TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 04 AOGOSITRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavina ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa aratoekarena miaraka amin’i Royaume-Uni (UK)

    Nankatoavina nandritry ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 22 oktobra 2019 ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy ny Royaume-Uni (UK). Io fifanarahana io dia mifehy ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Royaume-Uni sy ireo firenena miisa 5 aty Afrika Atsinanana sy Atsimo dia i Comores, Madagascar, Maurice, Seychelles ary Zimbabwe, taorian’ny fisitahan’i Royaume-Uni tao anatin’ny Vondrona Eoropeana. Hatramin’izao dia i Madagasikara sy Comores sisa no tsy nahavita izany fifanarahana izany.

    I Madagasikara dia nikasa hanao ny fanaovan-tsonia an’io fifanarahana io nanomboka ny taona 2020, izay mahakasika seha-piaraha-miasa miisa telo toy ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy fampandrosoana, ny fidirana amin’ny tsenam-barotra ary ny jono. Amin’ny maha-zava-dehibe io fifanarahana io, ireo manam-pahefana britanika dia maniry ny hanaovana izany fanaovan-tsonia izany any Londres.

    Tsara ho fantatra fa io fanaovan-tsonia io dia hiantoka ny fitohizan’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy UK ary ny fifanakalozana eo amin’ireo mpandraharaha eo amin’ny tsena britanika.

    MINISTERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny mikasika ireto NPE na « Nouveaux Projets Émergents» vitsivitsy ireto, eo anivon’ity Ministera ity:

    1- « Complément Pack complet Préfecture 2020 » mba hahatonga azy ireo hanara-penitra (famitana tanteraka ny asa fanamboarana, fanamboarana ny eo ivelany ny birao, équipements na fividianana entana). Ary any amin’ireto toerana manaraka ireto ireo prefektiora voakasika amin’izany: Antsiranana, Nosy-Be, Fianarantsoa, Toliary, Tsiroanomandidy, Morondava, Mananjary, Manakara, Ambositra, Antsirabe

    2- « Complément Pack » ho an’ireo biraom-paritry ny BNGRC 2020 any Mahajanga sy Toamasina. Ny famitana ny fanamboarana tanteraka ireo biraon’ny BNGRC any amin’ireo faritany roa ireo. Hirosoana ny fanamboarana ny ivelan’ireo birao ireo na « aménagement extérieur » sy ny fampitaovana azy ireo.

    3- Fividianana « 03 Packs de 05 engins de travaux publics » izay misy Compacteur, Niveleuse, Camion arroseur, Bulldozer ary Chargeuse.

    4- Fanamboarana Biraon’ny Kaominina an-drenivohitra Manara-penitra miisa fito : ka ny iray Bâtiment : 575m2, blocs sanitaires miisa roa izay mirefy 50m² tsirairay avy. Ary mahakasika ireto kaominina manaraka ireto : Ambatofinandrahana, Port-Bergé, Ikongo, Andilamena, Fandriana, Farafangana ary Ambatondrazaka.

    5- Fanamboarana ny biraon’ny kaominina ambanivohitra Manara-penitra miisa fito : bâtiment 435m2 ny iray, miaraka amin’ny fametrahana fefy na tamboho), bloc sanitaire iray izay mirefy 42m2. Ireto avy ireo faritra misy ireo kaominina ambanivohitra ireo : Berano ville (Amboasary), Fenoarivo Be, Nato (Vohipeno), Ankarana (Farafangana), Antanamalaza (Ambatolampy), Tsaratanana( Ifanadiana), Anosibean’Ala

    6- Fanamboarana Biraom-pokontany Manara-penitra miisa efatra. Ao anatin’izany ny « bâtiment » sy ny fampitaovana na « équipements ».

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA ARY NY JONO

    Nankatoavina ny fangatahana famatsiam-bola fanampiny ao anatin’ny PIP NPE ho an’ny fanafarana omby vavy be ronono ao anatin’ny NPE na "Nouveaux projets émergents".

    Ho fampiroboroboana ny sehatry ny ronono sy ny fiompiana ombivavy be ronono, ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono dia hanafatra omby vavy be ronono miisa 160, amin’ny karazany Normande avy any Frantsa. Mifandraika amin’izay indrindra dia ho fanampin'ny tetibola voarakitra eo anivon’ny « Fonds de Développement Agricole » izay mitentina iray (01) miliara Ariary dia neken’ny Filankevitry ny Ministra ny tetibola fanampiny ilaina amin’ny fanafarana ireo omby miisa 160 ireo, ny hanavaozana ny vala fiompiana omby ao Kianjasoa izay hatao vala fitokana-monina (parc quarantaine), ary ny hiantohana ny fikarakarana ara-pahasalamana sy ny sakafon’ireo omby mandritra ny fitokana-monina. Io vala fitokana-monina io dia azo ampiasaina hanokanamonina ireo karazam-biby hafa izay mety hafarana rehetra.

     Nankatoaviana, araka izany, ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono, mikasika ny tetibola fanampiny ao anatin’ny NPE. Ny MAEP sy ny FIHARIANA dia efa niara-nitsirika ireo mpamatsy omby vavy be ronono mamaly ireo fepetra napetraka, ka nanolotra ny orinasa « EVOLUTION INTERNATIONAL ». Ny fanafarana ireo ombivavy be ronono ireo dia manaja ireo fenitra ara-pahasalamana apetraky ny OIE (Organisation Mondiale pour la santé Animale) sy ireo fenitra heverin’i Madagasikara fa tena ilaina ho fiarovana ny fiompiana manerana ny Nosy.

    Izany dia natao ho famelomana haingana ny toekarena nasionaly sy ny sehatry ny Fiompiana amin’izao vanim-potoana hiatrehana ny Covid-19 izao. Nankatoavina ihany koa ny hanomezan’ny Minisitera mivantana ny tsenambarotra ho an’io orinasa voalaza etsy ambony io.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA sy VOLAVOLAN-DALANA :

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny fanomezana « bonification d'ancienneté de port grade » ho an’ny Manamboninahitra iray ao amin’ny Zandarimariam-pirenena

    Mba ho fandrisihana ireo mpiasa ao amin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitr’izy ireo, indrindra ny fanatanterahana ireo asa sarotra sy mampidi-doza, dia nankatoavina ny fanomezana « bonification d'ancienneté de port grade » mandritra ny telo volana ho an’ny Lieutenant RAZANAKOTONIRINA Herimaminiaina, izay nampiseho ny fahombiazany sy ny fahaiza-manaony tamin’ny alalan’ireo asa nataony, ka nahafahana nisambotra an’i JARISONE na JERISON sy ireo mpiray tsikombakomba aminy miisa dimy.

    Izy ireto dia dahalo mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fangalarana sy fanafenana ary famotsian’omby any amin’ny faritr’i Bealanana, Antsohihy sy Andapa. Io jiolahy raindahiny antsoina hoe JERISON io dia efa voasazy higadra nandritra ny fito taona tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy tamin’ny taona 2006, saingy nivoaka ny fonja izy, dimy taona taorian’izay satria nivadika ho raharaha politika ny raharaha momba azy.

    Marihina fa ireo Manamboninahitra lefitra miisa dimy izay nandray anjara tamin’io hetsika io dia efa nahazo « bonifications d'ancienneté de grade », izay nomen’ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovampirenena. Ny fanomezana valisoa toy izao dia mandrisika ireo mpiara-miasa mba hanatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo andraikiny, izay matetika mampidi-doza.

  • III- FANENDRENA :

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2019-504 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade PIKULAS Démosthène, ho Komandin’ny Akademia Miaramila na « Commandant de l’Académie Militaire », ao Antsirabe.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1489 tamin’ny 11 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANDAZA Derason Vincent, ho « Chef de District » an’Ikongo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-305 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Kolonely RAKOTONIRINA Lala Henri, ho Komandin’ny fanofanana manokana ny Zandarimaria na «Commandant des Formations Spécialisées de la Gendarmerie ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2018-781 tamin’ny 12 jolay 2018 ary manendry ny Kolonely RALAIBEZA Hubert Claudion, ho « Inspecteur à l’Inspection générale de la Gendarmerie »
  • IV- FANAFOANANA :

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2019-1589 tamin’ny 14 aogositra 2019 manendry ny Talem-paritry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy ao amin’ny Faritra Boeny.

     

                                 

Natao androany faha04 Aogositra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika