TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 15 SEPTAMBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAMPIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY :

    Nankatoavina ny fangatahana fanampim-bola ho fampitaovana trano fiasàna manara-penitra miisa sivy (09) sy hividianana fiara miisa enina (06) ao anatin’ny Nouveau Projet d’Emergence (NPE).

    Fanambin’ny Minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ary mifanaraka amin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena sy ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, ny fametrahana trano fiasàna manara-penitra miisa telo amby roapolo (23) manerana ny Nosy, izany hoe iray isaky ny faritra.

    Trano fiasàna manara-penitra miisa sivy (09) amin’ireo telo ambiroapolo (23) ireo no eo an-dalam-pahavitana ankehitriny ary vinavinaina horaisina mialohan’ny faran’ity taona 2O21 ity. Ankoatra ireo, efa vita tamin’ny taona 2019 ny asa fanamboarana ny an’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

    Araka izany, hahafahana mampiasa avy hatrany ireo biraom-panjakana miisa folo (10), sy hahafahana mividy fiara miisa enina (6) izay hatolotra ireo fitaleavam-paritra ao Sava, Melaky, Boeny, Atsimo Andrefana, Anosy, dia nentina nakana fankatoavana teo anivon’ny Filankevitry ny Ministra izao fangatahana famatsiam-bola fanampiny izao, izay nahazoana fanekena. Natao izany mba hisian’ny fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky vahoaka na « administration de proximité » no sady ho fanatanterahana ny politikam-panjakana eo amin’io sehatra io dia ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny fanjakana.

    Marihina fa izao fandaniana izao dia tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ity taona 2021 ity sy ny Nouveau Projet d’Emergence (NPE).

    MINISITERAN’NY ASA-TANANA SY NY HAI-TAO

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanamboarana « complexe » manokana ho an’ny asa-tanana Malagasy antsoina hoe « Cité des métiers » ao Ivato Ambohidratrimo.

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny Minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Hai-tao dia mikasa ny hanatanteraka tetikasa fananganana tanànan’ny hai-tao na « Cité des métiers » izay manana velarana roa (02) hektara eny Ivato Ambohidratrimo. Heverina hanakaiky ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ary mifanila amin’ireo « logements sociaux » vaovao vao naorina ho an’ny daholobe io tetik’asa io, izay nokendrena hanomezana sehatra hampisongadina ny asa-tanana Malagasy amin’ny ankapobeny ary koa mba hanomezana toerana mendrika hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny mpanao asa tanana ary ireo vokatry ny asa tanana Malagasy. Araka izany, dia nekena ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Hai-tao ka:

    • Hafainganina ny fiarovana ireo toerana voalaza amin’ny alalan’ny famindràna azy amin’ny Minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Hai-tao.
    • Halefa ny tolo-bidin’ny tsenam-baro-panjakana mifandraika amin’ izany ary havoaka any amin’ny gazety mba hisian’ny tolotra mangarahara sy hisian’ny fifaninana malalaka. Hajaina ny fe-potoana 30 andro andraisana ireo tolotra avy amin’ireo orinasa matihanina handray anjara amin’io tsenam-baro-panjakana io.
  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny fanomezana « Bonification d’ancienneté » amin’ny fitondrana laharam-boninahitra Zandary Manam-boninahitra

    Araka ny fangatahan’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena dia notolorana « bonification d’ancienneté » telo (3) volana amin’ny fitondrana laharam-boninahitra ny Lietnà RAMBELOSON Damy Fandrana Zafimahova noho ny nahavitany am-pahamendrehana ireo iraka mampidi-doza nampanaovina azy. Natao izany mba ho famporisihana ireo zandarimariam-pirenena mba hahefa be sy hikiry ary hanome ny tsara indrindra manoloana ny adidy hiantsorohany

    Ny Lietnà RAMBELOSON Damy Fandrana Zafimahova no manamboninahitra mpandrindra ny tobin’ny zandarimariam-pirenena na ny « unité de la Gendarmerie nationale » ao Andriamena izay nisambotra an’i DEL KELY sy i KAKABOY ary i SERGENT, izay jiolahy nokarohina fatratra ary fantadaza amin’ny fakàna an-keriny. Ny tenany ihany koa no nisambotra, tao Anosiala Ambohidratrimo ny 09 jona 2021, an’i RAGOLY tanana ankavanan’i DEL KELY.

    Natao izany rehefa nahazoana ny fankatoavan’ny fitondrana foibe sy ny manam-pahefana sy ireo mponina any an-toerana.

  • III- FANENDRENA SY FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA

     

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1122 tamin’ny 08 jolay 2015, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAHAFALY Rabearimanana Zaka, ho « Directeur de l’Immigration et de l’Emigration » eo anivon’ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-854 tamin’ny 26 jolay 2018, ary manendry an-dRamatoa RASOAMANARIVO Fidinirina Marie Annick ho « Directeur du Système d’Information » eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-1042 tamin’ny 08 oktobra 2017, ary manendry an’Andriamatoa MANANTSOA Ny Ony Harijaona ho « Directeur de la Communication» eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana
    •  

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1119 tamin’ny 19 jona 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAJOELINA Hery Mandimby ho « Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.
    •  

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONIAINA Yves Maurice ho « Secrétaire général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany.
    •  

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASAMIMANANTSOA Olivier Rija ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTO David Andriamihaja ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Manantsoa ho « Directeur d’Appui aux Urgences » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa LAHADY Victor ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMASY RAKOTOARIVELO Haingovola ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFARALAHY Berthin, ho « Directeur d’Audit Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa vaventy.
    •  

    MINISITERAN’NY RANO sy NY FANADIOVANA ary FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-099 tamin’ny 27 janoary 2021 izay manendry an-dRamatoa RATSIMBAZAFY Lalaina Patricia, ho « Directeur des Affaires Financières et du Patrimoine » eo anivon’ny Ministeran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-776 tamin’ny 16 jolay 2020 izay nanendry ny « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » ao amin’ny Faritra Analanjirofo .
    •  

    MINISITERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-264 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARANINTSOA TILAHY Désiré Gabriel, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-854 tamin’ny 12 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa BEMANAJA Etienne, ho « Directeur Général de la Pêche et de l’Aquaculture eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga
    •  

    MINISITERAN’ NY MPONINA, SY NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ary FAMPIVOARANA ny VEHIVAVY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2017- 207 tamin’ny 30 martsa 2017 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANTSIMILAO Ando Firaisantsoa, ho « Directeur Général de la Population » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-335 tamin’ny 11 martsa 2020 sy manendry an’Andriamatoa RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert, ho « Directeur Général de la Protection Sociale » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY ny ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade BOTOU Estelin, ho « Commandant des Ecoles et des formations » de la Gendarmerie nationale
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-331 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry ny Colonel RANDRIANARIJAONA Herifidy Jocelyn, ho « Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale d’Antananarivo »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-302 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Colonel HERINIAINA Rakotomalala, ho « Directeur de la Logistique et de l’Intendance du Commandement » de la Gendarmerie nationale.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-542 tamin’ny 13 may 2016 ary manendry ny Colonel RANDRIANJARA Flobert, ho « Directeur Technique auprès du Commandement de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-314 tamin’ny 17 martsa 2021 ary manendry ny Colonel RAZAFIMANDROSO Aurélien, ho « Directeur Technique auprès de la Direction Générale de la Sécurité Routière".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division RANDRIAMANESY André, ho « Inspecteur Général à l’Inspection Générale de la Gendarmerie nationale »
    •  
  • IV- SAMIHAFA

    Nisy ny famelabelarana nataon’ny Filohan’ny CSI Sahondra Rabenarivo mikasika ny Paikadim-pirenena mikasika ny ady amin’ny Kolikoly izay nasiana fanatsarana, ny politikam-pirenana momba fanjakana tsara tantana, ny asan’ny CSI sy ny fifandraisan’izany amin’ny asam-panjakana. Isan’ny nampatsiahiviny tamin’izany ny mikasika ireo fampitam-baovao noraisina teo anivon’ny filankevitry ny Ministra ny 20 febroary 2019 izay nijery manokana mikasika ireto teboka manaraka ireto:

    • Ny fanadiovana ny tsenam-panjakana ka iadivana amin’ny « marché fictif », ny fanadiovana ireo fanadinam-panjakana hidirana mpiasam-panjakana ambony, ny ady amin’ny kolikoly amin’ireo sehatr’asa ianteheran’ny fiainan’ny vahoaka : fitsarana, fitandroana ny filaminana, ny hetra, ny fadintseranana.
    • Ny tsy maintsy hanasaziana ireo mpanao kolikoly.
    • ny fanitsiana ny Paikadim-pirenena mikasika ny ady amin’ny kolikoly mba hifandraika amin’ny IEM/PGE (Initiative pour l’Emergence de Madagascar/ Politique Générale de l’Etat).
    • Ny fanomezana lanja ny fisorohana na “prevention” izay mifanindran-dalana amin’ny famaizana na “repression”.
    • Ny fanatsarana ny isa azo na scores/ indices amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fandraisain’ireo Minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana ireo fepetra mahomby hisorohana ny kolikoly.
    • Ny fanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ny CSI na renforcement institutionnel du CSI.

    Betsaka ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana mikasika ny sehatry ny ady amin’ny kolikoly raha tsy hiteny afatsy ny fandraisan’ny Filoham-pirenana ny didy hitsivolana mikasika ny “Recouvrement des avoirs illicites”. Nentanin’ny Filoham-pirenena ireo Minisitra mba hitandrina amin’ny fanatanterahana ny andraikitr’izy ireo mba ho lavitry ny kolikoly, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanomezana tsenam-baro-panjakana.

                                 

Natao androany faha alarobia 15 septambra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika