FIADIDIANA NY REPOBLIKA
***
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2020 -070 Anendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governamanta

NY FILOHAN'NY REPOBLIKA,
- Araka ny Lalam-panorenana;
- Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019,anendrena ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta;
- Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta,

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO:

Andininy 1.-Tendrena ho mpikambana ao amin'ny Governemanta ireto olona voalaza anarana manaraka ireto:


Voatendry ho Minisitry ny Fiarovam-pirenena :
Général de Corps d’Armée RAKOTONIRINA Léon Jean Richard


Voatendry ho Minisitry ny Raharaha-bahiny :
Docteur TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Liva


Voatendry ho Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna :
Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard


Voatendry ho Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola :
Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard


Voatendry ho Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna :
Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Tianarivelo


Voatendry ho Minisitry ny Filaminam-bahoaka :
Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys


Voatendry ho Minisitry ny Fanajariana ny Tany, sy ny Asa Vaventy :
Andriamatoa ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona


Voatendry ho Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa
Ramatoa ANDRIAMANANA JOSOA Iarintsambatra Rijasoa


Voatendry ho Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka:
Professeur AHMAD Ahmad


Voatendry ho Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono :
Andriamatoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien


Voatendry ho Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo :
Andriamatoa RAMAROLAHY Christian


Voatendry ho Minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana:
Ramatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary

Voatendry ho Minisitry ny Harena Ankibon'ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika :
Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo


Voatendry ho Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr'andro :
Andriamatoa RANDRIAMANDRANTO Joel


Voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna :
Ramatoa RAMAMPY Gisèle


Voatendry ho Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa :
Professeur ASSOUMACOU Elia Béatrice


Voatendry ho Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana :
Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa


Voatendry ho Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :
Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala


Voatendry ho Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra sy ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra :
Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa


Voatendry ho Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy :
Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah


Voatendry ho Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :
Andriamatoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto Michael


Voatendry ho Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina :
Ramatoa ANDRIATONGARIVO Rakotondrazafy Lalatiana


Voatendry ho Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Ministeran’ny FanajariananyTany, sy ny Asa Vaventy:
Andriamatoa ZASY Michaelangelo


Voatendry ho Sekreteram-panjakàna eo anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenana:
Général de Corps d’Armée RAVALOMANANA Richard

Andininy 2.- Foana ary tsy manan-kery ireo andinindininy rehetra tany aloha mifanohitra amin'izay voalazan'ity didim-panjakana ity dia ireto manaraka ireto

  • Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika folo sy efajato sy arivo natao ny faha efatra amby roapolo jolay sivy ambinifolo sy roa arivo,
  • Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby dimapolo sy valonjato sy arivo natao ny faha roapolo septambra sivy ambinifolo sy roa arivo
  • Ary laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby efapolo sy roa arivo natao ny fahatelopolo oktobra sivy ambinifolo sy roa arivo nanendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governamanta.

Andininy 3.- Noho ny amehana, sy araka ireo fepetra voalazan'ny andininy fahefatra sy fahenina, andalana faharoa amin'ny hitsivolana laharana faharoa amby enimpolo tsipika aotra iraika amby efapolo tamin'ny sivy ambin'ny folo septambra, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, mikasika ireo fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondràna eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran'ny isam-batanolona, dia manan-kery avy hatràny izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina ny be sy ny maro amin' ny alalan'ny haino aman-jery, ankoatra ny famoahana azy amin'ny Gazetimpanjakan'ny Repoblika.

Natao teto Antananarivo, ny sivy ambiny roapolo janoary roapolo sy roa arivo
Avy amin'ny Filohan'ny Repoblika,
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian