TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 02 DESAMBRA 2020 -

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FANDALINANA NY DRAFITRY NY PEM :

    Naroso teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandalinana ny drafitra hitondra ho amin’ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny PEM. Isan’ny nomen-danja amin’izany ny fametrahana ny tanjona  sy  vina  sy  ny  teti-bidy  mifandraika  amin’izany araka  izay voafaritra ao anatin’ny velirano sy ny politika ankapoben’ny fanjakana ary ireo vina voalaza tao amin’ny IEM. Marihana fa efa maro ireo tetikasa natomboka  araka  izay  voasoritra  ao  anatin’ny  politika  ankapoben’ny fanjakana tafiditra ao anatin’ity PEM ity.

    Fampandrosoana azo tsapain-tanana sy azo refesina ao anatin’ny fohy ezaka, antenantenan’ezaka ary lavitr’ezaka mba hahafahana mametraka zavatra  tsara  sy  mendrika  ho an’ny  taranaka  faramandimby no handrafitra izany. Hoentina miatrika ireo mpamatsy vola rehetra sy ireo vonona hampiasa ny volany eto Madagasikara ity PEM ity tsy ho ela.

    FAMPITAOVANA AVY AMIN’NY PNUD HO AN’NY RAFIM-PITSARANA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an- tanana ny hetra sy ny haba mifandraika amin’ireo fampitaovana nomen’ny PNUD, ho an’ny rafim-pitsarana isan-tsokajiny eto Madagasikara, izay ahitana solosaina sy ireo kojakoja rehetra amin’izany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna mameno ny  andininy  faha  38  ao  anatin’ny  lalàna  laharana  2018-027  tamin’ny 08 Febroary 2019 mikasika ny maha olom-pirenena sy ny soram-piankohonana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, sy  ny  Minisitry  ny  Fitsarana  ary  ny  Minisitry  ny  toe-karena  sy  ny Fitantanam-bola :

    Nolaniana ny didim-panjakana manazava ny fomba fiasa sy ny firafitry ny Foibe toerana mitahiry ny maha olom-pirenena sy ny soram-piankohonana na ny Centre National d’Etat Civil et de l’Identité (CNECI).

  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry Minisitry ny Rahaham-bahiny :

    • Atoa IRODIA Misalintsoa, dia voatendry ho Tale misahana ny arifenitra.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Ramatoa   BOTOTSAKO   Vonjy   Manantenasoa,   dia   voatendry   ho lehiben’ny distrikan’i Toliara II.
    • Ramatoa  RAZAFITSIMIHANTA  Dorcile, dia voatendry ho  lehiben’ny distrikan’i Benenitra.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny  Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy , ny Fampiroboroboana ny Vehivavy :

    • Ramatoa ANNICK Gilberte dia voatendry ho Sekretera Jeneraly.
    • Ramatoa ZAFERA Victoria Andréa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Promotion de la Femme et du Genre ».
    • Atoa   RAKOTOARISOA   ANDRIAMIADANA   Herimampionona   dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information ».
  • IV - FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1628 tamin’ny 09 desambra 2015, ny didim-panjakana laharana faha-2009-526 tamin’ny 08 may 2009, ny didim-panjakana laharana faha 2009-527 tamin’ny 08 may 2009, ny didim- panjakana laharana faha 2015-1630 tamin’ny 09 desambra 2015 ny didim- panjakana laharana faha 2015-1629 tamin’ny 09 desambra 2015 nanendry ireo Sekretera  Jeneraly,  ireo Tale  Fampandrosoana  isam-paritra ary  ireo  Tale misahana fitantanana ankapobeny eny anivon’ny  faritra ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania, Ihorombe, Melaky.

                                 

Natao androany faha 02 Desambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika