TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 27 JANOARY 2021 -

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    1500 ariary ny kilaon’ny Vary Tsinjo amidy amin’ireo tsenakely sy ny Tsena Mora manerana ny Nosy:

    Hanomboka  eto  Antananarivo  Renivohitra,  amin’ny  zoma  izao  ny fitsinjarana sy famarotana ireo Vary Tsinjo natokana hitsinjovana ny isan- tokantrano nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Hiparitaka any amin’ny faritra manerana ny Nosy izany amin’ny herinandro ho avy.

    1500 ariary ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpanjifa ka 05 kilao isan- kerinandro  no  azon’ny  isam-pianakaviana  vidiana.  Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia hotsinjaraina any amin’ireo tsenakely miisa 984 izany ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny fanodikodinana.

    Isan’ireo hivarotra amin’ny vidiny mirary 1500 ariary ny kilao ity vary ity ny Tsena Mora manerana ny Nosy ka ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma no hanatanterahan’izy ireo izany.  Mila mitondra ny karinem-pokontany ireo mividy vary eny amin’ny tsenakely sy eny amin’ny Tsena Mora. Izany no natao dia mba hisian’ny fifampitsinjovana sy hiantefa any amin’ireo mpanjifa tena mila izany ny vary amidy amin’ny vidiny mirary.

    Mifanaraka tsara amin’ny fepetra ara-pahasalamana ity vary nafarana ity ary efa nahazo ny « certificat de consommabilité» ho an’ny olombelona avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fahazoan-dalana amidy avy amin’ny ministeran’ny Varotra.

    Famatsian-drano ho an’Antananarivo sy manerana ireo toerana saro-drano :

    Ho  famatsiana  rano  an’Antananarivo  sy  ireo  faritra mijaly  rano manerana ny Nosy dia hanao lava-drano ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano sy ny Jirama ho famatsian-drano azy ireo. Efa madiva hifarana  ny  fanadihadiana  ara-teknika  ataon’ny  ministeran’ny  rano  ka hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano ka ahitana « nappe phréatique » afaka ahazoana mamatsy  rano ireny toerana ireny. Ny rano  azo  avy  amin’izany  dia  hatao  hidiovana,  hanasan-damba,  sy handrahoina sakafo ary hampangotrahana vao azo sotroina.

    Notolorana  ny  Masera  Karmelita  ny  toeram-pitsaboana  iasany  ao Befelatanana :

    Ho tohin’ny  fikarakarana  ny  fahasalamam-bahoaka  dia  neken’ny Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fangatahana  ny  toerana  iasan’ireo  Masera Karmelita mikarakara ny marary nandritra ny 60 taona etsy amin’ny Hopitaly Befelatanana.

    Fametrahana sy fitantanana ny Zone Industrielle ao Moramanga :

    Ny SONAPAR no hisolo tena ny Fanjakana amin’ny fametrahana ny tetikasa hitantanana ny « Zone Industrielle » etsy Moramanga mirefy 80ha iarahana amin’ny orinasa Maorisianina Mauritius-afriva Funds Ltd na ny MAF.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fametrahana ny « Base Aérienne 213 ».

  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena:

    • Général de Brigade RANDRIA HARISON Thierry Pascal dia voatendry ho « Sous-Chef d’Etat-Major en charge des Opérations » .

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :

    • Atoa  RAMIANDRISOA  Jocelyn  William,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Opérations de l’Agence Routière. »
    • Atoa RANDRIAMBOLOLONA Eddy Nirina Hery, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny « Agence Routière ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : 

    • Atoa JEAN Vely, dia voatendry ho Talem-paritry ny Fanabeazam- pirenena any SAVA.
    • Atoa RABEMANANJARAHAJA Angelo Remi, dia voatendry ho Talem- paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Boeny. 
    • Atoa RAZANATSOA Solofomiandra, dia voatendry ho Chef de l’Unité de Communication

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Ramatoa RABENOROHANTA Aina Diamondra, dia voatendry ho Tale misahana ny raharaham-pitsarana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono :

    • ATOA  LEZOMA  Tsiry  Andriamahatola,  dia  vaotendry  ho  Tale Jeneralin’ny Fiompiana.
    • Atoa KOFOKY Christian Félix, dia voatendry ho Talem-paritra ao Bongolava.
    • Atoa RADAVIDSON Hervé Patrick, dia vaotendry ho Tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola.
    • Atoa RANDRIANANTENAINA  Toarson, dia voatendry  ho  Tale Jeneralin’ny « Ivo-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » (IFVM).
    • Atoa RAJERISON Jean Hubert, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :

    • Atoa LAHITENDRY Roge Flavien, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanam-bola sy ny « Patrimoine ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Ramatoa RAZAIVAOVOLOLONIAINA  Helinoro Diamondra , dia voatendry ho tompon’andraikitry ny  « Unité de Coordination, Suivi-Evaluation et d’Analyse ».

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Minisitry   Tontolo   iainana   ary   ny Fampandrosoana Lovain-jafy :

    • Atoa KOFOKY Amyot Félix dia voatendry ho talem-paritra ao Atsimo- Atsinanana.
  • III- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-691 tamin’ny 10 aprily 2019 nanendrena ny Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Fampianarana  Ambony  sy Fikarohana ara-tsiantifika:

    • Foana ny ampahany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2019- 711 tamin’ny 10 aprily 2019  nanendrena ireo Filohan’ny Oniversite, izay mahakasika ny Filohan’ny Oniversite an’i Mahajanga Professeur TIANDAZA  Dinaraly  Odilon ary  koa  ny  fananganana  ny  Komity mpisolo toerana hitantana ny Oniversite ny Mahajanga

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Minisitry   ny   Tontolo   Iainana   sy   ny Fampandrosoana Lovainjafy :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha -2020-852 tamin’ny 29 jolay 2020 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Fampandrosoana Lovain- jafy. 

                                 

Natao androany faha 27 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika