FIADIDIANA NY REPOBLIKA
***
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA 2020-997 ny 20 Aogositra 2020 manova sy manampy ny andininy
sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nasiam-
panovàna tamin’ny didim-panjakana laharana 2020-597 tamin’ny 4 jona 2020 anendrena ireo
mpikambana ao amin’ny Governemanta

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,

 

- Araka ny Lalàmpanorenana ;

- Araka ny didim-panjakana laharana 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 anendrena ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;

- Araka ny didim-panjakana laharana 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nasiam-panovàna tamin’ny didim-panjakana laharana 2020-597 tamin’ny 4 jona 2020 anendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta,

Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO :

Andininy  voalohany.- Foana  ary  tsy  manan-kery  intsony  ireo  fepetra  voalazan’ny  didim-panjakana laharana 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nasiam-panovàna tamin’ny didim-panjakana laharana 2020- 597 tamin’ny 4 jona 2020 voalaza etsy ambony, ka mahakasika :

  • Ny Minisitry ny Fahsalamambahoaka ;
  • Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa ;
  • Ny Minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.

Andininy 2.- Tendrena ho mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny maha :

Minisitry ny Fahasalamambahoaka:
Profesora RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ;

Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :
Ramatoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle ;

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa:
Andriamatoa TSIKEL’IANKINA Ernest

Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy:
Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica

Andininy 3.- Noho ny amehana, sy araka izay voalazan’ny andininy faha-4 sy faha-6 andalana faha-2 amin’ny hitsivolana laharana 62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mahakasika ireo fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondràna eto an-toerana, sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia mihàtra avy hatràny izao didim-panjakana izao vantany vao nampahafantarina tamin’ny alalan’ny haino aman-jery, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Natao teto Antananarivo, ny 20 Aogositra 2020

Avy amin’ny Filohan’ny Repoblika,
Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,
NTSAY Christian