TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 11 AOGOSITRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA ARY NY JONO

    Nankatoavina ny fanomezana ny tsenam-barotra andiany voalohany (premier lot) fanafarana ombivavy be ronono « race normande sy Monbéliarde » miisa 165 ho an’ny Orinasa « Union Coop Export Commerce animaux MONTB » izay « Société coopérative agricole » any Roulans Frantsa. Tsenam-barotra na « marché de gré à gré » tapaka tamin’ny Filankevitry ny Ministra ny alarobia 04 aogositra lasa teo. Ilay orinasa voalohany izay notombanana ho nahafeno ny fepetra tamin’ny herinandro lasa teo mantsy, rehefa tena natao ny fanadihadiana farany, dia tsy nahafeno tanteraka ireo fepetra rehetra notakiantsika Malagasy.

    Raha tsiahivina dia ho fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ronono sy ny fiompiana ombivavy be ronono, ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono dia hanafatra ireo omby vavy be ronono ireo izay ho tonga amin’ny alalan’ny fitaterana entana an’habakabaka na cargo.

    Ny MAEP sy ny FIHARIANA no niara-nitsirika ireo orinasa mpamatsy ombivavy be ronono. Ary ny fanafarana azy ireo dia manaja ireo fenitra arapahasalamana apetraky ny OIE (Organisation Mondiale pour la santé Animale) sy ireo fenitra heverin’i Madagasikara fa tena ilaina ho fiarovana ny fiompiana manerana ny Nosy.

    Izany dia ho famelomana haingana ny toekarena nasionaly sy ny sehatry ny Fiompiana amin’izao vanim-potoana aorian’ny Covid izao. Nankatoavina ihany koa ny hanomezan’ny Ministera mivantana ny tsenam-barotra ho an’io orinasa voalaza etsy ambony io.

     

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA sy VOLAVOLAN-DALANA :

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny « Inscription au tableau d'avancement, promotion et nomination des officiers de carrière de la Gendarmerie nationale, à titre exceptionnel»

    Izany dia ho famporisihana ireo zandary am-perinasa ao anatin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany, indrindra mandritra ireo asa sarotra sy mihatra aman’aina, ary koa ho fankasitrahana azy ireo noho ny fihetsika feno fahasahiana sy ny herim-po ananany. Ankehitriny dia ireto zandary voalaza anarana manaraka ireto no misitraka izany « inscription au tableau d’avancement, promotion et nomination » izany :

    • Ny « Chef d'escadron » RANDRIANIRAINY Malalantenaina Pacôme, izay atolotra ho eo amin’ny laharana « LIEUTNANT-COLONEL » ;
    • Ny « Chef d’escadron » RAMAHANDRIMANANA Andriamavolahy Rijaniaina, izay atolotra ho eo amin’ny laharana « LIEUTNANTCOLONEL » ;
    • Ny Lietnà RAZANAKOTONIRINA Herimaminiaina, izay atolotra ho eo amin’ny laharana « CAPITAINE » ;
    • Ny GPHS TSIMAHAVINITRY Elisé Kola, izay atolotra ho eo amin’ny laharana « SOUS-LIEUTNANT » ;
    • Ny GPHC RAKOTOARIVELO Hajaniaina Marius, izay atolotra ho eo amin’ny laharana « SOUS-LIEUTNANT »
    •  
  • III- FANAFOANANA :

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    • laharana faha 2016-1251 tamin’ny 05 oktobra 2016,
    • laharana faha 2017-360 tamin’ny 10 may 2017,
    • laharana faha 2018-1120 tamin’ny 29 aogositra 2018,
    • laharana faha 2019-307 tamin’ny 07 martsa 2019,
    • ary ny laharana 2019-1977 tamin’ny 16 oktobra 2019

    izay nanendry ireo « Ireo inspecteurs sy Inspecteur général adjoint » eo anivon’ny Inspection générale de la Gendarmerie Nationale

     

                                 

Natao androany faha 11 Aogositra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika