TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 31 oktobra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Araka ny andininy faha 55 sy faha 65 ao amin’ny andalany farany ao amin’ny Lalàm-panorenana, dia nandray ny didim-panjakana laharana faha 2023-1458 tamin’ny 30 oktobra 2023 ny Filoham-panjakana mpisolo toerana manome fahefana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta hitarika ny Filan-kevitry ny Minisitra ka ny lahadinika dia efa voafaritra. Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany talata 31 oktobra 2023 àry ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, natrehin’ireo minisitra isan-tokony, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fivoriana an-tampony voalohany iarahan’i Afrika sy Arabie Saoudite ary amin’ny Fivoriana an-tampony fahadimy eo amin’ny Firenena Arabo (Ligue Arabe) sy Afrika, izay hatao ao Riyad ny faha 10 sy faha 11 novambra 2023.

    Tanjona amin’izany ny hijerena ireo fomba hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, sy hanohanana ny fiombonan’antoka eo amin’ny firenena arabo sy ny Kaontinanta Afrikanina. Ny Arabie Saoudite ihany koa, amin’ny maha firenena mpampiantrano azy, dia maniry hanohana ny fampandrosoana ny firenena afrikanina, amin’ny alalan’ny Tahirim-bola Saodianina ho an’ny fampandrosoana “Fonds saoudien pour le développement”. Raha ny fifandraisan’i Madagasikara sy Arabie Saoudite manokana dia maro ireo tetikasa iaraha-manatanteraka indrindra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fanamboarana ny tetezana ao Mangoky sy ny tetikasa “Middle East Green Initiative”.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ho sitrahan’ny Masoivohon’i Madagasikara mahakasika ny fandaniana tsy voafaritra na “dépenses à caractère évaluatif” ho an’ny taona 2023 izay entina handoavana ireo fandaniana tsy maintsy atao lohalaharana na “dépenses obligatoires priorisées”.

    Ireto avy ireo fandaniana izay hampiasaina io sorabola fanampiny io:

    -  ny fividianana “gaz”, ny jiro sy rano, ny hofan-trano fiasàna, 

    - fandoavana ireo haba sy hetra isan-karazany, ireo asa samihafa (prestation de services), ireo mpiasa ivelan’ny Masoivoho (personnels extérieurs aux services) ary ireo latsakemboka isan-tsokajiny

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo akora fanodina ilain’ny Trano printim-pirenena amin’ny fanaovana taratasy manana sandam-bola toy ny karatany, ny dikasolon’ny bokin-tany, ny taratasy fanamarinana fananantany sy ny karampanondrom-pirenena.

    Ny Trano printim-pirenena moa dia sampandraharam-panjakana izay manana ny fizakantena ara-bola, ary manana ny fahefana handoavana ny hetra sy ny haban-tseranana. Tsy afaka manao izany anefa izy noho ny tsy fisian’ny sorabola na ligne budgétaire mifandraika amin’izany ao anatin’ny tetibolany. Tapaka àry, fa ho setrin’ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana dia hisy ny fandaminana anatiny miaraka amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mba ahafahany mamerina izany.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovan’ny Ministera famindrana sorabola ao anaty fandaharan’asa na « amenagement de crédit » ahafahany manao ireo asa maika hanarenana ireo lalana, sisin-dàlana, fotodrafitrasan’ny lalam-pirenena, ny lalana an-tanàn-dehibe, sy ireo maro hafa.

    Voakasik’izany asa izany ny:

    -  Asa fanamboarana ireo lavaka eny amin’ny RNP4, RNP6, RNP7, RNS34, RNS27, RNS18, RNS15, RNS25, RNS3 A, RNS3 B, RNT41, RNT20, RNT 12 sy ireo lalana mampitohy an’Ambatry -Fotradrevo- Bekily ;

    - Asa fikojakojana ny lalana ao an-tanàn-dehiben’i Mananjary sy Sambava ;

    - Asa fikojakojana ireto lalana manaraka ireto:

    • Mahasoabe RIP 102F eo anelanelan’ny PK3+200 (Andrainjato - Fianarantsoa) sy PK 25+700 (Mahasoabe) ;

    • Alakamisy Itenina RIP 110F mampitohy an’I talata Ampano - Alakamisy itenina-Vohitrafeno-Vinanitelo ;

    • PK 0+000 Talata Ampano sy PK 20+750 Alakamisy Itenina;

    • RNT 42;

    • PK 0+000 Fianarantsoa sy PK 95+500 Ikalamavony.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sorabola hanaovana ny asa fikojakojana ireo lalana ao Ambatondrazaka, izay vatsian’ny “Fonds routier” (FR).

    Lalana mirefy 2,605km no voakasik’izany asa izany, izay mamakivaky ny fokontany Madiotsifafana, Avaradrova sy Antsamarova. Tombanana ho dimy volana ny faharetan’ny asa.

     

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny ministera amin’ny asa fanamboarana, fanamafisana sy ny fanarenana ny rafitra famatsian-drano ao amin’ny faritra Analamanga, Melaky, Alaotra-Mangoro ary Itasy.

    Ny asa izay hatao dia hitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina, sy hamatsiana rano fisotro madio azy ireo. Ho an’ny Faritra Analamanga dia ao Ambohimangakely, Ambohijanaka ary Ambohimanga Rova no hanaovana ny asa ary tombanana ho miisa 727.805 ny olona hisitraka izany. Ho an’ny Faritra Melaky kosa dia ao Antsalova no hanaovana ny asa ary miisa 66.909 ny olona hisitraka rano fisotro madio. Ny ao Alaotra Mangoro kosa dia hotanterahina ao Fierenana Moramanga ka olona miisa 64.563 no hisitraka azy. Farany, ho an’ny Faritra Itasy, dia ny Oniversiten’i Soavinandriana no hanaovana fampidiran-drano ka vinavinaina ho 27.330 ny isan’ny olona no ho voakasik’izany. Tafiditra ao anatin’ny fanohizana ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena ireto asa izay hatao, ary voasokajy ho asa maika.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handefasana mpianatra hisitraka ny vatsim-pianarana ao amin’ny “Office de la Formation Professionnelle et de la Promotion du Travail” (OFPPT) ao Maroc ary ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fampodiana ireo andiany teo aloha izay nahavita ny fiofanana.

    Ny fiofanana dia haharitra roa (2) taona ka ny Fajakana Malagasy no mandray an-tanana ny saran-dalana mandroso sy miverina araka ny fifanarahan’ny OFPPT ao Maroc sy ny « Agence Marocaine de Coopération Internationnale (AMCI) » sy ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny fifanarahana antsoina hoe “Cadre de cooperation dans le domaine de la formation professionnelle » izay nosoniavin’ny Ministeran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa sy ny OFPPT ao Maroc no nahafahana manatontosa izao fampiofanana tanora Malagasy izao.

    MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fikaonandohan’ny Mpikambana anatin’ny Fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny Toetrandro andiany faha 28 (28ème Conférence des Parties (COP28) à la Convention-Cadre des Nations Unies sur les Changements Climatiques (CCNUCC), ary ny Fitokanana ny “Pavillon de Madagascar”, izay hatao ny faha 30 hatramin’ny faha 12 desambra 2023 any Dubaï – Emirats Arabes Unis.

    Haharitra roa herinandro ny COP28 ary mampiavaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana antsoina hoe “Pavillon de Madagascar” izay sehatra natao hampisongadina ny Nosy, sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka indrindra mahakasika ny “crédits carbones”. Etsy ankilany dia hisy ihany koa ny fivorian’ireo Minisitra misahana ny toekarena avy amin’ireo Firenena mandray anjara handinihana ny fomba hanamafisana ny sandan-tsohitra na “résilience” manoloana ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro, sy ny fanamorana ny fitompoana ireo harena ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fampifanarahana marolafy (projets multisectoriels d’adaptation).

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki-barotra (entreprises adjudicataires) ho an’ny asa fanajariana ny fiombonan’ny tambazotram-pifamoivoizana rehetra (voiries), ny lalana familiana amin’ny lalan-kafa (voies de contournement) sy ny fiarovana ny faritra misy tataom-pahavoazana (zones à risques) ao TANAMASOANDRO, voasoritra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki-barotra (entreprises adjudicataires) ho an’ny asa fanamboarana ny Trano fonenana “MORA Duplex” ao Farafangana, sy ny trano fonenana azo itarina (logements extensibles) ao Amparehimahitsy Mahajanga sy Ivohitra Antsirabe voasoritra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023.

    Ireto avy ny asa voakasik’izany :

    - Fanamboarana trano fonenana “Mora duplex” miisa 20 ao Farafangana :

    - Fanamboarana trano fonenana azo itarina miisa 50 ao Amparehimahitsy Majunga ;

    - Fanamboarana trano fonenana azo itarina miisa 20 ao Ivohitra Antsirabe;

    Satria haharitra am-bolany maro ny fanatanterahana ny asa dia tapaka fa ny vola mifandraika amin’ny efapolo isan-jaton’ny asa (40%) aloha no ampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny amenoana ny vola miditra ao amin'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, sy ny fandaniana ataon’ny Primatiora ho an'ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2023 ao anatin’ny “Projet Régional pour la resilience Climatique pour l’Afrique de l’Est et Australe (PRRC)”.

    Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny amenoana ny vola miditra ao amin'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, sy ny fandaniana ataon’ny Primatiora ho an'ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolampanjakana 2023 ao anatin’ny famatsiam-bola fanampiny ny “Programme Africain de Financement de la Gestion des Risques de Catastrophes (ADRIFI)” avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Tahirim-bola Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (FAD).

 

Natao ny 24 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella