fanajariana famokarana herinaratra ao an-dRanomafana renirano Ikopa, izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Eximbank Chine tamin’ny 1 aogositra 2023.

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa « ANGOVO » famatsiana herinaratra any ambanivohitra, ho an’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) tamin’ny 24 Jolay 2023.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa fanajariana ny « Fly-over MAKI » fihaonan-dalana amin’ny lalana «Francophonie » sy ny « Boulevard de l’Europe » izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena aty afrika (BADEA) tamin’ny 11 oktobra 2023.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-772 tamin’ny 25 may 2022 ary anendrena an’Atoa RAMASIMBAMALAZA Olivier José Michel, ho “Directeur des Services Topographiques” eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-112 tamin’ny 21 janoary 2022 ary anendrena an-dRtoa RATELOSON Tahina Harisoa, ho « Directeur de la Planification et du Soutien au Territoire” eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany »
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RANDRIANOELY Martin, ho Tompon’andraikitry ny Vondrona misahana ny Fitondrana Tsara Tantana sy ny Ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

    MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2021-974 tamin’ny 29 septambra 2021 sy faha 2021-975 tamin’ny 29 septambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAKOTOARIVONONA Njivatiana, ho Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria eo anivon’nny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022-1409 tamin’ny 05 oktobra 2022 sy faha 2019-877 tamin’ny 24 aprily 2019 ary anendrena an-dRtoa RAMANGARISON Haingotiana Ida, ho Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao Boeny.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022-1412 tamin’ny 05 oktobra 2022 sy faha 2022-1416 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary anendrena an’Atoa RAZAFINIMARO Jocelin Richard, ho Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao Atsimo Andrefana.

    MINISTERAN’NY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-872 tamin’ny 08 jona 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTONDRAZAKA Tina José, ho “Directeur des Affaire Juridiques” eo anivon’ny Ministeran’ny ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-943 tamin’ny 22 jona 2022 ary anendrena an-Rtoa RAVOLATSARA Arlette Florine, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny. Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-692 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an’Atoa RANAIVOARIMANGA Sahoby, ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1060 tamin’ny 13 jolay 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTONIRINA Heriniaina, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-576 tamin’ny 20 aprily 2022 ary anendrena an-dRtoa RAZAFINDRAZAKA RAMAROSON Holy Alexandra, ho « Coordonnateur Général des Projets » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RANDRIANIRINA Rogesselin, ho “Coordonnateur de la Cellule d’Audit Interne et de Lutte contre la Corruption” eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-694 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an-dRtoa RAKOTOMALALA Vonimananarivo Maminirina, ho « Directeur de Programmation, de Suivi et d’Evaluation » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-577 tamin’ny 20 aprily 2022 ary anendrena an’Atoa RAJERISOA RASATA Mandimby Andriamanetsiarivo, ho « Directeur du Patrimoine et de la Logistique » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa FALIARISOA Luc Honoré, ho « Directeur de l’Incubation Professionnelle » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAKOTOARIVONJY Mandimbisoa, ho « Directeur des Relations Publiques » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-946 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an’Atoa ANDRIANASOLONIAINA Harivelo Andriamanga Richard, ho « Directeur de l’Innovation et du Développement Numérique » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-114 tamin’ny 21 janoary 2022 ary anendrena an’Atoa ANDRIAMISANDRATRA Maherisoa Harimanga, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Itasy
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2021-184 tamin’ny 17 febroary 2021 sy faha 2022-944 tamin’ny 22 jona 2022 ary anendrena an’Atoa TSIVAHINY Paubert, ho « Directeur du Programme Elargi de Vaccination » eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    MINISTERAN’NY MPONINA, SY NY FIRAISAN-KINA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1138 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary anendrena an-dRtoa HAVANIRINA Jolcette Emilienne, ho « Directeur de la Promotion de la Femme » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-934 tamin’ny 15 septambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia, ho Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-223 tamin’ny 24 febroary 2021 ary anendrena an’Atoa RAKOTOMALALA Eric, ho « Directeur des Patrimoines et des Affaires Financières » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-587 tamin’ny 26 may 2021 ary anendrena an’Atoa RANDRIAMIARINARIVO Jean Bruno Abel, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa SOUFALY Yvan Fabius, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.

    MINISTERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-638 tamin’ny 04 may 2022 ary anendrena an’Atoa RAMINOHARIJAONA Tojo Nantenaina, ho “Directeur des Systèmes d’Information et de la Communication” eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-909 tamin’ny 15 jona 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTOSON Franck Tantely, ho “Directeur de la Professionnalisation et de la Régulation Touristique” eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-725 tamin’ny 18 may 2022 ary anendrena an’Atoa BARIVELO Danny, ho « Directeur des Partenariats, des Projets et du Développement » eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2023-467 tamin’ny 26 aprily 2023 ary anendrena an-dRtoa RAJAONARIVO Lalao Mbolatiana, ho « Coordonnateur de la Cellule de la Coordination des Projets » eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1332 tamin’ny 24 novambra 2021 ary anendrena an’Atoa RATOVONDRAINY Léonard, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1241 tamin’ny 10 novambra 2021 ary anendrena an’Atoa ANDRINIONY Nomenjanahary, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Menabe.

    MINISTERAN’ NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1293 tamin’ny 17 novambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAMAROSON Cristelle, ho Tale Jeneralin’ny Asa eo anivon’ny Ministeran’ ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana

    MINISTERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY

    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAFENOMANANTSOA Miza, ho « Directeur de l’Audit Interne » eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa JACQUES Nestor, ho « Directeur des Inspections Minières » (DIM) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1260 tamin’ny 31 aogositra 2022 ary anendrena an’Atoa RALIDERA Tsiry Antenaina, ho « Directeur de la Promotion des Grandes Mines » (DPGM) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRtoa RAKOTOBE Mirana Hortensia, ho « Directeur de la Professionnalisation des Mines Artisanales » (DPMA) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany

    MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-711 tamin’ny 07 jolay 2021 ary anendrena an’Atoa RATRIMONIRINA Elias, ho Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-640 tamin’ny 4 may 2022 ary anendrena an-dRtoa RAMANAMBE Nathalie, ho « Directeur des Relations Publiques » eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RABOTOSON Anjarivo Victor Rudolph, ho « Directeur des Infrastructures Techniques de l’Office de la Radio et Télévision publique de Madagascar ».
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-1584 tamin’ny 25 novambra 2020 ary anendrena an’Atoa NIHERASON Dina Jerry Thimon, ho « Directeur de la Programmation, du Suivi et Evaluation » eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina de la Culture
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1250 tamin’ny 06 jona 2019 ary anendrena an’Atoa HARISON Stéphanio André, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Atsinanana.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISTERAN’NY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-304 tamin’ny 04 martsa 2020 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony eo anivon’ny Ministeran’ny. Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA:

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana nanendrena ireo Tale Jeneraly sy Tale sasantsasany eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa.

    MINISTERAN’NY MPONINA, SY NY FIRAISAN-KINA

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 535 tamin’ny 13 aprily 2022, faha 2019-1974 tamin’ny 16 oktobra 2019, faha 2023-980 tamin’ny 09 aogositra 2023, faha 2022-263 tamin’ny 23 febroary 2022, faha 2019-1075 tamin’ny 16 oktobra 2019, faha 2021-1137 tamin’ny 20 oktobra 2021, faha 2017-833 tamin’ny 13 septambra 2017, faha 2020-566 tamin’ny 27 may 2020 nanendrena ireo Tale eo anivon’ny Ministeran’ny ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy ;

 

Natao ny 07 febroary 2024

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa