TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 10 may 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, dia nilaina vahaolana matotra ny fomba fampiasana ny tahirim-bola hampiasaina amin’ny lafiny sosialy (fonds d’investissement social) izay andraisana ny vola tamberina avy amin’ny tetikasa Ambatovy (ristournes minières) any amin’ireo Kaominina voakasika, satria hita fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy izany nandritra ny taona maro. Tsy nampiasaina tany amin’ny tetikasa tena isitrahan’ny vahoaka ny tamberim-bola azo hany ka tsy nisy fiantraikany nivantana tany amin’ny fampandrosoana ireo Kaominina mpisitraka mihitsy. Naato araka izany aloha ny fampiasana ilay tamberim-bola, mandram-pahita izay vahaolana mahomby izay. Ankehitriny ary mba ho fanatanterahana ny toromarik’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fomba fiasa vaovao amin’ny fampiasana ity « fonds d’investissement social » ity.

    Tamin’ny taona 2018 dia nisy didim-pitondrana noraisina nametrahana ny komity natao hanara-maso ny fomba fampiasana ny vola. Tsy nety voarafitra mihitsy anefa io Komity io ka niantona fotsiny teo. Noravana aloha ilay Komity teo aloha, izay navesatra dia navesatra satria maro loatra ny mpikambana nofaritana tao anatiny, ary najoro kosa ny « comité d’appui à la gouvernance des collectivités territoriales décentralisées » na komity hanohanana ny fomba fitantanana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay ahitana mpikambana 7 dia ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ny Minisitra mpiahy ny Faritra Atsinanana, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, ary miampy solotena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika miisa 2. Ity Komity ity no mandray ny soso-kevitra avy amin’ireo Kaominina voakasiky ny tetikasa Ambatovy, manao ny tombana sy ny fandinihana ireo tetikasa ireo arakaraka izay heverina fa laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny Kaominina, ary mandroso ny lisitr’ireo tetikasa laharam-pahamehana ireo mba hangatahana ny fankatoavana avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika mba hampahafantaran’ny Komity ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana amin’ireo ben’ny tanàna voakasika ny lisitry ny tetikasa azo vatsiana vola amin’ity tamberim-bola ity. Tetikasa izay tena mahakasika ny fiainan’ny mponina any ifotony mivantana, tahaka ny toha-drano, lalana, tranompokonolona, tobim6pahasalamana, sekoly, sy ny sisa. Izany dia mba ialana amin’ny lesoka hita tany aloha tahaka ny hoe nampiasaina tamina fampandehana-draharaha fotsiny ny vola, na nanaovana lanonana samihafa. Mila atoro an’ireo ben’ny tanàna ihany ko any tombana amin’ny fandaniam-bola (mercuriale des prix) araka ny fanaovan’ny Fanjakana Foibe azy mba tsy hisy ny fandaniam-bola midangana dia midangana mihoatra ny tokony ho izy. Hentitra ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny hamerenana haingana ny fampiasana ny tamberim-bola avy amin’ny Tetikasa Ambatovy, saingy kosa tsy maintsy mipàka mivantana amin’ny mponina any amin’ireo Kaominina mpisitraka ny fampiasam-bola rehetra izay hatao.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandaniam-bola ilaina amin’ ireo asa famaranana ny tetikasa « Projet d’Inclusion Financière de Madagascar (PIFM) » izay niarahana tamin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA). Ity tetikasa ity dia vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam6pirenena ny 19 aprily 2018 ary nifarana ny 30 desambra 2022 lasa teo. Araka ny voalazan’ny fifanarahana dia miroso amin’ireo dingana samihafa ara-panjakana manamarika ny famaranana ny tetikasa ny roa tonta rehefa tapitra io fe-potoana 30 desambra 2022 io, ka anjaran’ny Fanjakana Malagasy no mizaka amin’ny tetibolany manokana ny vola lany amin’izany famaranana izany. Efa nentina voalohany teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetibola vinavinaina holaniana amin’ireo asa famaranana ireo, kanefa rehefa natao ny fandinihana dia hita fa midangana loatra ka nasaina naverina mba ahena. Tetibola efa nasiam-panitsiana araka izany no nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny latsakemboka anjaran’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana antsika amin’ny « Alliance pour l’Inclusion Financière » ho an’ity taona 2023 ity. Marihana fa efa voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola fototra taona 2023 ity latsakemboka ity, saingy nisy tsy ampy 27.500.000 ariary ny sora-bola efa voaomana noho ny resaka sandam-bola. Ka io teti-bola fanampiny io no nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana azy mba ahafahana mameno sy manefa izay latsakemboka tokony aloa izay.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny tambin’ny fanesorana ireo olona voakasiky ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « train urbain » eto Antananarivo. Raha tsiahivina dia efa vita daholo ny dingana ara-panjakana ary efa nisy ny didim-panjakana fanambarana ho tombontsoam-bahoaka ny ampahan’ny tany rehetra izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa, ary efa voafaritra mazava ireo olona tsy maintsy nesorina tamin’izany taniny izany araka io didim-panjakana io. Mila aloa amin’izy ireo kosa nefa ny tambiny tamin’ny nanesorana azy araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery, mba ahafahana miroso amin’ny dingana manaraka amin’ny fananganana fotodrafitrasa ilaina amin’ny tetikasa. Izany dia mba tsy hihitaran’ny fahatarana intsony ao anatin’ny famitàna tanteraka ny fametrahana ity « train urbain » eto Antananarivo ity.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-informatika izay fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD). Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Africa MiniGrids Project » natao indrindra hirosoana amin’ny famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra ny sampandraharaha eo amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Ao anatin’ny fananganana ny tanàna vaovao any Amparehimahitsy Mahajanga sy Andranomena Toliara, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola mifandraika amin’izany mba ahafahana manomboka avy hatrany ny asa taorian’ny tolo-bidy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy. Efa tamin’ny taona 2022 no nanomboka ny dingana ara6panjakana saingy noho ny fahatarana teo amin’izay fanatanterahana ny pitsopitsony amin’ny fampiasana ny tetibolam-panjakana izay dia tsy maintsy nitarina aty amin’ny taona 2023 ny « engagement budgétaire » mifandraika amin’ireo asa ireo. Dia izao nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izao ny firosoana amin’izany. 

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-026 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Médecin Colonel RANDRIANTSARA Iharijaona Joe, ho Tale Teknika ny "Centre Hospitalier de Soavinandriana".

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMILISOA Nirinasolo Nadine, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Alaotra Mangoro.

    MINISITERAN'NY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-169 tamin'ny 19 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIVONY Nomenjanahary Bruno, ho Lehiben'ny Distrikan'i Marolambo.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1004 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAFILIPOSON Johnny Marius, ho "Directeur des Finances, Logistique et Patrimoine"

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-427 tamin’ny 20 martsa 2019 manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY Zolalaina Tojotiana, ho "Directeur Administratif et Financier de l’Ecole Nationale d’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie".

    MINISITERAN'NY NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-an-dRamatoa RASOANIRAINY Diana Mirella Volahanta, ho "Directeur Affaires Juridiques"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1713 tamin'ny 04 septambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAHARO Andonandrianina, ho Talem-paritry ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejika ao Alaotra Mangoro

 

Natao ny 10 may 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO