FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika ny Masoivohon'ny Royaume de Suède vaovao

Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika ny masoivoho vaovaon'ny Royaume de Suède, SEM Marie Andersson de Frutos teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.

Noresahin'ity Masoivoho vaovao ity tamin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo sehampiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta,ary isan' izany ny fanirian'ny firenena malagasy mba ho tafiditra ao anatin'ireo firenena hiasa sy hampian'ny Royaume de Suède bebe kokoa. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny sehatry ny fizahantany sy ny kolotsaina malagasy amin'ny alalany fananganana toerana fampirantina manokana mikasika an'i Madagasikara. Eo amin'ny lafiny varotra kosa dia manantena ny hisian'ny fifanarahana ara-barotra amin'ny alalan'ny Open Trade Gate Sweden ny firenena malagasy, izay efa mandray ireo fepetra mba hiantohana ny fandrindrana ny raharaham-barotra ho an'ireo mpamatsy vola avy any Suède.

La Direction de la Communication et des Relations Publiques