TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 21 OKTOBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    591 ireo olona mandray volam-panjakana haato tsy handray karama intsony manomboka ny faran’ity volana Oktobra ity ary hampiakarina Conseil des Disciplines taorian’ny fitsirihana natao tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny AUGURE. Izy ireo dia olona nandray vola nefa tsy miasa na tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna fa nandray volam-panjakana. Miisa 7007 ireo mbola eo am-panamarinana ny momba azy ireo ny ao amin’ny fitantanam-bola ankehitriny.

    ADY AMIN’NY FIHANAHAN’NY COVID-19 :

    Nomena fanalefahan-ketra ireo fitaovana nafarana nilaina entina miady amin’ny valan’aretina Covid-19.

    ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO :

    Efa nisy ny fidinana ary hisy ny fandaminana manokana handrindrana ny asa sy ny fandefasana ireo miaramila mpitsabo hitantana ireo “Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale”. Hisy koa ny fandalinana sy fanamafisana ireo tetikasa maharitra sy fotodrafitrasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo ary ko any fandrindrana ny fanampiana rehetra entina manohana ireo mpiray tanindrazana any atsimo.

    VOARARA NY FANONDRANANA HAZO MAKANY IVELANY :

    Azo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra. Saingy raràna kosa ny fivarotana sy fanondranana izany any ivelany. Ireo vokatra efa voarafitra ihany no azo haondrana.

    Miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna ka ireo tahirin-kazo ihany no azo amidy sy ampiasaina, mbola voarara ny fanapahana hazo.

    Hisy ny mason-tsivana amin’ny famoahana ireo vokatra.

    Hapetraka ny tambazotra fanaraha-maso ny fivezivezen’ny hazo sy ny famoahana izany isam-paritra.

    Hamafisina ny fiarovana ireo faritr’ala mba hisorohana ny fanapahana hazo sy fitrandrahana tsy ara-dalàna. Ary ampitomboina ny faritra hovolena hazo mba hahatrarana ny tanjona handrakotr’ala an’i Madagasikara. 

  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    • Atoa RABEFENARA Louis Velombita, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Beroroha.
    • Atoa RANDRIAMANDIMBISATA Enintsoa Vonimbola, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Ifanadiana.
    • Atoa RAVOZANAKA Arilala José, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ikalamavony.
    • Atoa ANDRIASY Vonjy Maminjanahary, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Ambohimahasoa.  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena : 

    • Atoa RANDRIANARIVO Hasiniaina Richard, dia voatendry ho Tale misahana ny « Enseignement Secondaire »
    • Ratoa RAZAFIMANANTSOA Elisah, dia voatendry ho Tale misahana ny « Office National de la Prévention des Accidents Scolaires (ONaPASCOMA)»

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa:

    • Atoa ANDRIANAINARIVELO Mahandrimanana, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de Formation Professionnelle des Personnes en Situation d’Handicap ».
    • Atoa AUGUSTIN Laihova, dia voatendry ho Tale misahana ny «Apprentissage des Métiers de Base »
    • Atoa MBOLA Versène Zéphyrin, dia voatendry ho Tale « Institut National de Formation du Personnel des établissements d’enseignement technique et de formation professionnelle ».
    • Atoa RAFARALAHY Berthin, dia voatendry ho Tale « Patrimoine et de la Logistique ».
    • Ramatoa RAHARISOAMALALA Lydia Marie Jeanne, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ingénierie de la Formation Professionnelle ».
    • Atoa RAMIANDRARIVO Aina Andriamijery, dia voatendry hoe Tale misahana ny «Etudes et Recherches sur les Compétences Professionnelles ».
    • Atoa RASAMIMANANA Lysias Lyell, dia voatendry ho Tale miandraikitra ny Mpiasa.
    • Ratoa RAZAFIARIVONY Lina Iarisoa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ingénierie Pédagogique ».
    • Atoa TAHADRAY Jean Tsitaitse, dia voatendry ho Tale misahana ny « Enseignement Technique et Professionnel ».
    • Ratoa TSIKASIHY Fanjanirina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Curricula et de l’Assurance Qualité ». 

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa NIHERASON Dina Jerry Thimon, dia voatendry ho tale misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny ORTM.
  • III – FANAFOANANA :

     Ny Filankevitry ny Minisitra dia nandray ny didy manafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-716 tamin’ny 01 jolay 2020 nanendrena ny « Coordonnateur de la Cellule de Contrôle Interne ».
    • Foana ny didim-panjakana faha 2019-1241 tamin’ny 06 jona 2019 nanendrena ny « Conservateur de l’Office du Site Culturel d’Ambohimanga Rova (OSCAR) ». 

Natao androany faha 21 Oktobra 2020
Ny sampan-draharaharan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika