TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 15 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nandritra ny fihaonan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ireo mpisehatra amin’ny lavanila, tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy ireo mpandraharaha nitaraina fa nanomboka ny fisokafan’ny taom-piasana lavanila 2022- 2023 dia mbola tsapa ho mihisatra ny famerenana ny asa, indrindra ireo mpanondrana lavanila amin’ny alalan’ny sambo. Manahy ny tsy fahafahana manaja ilay 90 andro, fe-potoana ara-dalàna hamerenana ny vola avy any ivelany (rapatriement de devises) ireo mpandraharaha.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany, ny fanomezana fe-potoana fanampiny ho azy ireo, ka hitarina ho 120 andro ny fetra fahafahana mamerina ny vola avy any ivelany, manomboka amin’ny andro hiaingan’ny entana. Natokana ho an’reo mpandraharaha manondrana lavanila amin’ny sambo ihany anefa izany fanalavana fe-potoana izany.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana informatika hatolotra ny minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny fitsarana ary ny minisiteran’ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.

    Fitaovana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), tafiditra ao anatin’ny tetikasa RINDRA izay natao hanamafisana ny Fanjakana tsara tantana eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fiara tsy mataho-dalana TOYOTA LAND CRUISER PICK-UP DOUBLE CABINE, miisa 4 izay hampiasaina ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny faritra fanodinana sakafo ho vokatra indostrialy any Atsimo Andrefana (PTASO).

    Tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola, araka ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny 5 oktobra 2020. Efa tamin’ny 7 desambra 2022 no tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fiara ireo.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Ny 02 Janoary 2023 lasa teo no nisian’ny haitrano teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra teny Vontovorona. Mpianatra 168 no tra-pahavoazana, izay napetraka amin’ny toerana vonjimaika ankehitriny. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ho asa maika ny fanamboarana ny trano fonenan’ireo mpianatra ireo mba hanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny tsenan’asa fanamboarana. Nankatoavina ihany koa ny hanomezana tetibola fanampiny ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony mba ahafahana miroso avy hatrany amin’ny asa.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fitaovam-pianarana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana « UNICEF » izay fanomezana ho an’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Efa tafiditra tanteraka amin’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana (autoroute) voalohany eto Madagasikara ny orinasa « SAMCRETE Engineers & Contractors » izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana mikasika izany ankehitriny. Raha tsiahivina dia ny tapany voalohany amin’ity lalambe mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay mirefy 80km no nanombohana azy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana eto Madagasikara ny fitaovana sy kojakoja rehetra ary ny milina hanamboarana ny lalana, amin’ny alalan’ny antsoina hoe « régime d’admission temporaire ».

    Izany hoe ekena eny anivon’ny fadin-tseranana fa hampidirina ireo fitaovana samihafa ireo, izay voamarina fa tena ilaina amin’ny asa fanamboaran-dalana, fa ao anatin’ny fotoana voafetra ihany mandra-pahavitan’ny asa. Ka rehefa vita ny asa dia ekena hivoaka ny fadin-tseranana indray ny famoahana azy ireo miala eto Madagasikara. Mifanaraka amin’izay fepetra izay ny hetra sy ny haban-tseranana aloan’ny orinasa amin’ny fampidirana ireo fitaovana sy milina samihafa ireo. Izany dia manaja tanteraka ny voalazan’ny andininy 11.1 amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny orinasa SAMCRETE.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 Janoary 2023 lasa teo dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana sora-bola ho an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ao anatin’ny tetikasa « Nouveaux Projets d’Emergence » na NPE ahafahana mametraka haingana ilay milina fampifangaroana sy famonosana ny zezika azo avy amin’ny NPK sy ny « Sulfate d’ammonium », tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDSA.

    Ny Fanjakana Malagasy dia mahatsapa ny fahasahiranan’ny tantsaha amin'io resaka zezika io, satria lasa midangana ny vidiny eto an-toerana vokatry ny fiakaram-bidin’ny zezika simika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny sara-pitaterana avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Efa nanome toromarika mazava ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA mba hanafainganana ny fizarana ny zezika amin’ny tantsaha, ka ny vinavina dia ny volana Jona 2023 no hanomboka izany.

    Tafiditra tanteraka ao anaty ny vanim-potoana mampirongatra ny valala isika eto Madagasikara ankehitriny. Nanomboka ity volana Febroary 2023 ity dia efa misy ireo andiam-balala eny antampon’Ihorombe ary efa manambana koa izy ireo any amin’ny faritra Menabe, Vakinankaratra ary Bongolava. Manoloana izany dia misy asa maika tsy maintsy atao, ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin‘ny fifanaraham-piaraha-miasa tsy maintsy ataon’ny Minisitera amin’ireo orinasa tsy miankina afaka manome tosika amin’ny fampitaovana ilaina amin’ny ady amin’ireo andiam-balala ireo. Tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fifanarahana lasitra na « contrat cadre » kosa anefa izany fiarahamiasa amin’ny tsy miankina izany.

    Marihina fa ny Banky Iraisam-pirenena no mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny ady atao, ary tombanana hatrany amin’ny 400.000 hektara ny velaran-tany ho voatondraka fanafody famonoana valala ao anatin’izany asa maika tsy maintsy atao izany.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana sy kojakoja informatika ao anatin’ny tetikasa « fiaraha-miombon’antoka ho an’ny fahaiza-mitantana ny an-dranomasina sy sisin-dranomasina, sy ny fitantanana ny jono mba hisian’ny fampandrosoana manga maharitra (GCP/SFS/005SWE).

    Tetikasa izay vatsian’ny « Agence Suédoise de Coopération Internationale pour le Développement » vola ary ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) no mandrindra azy.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana ny toeram-piofanana arak’asa matihanina ho an’ny vehivavy (CFPF) ao Mananjary izay vita fanarenana tanteraka, sy ny efitrano fianarana vao natsangana sy nitarina misy efitra fianarana miisa 3 ao amin’ny foibem-piofanana arak’asa ao Tsianolondroa Fianarantsoa.

    Izy ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ary natokana ho an’ireo vehivavy marefo, indrindra ireo tra-pahavoazana tamin’ny rivodoza nifanesy tamin’ny taona 2022. Marihina fa atao eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA ny fitokanana noho ny fanomezany lanja ny fampiroboroboana ny vehivavy.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 98-404 tamin’ny 29 may 1998 ary manendry an’Andriamatoa RAHARINIAINA Angelinà, ho « Directeur Inter Régional de l’Inspection Générale de l’Etat » eto Antananarivo.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-069 tamin’ny 20 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIVELO Tolotra Elie, ho « Directeur Administratif, Financier et de la Programmation Budgétaire » an’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely DAMASY Gervais ho Tale Jeneralin’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021- 1126 tamin’ny 20 oktobra 2021 ; laharana 2022-051 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-053 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-054 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-058 tamin’ny 12 janoary 2022 ary laharana 2022- 211 tamin’ny 10 febroary 2022, izay nanendry ireo Talem-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.

 

Natao ny 15 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO