PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE

***

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 20 MARTSA 2019

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « VARY MORA HITSINJOVANA NY SAHIRANA-MASOMBOLY HANAMPIANA NY TANTSAHA»

    Ny antotan’isa navoakan’ny INSTAT dia milaza fa ny antsasa-manila ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka. Araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena dia tsy maintsy apetraka ireo tetik’asa hamonjena ny amehana ara-tsosialy « Plan d’urgence sociale » sy tan-tsoroka ho fanampiana ny vahoaka malagasy sy fitsinjovana manokana ireo tena marefo sy mahantra. Famantsiam-bolan’ny Fanjakana Malagasy no nentina nanatanterahana izany. 16 500 taonina ny vary no efa tonga ary hamidy arivo ariary (1000 Ar) ny kilao. Ferana ho telo (3) kilao ny vary mora hamidy ho an’ny tokatrano iray ary indroa isan-kerinandro eny anivon’ny Fokontany. Amin’ny alalan’ny kara-pokontany no ahafahana mividy izany. Ny fianakaviana sy sokajin’olona tena sahirana no hisitraka izany. Hanomboka ny asabotsy 23 martsa 2019 ho avy izao ny fanapariahana ireo vary mora ireo, ary haparitaka any amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Ho entitra ny fanaraha-maso sy ny fandaminana amin’ny fivarotana ity vary mora ity, ka hisy ny sazy henjana ho an’izay tratra manodikodina na mivarotra ambongadiny ity vary natokana hampihenana ny vesatry ny alafosan’ny vidim-piainana any amin’ny mponina tena sahirana ity.

    Etsy andaniny, tsinjovina manokana ireo tantsaha sy mpamboly mba hampitomboana ny vokatra ka hisy ny masomboly voafantina « hybdride » mitotaly 300t fanampiana avy amin’ny Sinoa hanatsarana ny voka-bary aty amintsika, izay ahafahana manatsara ny vokabary ao anatina velarantany 20.000 ha. Hampianarina ireo tantsaha amin’ny alalan’ny tetik’asa PAPRIZ iarahana amin’ny japoney hanatsara ny taham-pamokarana ankapobeny. Hapetraka eto amintsika ny fenitra eken’ny tsena iraisam-pirenena eo amin’ny vokatra vokarina eto an-toerana mba hahafahan’ny vokatra eto amintsika miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanafatra masomboly voafantina natao hoan’ny vary an-tanety avy atsy Afrika andrefana isika amin’ny alalan’ny Africa Rice ka ahafahantsika mamokatra vary tsara kalitao kokoa ao anatina velarantany 25.000 ha izay mifanentana amin’ny filan’ny tsena ivelany. Hisy hetsika manokana koa ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fikarohana lalam-barotra aty amin’ny faritra manodidina ny ranomasimbe indiana ary handrindra araka izany ny vokatra aondrantsika araka ny filan’ireo firenena samihafa mba hifanaraka amin’ny voly ataontsika ny kalitaon’ny entana sy ny tsiron’ny entana tadiavin’izy ireo.

    « 113.943.186.000 ariary avy amin’ny BAD natokana ho an’ny Corridors Vangaindrano – Faradofay sy Toliary-Manja »

    Noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny fankatoavana ny didy hitsivolana raisin’ny Filoham-pirenena, entina mankatoa ny famatsiam-bola azo avy amin’ny BAD na ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana, hamatsiana ny fanamboaran-dàlana sy ny fanajariana ny lemaka any amin’ny faritra atsimo na ilay tetik’asa corridors. Ho tontosaina ao anatin’ny 03 taona ho avy ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN12 A mampitohy an’i Vangaindrano sy Faradofay, ary ny lalam-pirenena RN9 tohiny miainga ao Toliary makany Manja ary indrindra ny fanamboarana ny tetezana mirefy 900 m ao Bevoay.

    « 150.000.000$ avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena natokana ho an’ny fampidiran-jiro hoana tokatrano miisa 810.000 sy toeram-pitsaboana miisa 750 manerana ny Nosy» :

    Noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny fankatoavana ny didy hitsivolana raisin’ny Filoham-pirenena entina mankatoa ny famatsiambola mitentina 150.000.000$ avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ho entina mampiditra jiro hoana tokantrano miisa 810.000 sy toeram-pitsaboana miisa 750 manerana ny Nosy. Mitsinjara toy izao izany famatsiam-bola izany : 80 tapitrisa dolara natao hanitarana ny asa fizaran-jiro amin’ny alalan’ny tambazotra sy amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina manerana ny Nosy, 55 tapitrisa dolara ho entina mamatsy ara-bola ny fampidirana herinaratra ho an’ireo toeram-pitsaboana miisa 750, ary 15 tapitrisa dolara entina handrindrana ny asa fampidiran-jiro sy ny hoenti-manatanteraka ny tetik’asa fampidiran-jiro manerana ny Nosy. Least Cost Electricity Acces Development (LEAD) no anaran’ity tetik’asa vaovao entina mamatsy herinaratra ity.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    « NAVERINA AMIN’NY MINISTERA NY EITI »

    Ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika dia nangataka ny fanitsiana ny didim-panjakana laharana 2017-736 tamin’ny 30 aogositra 2017, hamerina indray ny fiahiana ny EITI ho eo ambany fiahian’ny Minsitera rehefa teny amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra izany, ary dia neken’ny filankevitry ny minisitra androany. Izany dia mamaritra ny fitsipika mifehy ny EITI ka nasiam-panovana ao amin’ny andininy faha 3 izay milaza izany ankehitriny fa ny EITI dia manana ny fahaleovan-tenany eo amin’ny fitantanana sy ny ara-bola saingy eo ambany fiahian’ny ministera manomboka izao.

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena,

    Vice-Amiral RAKOTOARISOA Marie Jean Lucien dia voatendry ho “Secrétaire Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale » eo anivon’ny « Haut Conseil de la Défense Nationale ».

    Araky ny tolokevitry Minisitry ny raharaham-bahiny :
    • Commissaire de Police RANDRIANTIANA Maheriniaina Mahasolo, voatendry ho Tale misahana ny fitantana ara-bola
    • Atoa ANDRIAMANANONY Thierry, voatendry ho Tale mikarakara ny mpiasa
    Araky ny tolokevitry ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny toe-karena :
    • Atoa ROMALAHY Mande Isaora Zefania, Tale Jenaralin’ny « Institut National de la Statistique »
    • Atoa RANDRIAMBOAVONJY Jean Angelson, Talen’ny Tranom-Pirintim-pirenena (Imprimerie Nationale)
    • Ramatoa RAHARIMANGA Mbolatiana, Tale jeneraly misahana ny Toe-karena sy ny Teti-pivoarana
    • Atoa RAKOTONDRAMANANA Onja Miandry, Tale misahana ny « Législation Fiscale et du Contentieux »
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana :
    • Atoa RAKOTONIERA Toky Nirina Ambinintsoa, voatendry ho lehiben’ny distrikan’Antananarivo II.
    • Atoa RAMASY Solondady Pierrot, voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ambilobe.
    • Atoa RAFIDISON Fidèle, voatendry ho lehiben’ny ditsrikan’i Mampikony.
    • Atoa ANDRIAMIHARISOA Masy, voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ambalavao
    • Voatendry ny lehiben’ny distrikan’i Port Berger
    • Atoa. RANDRIAMBOAVONJY Tahirihasina Mathieu, voatendry ho Prefet Tsiroanomandidy
    • Atoa. RABEMAMORY Adèle Bienheureux, voatendry ho Préfet an’Antsiranana
    • Atoa. RABENANDRIAMANITRA Louis Sabbatin, voatendry ho Préfet an’i Sambava
    • Atoa. Manajara Lucien, voatendry ho Prefet an’i Nosy-BE
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :
    • Atoa RAKOTONIERA Toky Nirina Ambinintsoa, voatendry ho lehiben’ny distrikan’Antananarivo II.
    • Atoa RANDRIANANDRASANA Hajaniaina, voatendry ho Tale jeneralin’ny Asa vaventy
    • Atoa RAHAINGOSON Harifidy Haja, voatendry ho Talen’ny serasera
    • Ramatoa RAKOTO Bebiarivola Marie-Louise, voatendry ho Sekretera Jeneraly
    • Atoa RANDRIANASOLOARIMINA Tiana, voatendry ho Mpandrindra ankapobeny ny tetikasa eo anivon’ny ministera
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana ara-kasa :
    • Mme. RAVELOSON Julie Anna, voatendry talen’ny fanofanana ny daholobe (Formation de Masse.)
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :
    • Atoa RAKOTONIERA Toky Nirina Ambinintsoa, voatendry ho lehiben’ny distrikan’Antananarivo II.
    • Professeur RAVELOSON Nasolotsiry Enintsoa, voatendry Talen’ny « Centre d’Aides Médicales d’Urgence de Madagascar ».
    • Docteur RAVONIARISON Davida Rosivel, voatendry Talen’ny « Caisse Nationale de Solidarité. »
    • Docteur HARISOA JULIE NOROVOAHANGY, voatendry Talen’ny fandalinana sy ny teti-pivoarana ary ny lamina fampitam-baovao
    • Docteur RAFALIMANANTSOA-SOLOFONIAINA Armand, voatendry Talen’ny « Veille Sanitaire de la Surveillance Epidémiologique et Riposte »
    • Docteur TIDAHY Noromalala Sylvie, voatendry Talen’ny « Santé Familiale »
    • Docteur HOTAHIENE Raphael, voatendry Tale miadidy ny ady amin’ny areti-mifindra
    • Docteur ANDRIANTAHINA Jafeta Benony, voatendry Tale misahana ny Soins de Santé de Base.
    • Docteur RAKOTOARISON Vincent, Voatendry Tale misahana ny Lutte contre les Maladies Non Transmissibles.
    • Ramatoa RATSIMBAZAFIMAHEFA Hanitra Myriam, voatendry Tale misahana ny « Agence du Médicament de Madagascar ».
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fambolena, fiompiana ary jono :
    • Ramatoa RAHARINOMENA Fanja Miharisoa, voatendry mpandrindra ny « Cellule de Coordination et d’Appui aux Projets et Organismes Rattachés »
    • Atoa RABEONY Voara Ambinintsoa, voatendry Talen’ny « Affaires Juridiques et Contentieuses »
    • Atoa RAKOTONDRAZAKA Andriamahefa, voatendry Talen’ny misahana ny « Appui à la Formation Agricole et Professionnalisation des Producteurs et Pêcheurs. »
    • Ramatoa RAKOTONIAINA Herisoa Marinà, voatendry Tale misahana ny « Appui à l’Agro-business »
    • Atoa RAMAROSON Lantonirina Harivelo, voatendry Tale jeneralin’ny fambolena.
    • Ramatoa RATSIMBASON Miora Z., voatendry Talen’ny Serasera sy ny lamina fampitam-baovao
    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :
    • Ramatoa RAZANAKOLONA Harivao Fenosoa, voatendry Talen’ny « Réglementation Environnementale et de Sécurité (DRES) »
    • Ramatoa NOMENJANAHARY Harivola Angéline Hardy, voatendry Talen’ny Suivi et de la Réglementation des Ressources Stratégiques (DSRRS).
    • Atoa RAVELOJAONA Andriamintantsoa Heritiana, voatendry Talen’ny Gestion des Activités Minières
    • Ramatoa RANAIVOSAONA Hanitriniala Heritiana Ginah, voatendry Tale misahana ny mpiasa.
    • Atoa RAKOTONJANAHARY Fidèle, voatendry Talen’ny Police des Mines (DPM)
    • Ramatoa RANDRIANARIVELO Sedera Andrandraina, voatendry Talen’ny serasera sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny fitanterana, fizahantany ary famatarana ny toetr’andro :
    • Atoa RAHARIDERA Ndrosoniaina, voatendry Tale misahana ny fitantanana sy ny fandrindrana ara-bolan’ny sekoly « Ecole Nationale d’Enseignement de l’Aéronautique et de la Météorologie (ENEAM) ».
    • Atoa RABEANDRIAMARO Hajatiana, voatendry Talen’ny « Sécurité et de la Sûreté des Secteurs Transport et Tourisme »
    • Ramatoa RINDRASOA Nadia, voatendry Talen’ny fitaterana an’habakabaka
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny asa, fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny làlana sosialy :
    • Ramatoa RASOANTSIGIZINA Eudoxie, voatendry Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny fampananan’Asa
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tànana:
    • Ramatoa RAMALANJAONA Irina Sandrine, voatendry Talen’ny Serasera.
    • Ramatoa RANOELIMANANA Vahinisoa Seheno, voatendry Tale misahana ny « Affaires Juridiques »
    • Atoa RAJAONARIVELO Maminiaina Andry Tahiana, Talen’ny lamina fampitam-baovao
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :
    • Atoa RANAIVOMANANA Lala Noelison Jacques, voatendry Sekretera Jeneraly
    • Ramatoa RABEARIVOLOLONA Ony Malalaniaina, voatendry Tale Jeneraly misahanany fampandrosoana maharitra
    Araky ny tolokevitry minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :
    • Ramatoa RABETALIANA Rova, voatendry Tale misahana ny « Gender Mainstreaming »
    • Atoa PAUL BOSCO Armand, voatendry Tale misahana ny mponina.
    • Ramatoa NOMENJANAHARY ANDRE Tafita Sereine, voatendry Tale misahana ny « Promotion de la Femme et du Genre »
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena :
    • Ramatoa RATOVOSON Tahina Juliana, voatendry Tale Jeneraly misahana ny Tanora (DGJ)
    • Ramatoa RAKOTOZAFY Lalanirina Rosa, voatendry Tale Jeneraly misahana ny fanatanjahantena (DGS)
    • Atoa RAZAFIMAHATRATRA Lalanirina, voatendry Tale misahana ny fitantanana sy ny ara-bola
    • Ramatoa HANITRINIAINA Lynda, voatendry Tale misahana ny mpiasa (DRH)
    • Atoa RAVONIMANANTSOA Salimoharijaona Minosoa Jonah, voatednry Tale misahana ny Programmation et des Appuis (DPA)
    • Atoa RAJOHARISON Lantoarivelo Andrianina, voatendry Tale misahana ny « Civisme, de la Paix et du Développement Durable (DCPD).
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina :
    • Atoa RATOVONIRINA Faly Andrianintsoa, voatendry Tale misahana ny « Arts et de la Promotion Artistique »
    • Atoa Andrianjaka Hasina Maminirina RAONISON, voatendry ho Tale misahana ireo trano famakiamboky.
  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didim-panjakana :

    Araka ny minisitry ny raharaham-bahiny :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly nisahana ny « Opérations et des Ressources »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Organisations Economiques Internationales »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Coopération pour le Développement »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Promotion de la Diplomatie des Collectivités ».
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahanany « Organisations Non Gouvernementales Etrangères »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « communication et Image de Marque »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fifandraisana tamin’ny Vondrona Eoropeana.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Etudes et de la Planification
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Audit et Contrôle »
    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny ati-tany sy ny fitsijaram-pahefana :
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Préfets.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Administration du Territoire »
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fitantanana sy ny ara-bolan’ny ANALOGH.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Inspecteur Général ny ministeran’ny asa vaventy.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Filoha mpitantana ny Filankevim-pitantanan’ny Institut National de l’Infrastructure (ININFRA).
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampiarana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny tale nisahana ny mpiasa teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny lamina fampitam-baovao teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fitantanana sy ny ara-bola tao amin’ny teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nishana ny « Patrimoine et de la Logistique » teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny Formation Professionnelle Qualifiante teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny Formation Professionnelle des Petits Métiers de Bases teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Talem-paritry ny Fampianarana teo anivon’ny fanabeazam-pirenena
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Talem-paritry ny Sekoly teknika sy ny fampianarana arak’asa.
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny « Coordonateur Général des Programmes du Ministère des Ressources Halieutiques et de la pêche. »
    Araky ny tolokevitry ny minisitra misahana ny harena ankibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika:
    • Ny didim-panjakana nanendry ny mpikambana ao anatin’ny Filan-kevim-pitantanan’ny OMNIS.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny BCMM.
    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny asa, fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy:
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Formation Continue » tao amin’ny ENAM.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny CNaPS
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :
    • Ny didim-panjakana nanendry tale nisahana ny Fampianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny lamina fampitam-baovao.
    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tànana :
    • Ireo didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly ary Tale Foibe sy Tale iraisam-paritra isantokony tao amin’ny Ministeran’ny indostria sy ny fampandrooana ny sehatra tsy miankina
    • Ireo didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneraly, ny Tale foibe ary ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana.
    • Ireo didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny Professionnalisation de l’Artisanat, ny Tale nisahana ny « Normes et de la certification » ary ny Tale nisahana ny « Appui à l’Artisanat ».
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Ecologie
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Environnement.
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly nisahana ny « Développement Numérique. »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly nisahana ny « Opérations »
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny Lamina fampitam-baovao.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fanarahamaso teknika.
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena :
    • Ireo didim-panjakana nanendry ireo Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miisa (22).
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly nisahana ny tetim-pivoarana sy ny fandrindrana (DGPC)
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Coordination Nationale du Volontariat » teo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Conservatoire National de Madagascar » tao amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa-tanana ary ny fiarovana ny harentsaim-pirenena
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale jeneralin’ny OFNAC
    • Ny didim-panjakana nanendry ny mpiandraikitra ny OSCAR
    • Ny didim-panjakana nanendry ny mpandrindra nasionalin’ny IVO-KOLO CEMDLAC
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nitantana ny tahiry LOVAKO « Loharano Otrika Vola An’ny Kolontsaina
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ireo Tranom-boky tao amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa-tanana ary ny fiarovana ny harentsaim-pirenena.
    • Ny didimp-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Régulation des Médias » tao amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa-tanana ary ny fiarovana ny harentsaim-pirenena.