TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 19 aprily 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony ny Filoham-panjakana sy ny Lehibena Governemanta ao anatin’ny Vondrona COMESA (Marché Commun de l’Afrique Orientale et Australe) andiany faha-22, ny 08 jona 2023. Izany dia ialohavan’ny Fivorian’ireo Minisitry ny raharaham-bahiny avy amin’ny firenena mpikambana amin’ny COMESA andiany faha-18. Hisy koa ny fikaonan-dohan’ireo mpandraharaha ara-toekarena ao anatin’ny COMESA ny 07 Jona 2023. Any Lusaka Zambie no hanatanterahana ny fivoriana ary ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA no hitarika ny delegasiona Malagasy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana fe-potoana hatramin’ny 15 may 2023 hanaovan’ireo tompon’andraikitra tsirairay ny tetikasa samihafa misitraka famatsiam-bola avy any ivelany fandaminana (régularisation) an’ireo fandaniam-bola tamin’ny taona 2022, na findramam-bola, na fanomezana ihany koa (emprunts, subventions, dons). Izany dia fepetra tetezamita ihany eo am-piandrasana ny fampiharana ny didim-panjakana mifehy ny kaontim-bolan’ireo karazana tetikasa ireo sy ny fampiodinana ny tahirimbola manokana misahana ny fikirakiram-bola azo avy amin’ny famatsiana avy any ivelany (tresorerie principale chargée des financements extérieurs).

    Ny zava-misy dia mbola tsy mahatratra ny tanjona nofaritana ny tahan’ny fandaniam-bola amin’ireo tetikasa avy amin’ireo mpamatsy vola samihafa. Ny antony dia maro ny sakana vokatry ny vesatry ny pitsopitsony ara-panjakana takiana amina famatsiam-bola avy any ivelany. Araka ny didim-panjakana lf 2015-1457 tamin’ny 27 oktobra 2015 sy ny didim-panjakana lf 2016-1160 tamin’ny 30 Aogositra 2016 mikasika ny fomba fanokafana, fitantanana ary fandaminana ny kirakiram-bola anatina kaontim-bolan’ireo tetikasa misokatra eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara dia rehefa famatsiam-bola avy any ivelany, dia azo atao mialoha ny famoaham-bola fa manana 2 volana ny mpitantana ny tetikasa hanaovana ny fandaminana na “régularisation” ny vola izay nolaniana, izany dia fepetra tsy maintsy takiana mialohan’ny fanohizana ny famoaham-bola sy ny famatsiana ilay kaontim-bolana tetikasa misitraka famatsiam-bola avy any ivelany. Maro nefa no tsy mbola nahavita izany na dia efa tapitra aza ny taona 2022, ka lasa mampitarazoka ny fanohizana ny famoaham-bola. Izany no nahatonga ny Filan-kevitry ny Minisitra nanome fe-potoana 1 volana eo handraisan’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa tsirairay ny andraikiny. Rehefa tapitra izay 1 volana izay, dia ireo mahavita ny fandaminana ny kaontiny ihany no hotohizana ny pitsopitsony ara-panjakana hamoahana ny famatsiam-bola manaraka.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka mba hisy ampahany halefa amin’ny famitàna ny asa fanamboarana ireo foiben’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka miisa 16 sy ny Kaomisarian’ny Polisy miisa 17, ny fanatevenana ny fahafahan’ireo sekoly manofana ho polisim-pirenena (ENSP Ivato sy ENIAP Antsirabe) mandray mpianatra, ary ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena dia ny fananganana Kaomisarian’ny Polisy miisa 3 vaovao.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikarakarana fifampidinihana (dialogue) amin’ny fanatanterahana ny drafim-pifaninanana (procédures compétitives) mba hahitana vahaolana maika sy maharitra hahafahana manarina ny orinasa SECREN any Antsiranana. Tamin’ny volana Oktobra 2022 dia nisy antso nataon’ny Minisitera misahana ny Indostria ho an’ireo orinasa lehibe manana drafitra stratejika hanarenana ny SECREN, miompana amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-pahaizana sy ara-teknolojika mikasika ny asa ataon’ny orinasa, ny fanarenana sy fanavaozana ho maoderina ny fitaovam-pamokarana, ny fampiroboroboana sy ny fampaharetana sy asa ataon’ny orinasa SECREN mifandray amin’ny asa manodidina ny sambo (jono, fizahantany, varotra, fanarahamaso ny sisin-tany) mba hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena ny faritra DIANA, ny fanavaozana ny orinasa SECREN hiverenan’ny fahaiza-manaony sy ny lazany eto Madagasikara sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fitazomana ny asa ao anatiny sy ny fanomezan-danja ireo mpiasa. Efa nisy orinasa lehibe 3 namaly ny antso, ka hotohizana amin’ny alalan’ilay fifampidinihana izay handraisana anjaran’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny tompona petrabola ao anatin’ny SECREN, ny mpikambana amin’ny Filankevim-pitantanana, ary ireo mpisehatra amin’ny sehatra tsy miankina.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Turquie. Izany dia mba hahafahana manamafy ny fifamatorana efa nisy nandritra ny fotoana maro eo amin’ny firenena roa tonta. Ny sehatry ny varotra, indostria, fampiasam-bola, angovo sy harena natoraly, fanabezana sy fahasalamana, fambolena sy fiompiana, ny jono, ny siansa sy ny teknolojia no hisy ny fiarahamiasantsika Malagasy amin’i Turquie. Hisy araka izany ny fametrahana Vaomiera ara-toekarena itambaran’ny firenena 2 tonta hifandinihana ny fiarahamiasa hatao, hanamorana izany ary hanaraha-maso ny fanatanterahana ny voalazan’ny fifanarahana.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga mba hisy ampahany halefa amin’ny fanohizana ny fampiasam-bola efa natomboka tamin’ny taona 2022, dia ny fanamboarana ny « Unités de froid » miisa 2, ny « unités de transformation » miisa 6 ary ny fananganana ny « Zones d’Emergence Piscicole » miisa 2.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo sambo haingam-pandeha miisa 2 izay hampiasaina amin’ny fanarahamaso ny jono amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Raha tsiahivina dia sambo haingam-pandeha manana ny marika YAMAHA M12 izy ireo, fanomezana avy amin’ny firenena japoney hanohanana ny asan’ny Foibe Fanarahamaso ny Jono (CSP) ka ny Fanjakana Malagasy no mandray an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana tamin’ny fampidirana ny entana teto Madagasikara. Tombanana ho tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 04 may 2023 ireo sambo ireo, ary hatolotra any Tolagnaro sy Toamasina.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny pitsopitsony amin’ny maodely ara-toekarena amin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny Bankin’ny Paositra (Banque Postale). Raha tsiahivina dia ny 18 may 2022 no nanapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana io Bankin’ny Paositra io, taorian’izay dia nisy ny asa nataon’ny Minisitera tompon’andraikitra, ny Paositra Malagasy, ny Vaomiera Fanarahamaso ny Banky sy ny fandraharahana ara-bola (CSBF), ary ny mpiara-miombon’antoka tahaka ny orinasa SONAPAR nandinihana ny fomba mety indrindra hatao mikasika ny fampiroboroboana ny asan’io Bankin’ny Paositra io. Tapaka tamin’izany fa aty am-piandohana dia hanao asana famatsiam-bola madinika (microfinance) sy ny fikirakirana vola elektronika (monnaie électronique) aloha ny Banky ao anatin’ny fohy ezaka. Aorian’izay vao hiroso amin’ny antonona ezaka dia ny fanaovana ny asan’ny banky madinika mahazatra. Mila fampiasam-bola goavana moa ity tetikasa ity ka ankoatra ny loharanom-bola manokan’ny Paositra Malagasy dia handray anjara ihany koa ny SONAPAR. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany fa ny 65% ny petra-bola ilaina amin’ny renivola (capital) dia iantohan’ny Paositra Malagasy fa ny 35% no avy amin’ny SONAPAR, ary ny hamatsiana ny fiodinan’ny Bankin’ny Paositra kosa dia hotsinjaraina amin’ireo manana petra-bola (compte courant d’associés). Kasaina ho amin’ny Volana Jolay 2023 izao no hisokafan’ny Bankin’ny Paositra ka ireo biraon’ny Paositra miisa 250 manerana ny Nosy ihany no hotrandrahina. Aty am-piandohana dia ireo biraon’ny Paositra amin’ny tanan-dehibe miisa 28 aloha no hametrahana ny Banky amin’ity taona 2023 ity, hitohy amin’ny Biraon’ny Paositra amina tanàna miisa 120 hafa amin’ny taona 2024 ary kendrena ho voarakotra ireo biraon’ny Paositra rehetra miisa 250 eran’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 2024.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHAROARILALA Roberto Tinoka Michaël, ho Kaonsily Jeneraly eo anivon’ny "Consulat Général de Madagascar" any La Réunion

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-128 tamin'ny 22 febroary 2017 ary manendry an-dRamatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa, ho Lehiben'ny Distrikan'i Sakaraha
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-205 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa BELAMY Mamitiana Ramamonjiarisoa Claude, ho Lehiben'ny Distrikan'Andramasina.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-110 tamin'ny 21 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa DELLARIS RANDRIAMANANKEVITRA Huberto, ho Lehiben'ny Distrikan'i Bealanana.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-117 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZANADRAKOTO Hasindrojohanitra Haingovololona Fleurie Laurencia, ho Talen’ny Fiahiana ireo Mpanjifa (Directeur de la Protection des Consommateurs)

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1339 tamin'ny 15 oktobra 2020 manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANJARA Mbelomanantsoa Ravo, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ao Androy

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1435 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa ANTENAIKO Guy Donald, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Melaky

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1000 tamin'ny 29 septambra 2021 manendry an-dRamatoa RAMAVONIRINA Patricia, ho Talen’ny Serasera
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-999 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARIVO Lalao Mbolatiana, ho "Directeur des Analyse et Prospectives".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABE Jean Ernest, ho Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy.
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 017 tamin'ny 15 janoary 2020 nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'Andapa.

 

Natao ny 19 aprily 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO