TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 20 desambra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

Androany 20 desambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA, amin’ity fe-potoam-piasany vaovao ity.

Niarahaba azy tamin’ny anaran’ny Governemanta iray manontolo ny Praiminisitra lehiben’ny Governementa, Andriamatoa Christian NTSAY tamin’ny fametrahan’ny vahoaka malagasy indray ny fahatokisana taminy hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka.

Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika ireo andry telo (03) goavana hiorenan’ny fomba fitantanana ny firenena ao anatin’ity fe-potoam-piasana vaovao ity:

- ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy

- ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa

-  ny fametrahana fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.

Maro araka izany ny fiovàna sy rafitra vaovao izay hatsangana mifanaraka amin’ny fanatanterahana ireo andry 3 hitondrana ny firenena ireo, mba ahafahana manafaingana ny asa ihany koa.

Fepetra hentitra maromaro no noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany, hanamarihana izay fanombohan’ny fe-potoam-piasana izay ary hanamarika ny drafitr’asa 100 andro voalohan’ny fitondran’ny Filohan’ny Repoblika :

- Fanaovana maimaimpoana ny fanaovana fanabeazana aizana ho an’ny renim-pianakaviana, manerana ny hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Nomena toromarika avy hatrany ny Minisitry ny fahasalamana hampihatra izay fisitrahana fanabeazana aizana maimaimpoana izay manomboka androany.

- Hotsinjovina manokana ireo tokantrano tena sahirana, ka hisy ny fampiofanana azy ireo mandritra ny 3 volana amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ilay teknika « PFUMVUDZA » izay efa nahitana vokatra tsara tany amin’ny firenena afrikana maro. Homena tany hahafahana manangana trano sy tanim-boly izy ireo mba hahafahany manorina fiainana vaovao mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono koa, ao anatin’ny tetikasa « titre vert ». Afaka 5 taona raha voahaja daholo ny fepetra sy ny fitsipi-pifehezana apetraka amin’ireo fianakaviana mpisitraka dia ho lasan’izy ireo tanteraka ny « titra » fananan-tany. Nomena toromarika hanomboka ny asa avy hatrany ny minisitra voakasika, efa hita ny tany hanaovana ny tetikasa, hiroso avy hatrany amin’ny fifantenana ireo fianakaviana tena sahirana hisitraka ny tetikasa. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany hanaovana ny fampiofanana sy hananganana trano « préfabriqué » ho an’ireo fianakaviana tena marefo ireo. Hiparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity ary hanomboka tsy ho ela ny fampiofanana.

- Tohizana ary haparitaka manerana ny Nosy ny fanavaozana ara-haitao ara-kajy mirindra ny karinem-pokontany. Efa misy ny drafitra fitsinjarana na « planning de déploiement » hanomboka avy hatrany amin’ny volana Janoary ho avy izao.

- Eo amin’ny lafiny fanofanana arak’asa sy fampananana asa kosa dia hojerena avy ireo karazana fanofanana azo atolotra ny tanora sy ny vehivavy ary hapetraka ny drafitra nasionaly momba ny fanofanana arak’asa, ka hojerena manokana ireo izay tokony hofanina sy ny mpampiofana. Ny tanjona moa dia ny hananan’ny tanora sy ny vehivavy tsirairay avy asa afahany mivelona ka hampidina ny tahan’ny tsy fananana asa.

- Mahakasika indray ny fitantanana eny anivon’ny Fokontany dia hisy ny fanavaozana ny biraom-pokontany ary hapetraka ny komity Loharano handrindra ny lafiny ara-tsosialy sy ara-piaraha-monina eny anivon’ny Fokontany. Isan’ny hofidiana ho mpikambana ao anatin’io Komity io ireo mpiasam-panjakana misotro ronono avy amin’ny sehatra samihafa sy ireo Ray aman-dReny eny anivon’ny Fokontany.

- Eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-bary izay efa tsy zakan’ny vahoaka intsony dia nanome baiko hentitra ny Filohan’ny Repoblika ny hanampiana azy ireo ato anaty fotoana fohy amin’ny alàlan’ny fivarotana ny vary mora.

- Hotohizana ary hohatsaraina ny fanomezana masomboly sy zezika ho an’ny Tantsaha

- Hamafisina ihany koa ny lafiny fandriam-pahalemana ka tokony afaka manao vonjy taitra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga tsy fahandriam-pahalemana

- Farany, hatao ny ezaka rehetra mba tsy hampihen-danja be loatra ny sandan’ny Ariary.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fiakaran’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny latsakemboka na “quote-part” eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na “Fonds Monétaire International” (FMI).

    Nandritry ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na “Fonds Monétaire International” tao Marrakech dia noraisina ny tolo-kevitra fa hampiakarina 50% ny latsakemboka na “quote-part” aloan’ireo firenena rehetra mpikambana ao aminy. Isan’ny tombony ho azon’i Madagasikara amin’izany fiakaran’ny latsakemboka na “quote-part” izany dia ny hahafahany misitraka famatsiam-bola bebe kokoa avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Hisy koa anefa ny fangatahana ny mba ahafahan’i Madagasikara mandoa izany tsikelikely.

    MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny pasipaoro elektronika malagasy.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fametrahana ny Fitaterana an-tariby ho an’ny zotra Volomboasary Antananarivo, ahitana fitaovana ho an’ny tsangam-by goavana na « pylône » sy ho an’ny Gara (Fandefasana an-dranomasina laharana faha19), ary ny fitaovana hanamboarana ny tapakila ho an’ny Gara Anosy (Fandefasana an’habakabaka laharana faha 02).

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    SEKRETERIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana anomezana alalana ny fanokafana ny kaonty fampiandraketana na “caisse de consignation” natokana ho an’ny fivarotana sy famoriana ny vidin’ny Trano mora naorin’ny Ministera miandraikitra ny trano fonenana ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Filoham-pirenena hanorina trano fonenana miisa 40 000 sy mamaritra ny fepetra sy ny sori-dalana arahina mahakasika izany.

  • III- SAMIHAFA

    Nanolotra ny fametraham-pialàn’ny Governemanta tarihiny Atoa. Praiminisitra araka ny fanajàna ny fenitra Repoblikàna, ary noraisin’ny Filohan’ny repoblika izany fametraham6pialàna izany.

    Mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao anefa dia manohy ny fampandehanan-draharaha andavanandro na « affaires courantes » ny mpikambana ao amin’ny governemanta nametra-pialàna.

 

Natao ny 20 desambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella