TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 30 OKTOBRA 2020

 NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 30 0KTOBRA 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA:

Nodinihana sy nolaniana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra androany ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola sy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2021, ary natolotra any amin’ny Antenimieram-pirenena,  hodinihan’izy ireo mandritra  ny  fotoam-pivoriana  ara-potoanan’ny  Antenimieram-pirenena, araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàm-panorenana ny andininy faha 75 tapany faharoa

Natao androany faha 30 Oktobra 2020
Ny sampan-draharaharan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika