FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA
ALAROBIA 27 MAY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Nohamafisin’ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fepetra rehetra mikasika ny fifehezana ny fihanaky ny aretina covid-19, ka nanamarihany manokana ny tokony hitandremana sy handraisan’ny tsirairay avy sy ny tompon’andraikitra isan-tokony, indrindra ny fanamafisana ny fanaraha-maso sy fanatanterahana ireo fepetra sy ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina manodidina ity fifehezana ity valan’aretina ity.

    Nohamafisiny tamin’izany fa tsy azon’ny fiara mitondra olona mivezivezy mihitsy ny any amin’ny faritra Atsinanana, ankoatra ny fiara mitondra entana ary tsy tokony hisy ny fanomezan-dalana manokana omena.

    Mila arahana akaiky ny fanatanterahana ireo fepetra sy lamina rehetra napetraka eo anivon’ny faritra, ny Hopitaly ary ny ao amin’ny talem-paritra misahana ny fahasalamana any amin’ny faritra Atsinanana.

    Nohamafisiny ihany koa fa ny « essai clinique » izay hotanterahana eto Antananarivo sy any Toamasina, dia protocole faha-3 izay entina hanamafisana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity. Karazam-panafody 2 no hoentina amin’izany izay mbola tanana ho tsiambaratelo ny anarany araka ny nifanarahana tamin’ny OMS ka iarahan’ny siantifika Malagasy misalahy amin’ny OMS, sy clinique fanta-daza any ivelany sy ireo manam-pahaizana siantifika avy any Etazonia, Azia ary ny Nosy Maorisy. Tsisy ifandraisany amin’ny vakisiny izay vokarina any ivelany mihitsy ity andrana eny anivon’ny tobim-pitsaboana ity, fa vokatry ny fikarohana sy fiaraha-miasan’ny siantifika malagasy sy ireo siantifika avy amin’ireo firenena voalaza ireo, ary natao hanamafisana ny fitsaboana sy ireo protocole efa napetraka hatrizay teto amintsika indrindra ho an’ireo olona izay taizan’aretina izay misedra ity aretina ity.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA :

    Mitohy ny fandinihana amin’ny antsipirihany ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam- panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020.

    Marihana fa mifototra sy mifantoka amin’ny fampianarana, fahasalamana, rano sy fanadiovana, toeram-ponenana, angovo, fanamboaran-dàlana ny fampiasambolam- panjakana ity volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020 ity.

  • III- FANENDRENA OLOM-PANJAKANA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nanendry ireto olom-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Colonel RANDRIAMIZARA Jean Pierre, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information ».
    • Général de Division SAHIVELO Lala Monja Delphin, dia voatendry ho Mpandrindra Ankapobeny ireo Tetikasa
    • Colonel RAKOTOMALALA Herisoa Mario, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ecole d’Etat-Major auprès de l’Etat-Major des Armées. »
    • Colonel ROBENARIMANGASON Herimamy, dia voatendry ho Tale misahana ny « Planification et de l’Anticipation Stratégique »
    • Général de Brigade Aérienne RAKOTONIRINA Lala Jacquis, dia voatendry ho Tale « Bureau des Ressources Humaines. »
    • Ramatoa RABEARILAZA Mamy Princia, dia voatendry ho Tale misahana ny serasera
    • Colonel RABENIRINA Jérôme Norbert, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre de Perfectionnement des Officiers.
    • Général de Brigade RAMANANTSOA Harifidy Rolland, dia voatendry ho Tale misahana ny « Bureau Soutien et Logistique. »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny :

    • Atoa KOLA Emi-Haulain, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanam-bola
    • Ramatoa RABEMANANJARA Harifera Elisa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Affaires Juridiques, Consulaires et du Contentieux »
    • Ramatoa RAZAFISON Jessie Athina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Diaspora »
    • Ramatoa RASATA Rafaravavitafika, dia voatendry ho Tale misahana ny « Expansion Economique »
    • Ramatoa RANDRIANJARA Clara, dia voatendry ho Tale misahana ny « Intégration Régionale »
    • Atoa RAMANDIMBISON Johan Andria, dia voatendry ho Tale misahana ny Arifenitra

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Ramatoa RAHERINIAINA Emma Clotilde Viviane, dia voatendry ho Tale misahana ny « Programmes et des Ressources Pénitentiaires
    • Atoa RATIANARIVO Rajaonary, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information et de la Communication »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Ramatoa RAKAJILAHY Catherine, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Prefecture ao Toliara
    • Ramatoa RAZAIMASOANDRO Razafindrafala Danielle, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Prefecture ao Fianarantsoa.
    • Ramatoa RAMAROSON Veronirina, dia voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny « Unité de Gestion des Projets et Partenariats
    • Ramatoa MANOEL Priscilla Julia, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et de Suivi des Projets et Partenariats
    • Ramatoa DAMY Vonisoa Nadège, dia voatendry ho Tale misahana ny « Opérations auprès de l’Unité de Coordination générale des Projets et des Partenariats »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana :

    • Ramatoa RAZAFIMAHARO Joan, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Nouvelles Villes et des Logements ».
    • Atoa MANAKANY Yvan Thierry, dia voatendry ho Tale misahana ny « Développement des Nouvelles Villes »
    • Atoa ANDRIAMBOLOLONTSIAROVANA Hajanirina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Promotion des Logements ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana :

    • Atoa RAJAONARIVONY Hery Mamy, dia voatendry ho Tale misahana ny « Affaires Financières et du Patrimoine »
    • Atoa ANDRIANJANAKA Rado Lalaina, dia voatendry ho Tale misahana ny raharam-pitsarana
    • Atoa RAKOTO Andriamihaja David, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny mpiasa
    • Ramatoa RESAMPA Marie Julie, dia voatendry ho Tale misahana ny Serasera sy ny « Partenariat ».
    • Ramatoa ANDRIAMANGA Tsirimiarantsoa Rakotonaivo, dia voatendry ho Tale misahana ny « Alimentation en Eau »
    • Ramatoa RASOAMANANTENA Hariniaina Voahirana, dia voatendry ho Tale misahana ny Fanadiovana sy ny fidiovana

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratekija :

    • Atoa RAKOTONDRAZAFY Andrianjakatiana, dia voatendry ho « Coordonnateur Stratégique et de Suivi Evaluation »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :

    • Ramatoa JAONARY Josa Augustina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre de Télé-Enseignement de Madagascar (CNTEMAD) »
    • Atoa RAMANANKIERANA Heriniaina, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny fikarohana siantifika

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Ramatoa RALAHY Lydia Fabienne, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Centre National de l’Artisanat Malagasy (CENAM) »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    • Ramatoa RAMBEL Andrianisa Tsiry, dia voatendry jo Tale misahana ny Serasera sy ny fampitam-baovao.
    • Ramatoa RAMAROMANDRAY Dina Ravaka, dia voatendry ho Tale misahana ny « Affaires Juridiques et Contentieux »
    • Atoa RAMANANARIVO Hélison Désiré, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny Mpiasa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Ramatoa ANDRIANAIVO Rojo Marià, dia voatendry ho Tale misahana ny raharam- pitsarana.
    • Atoa RAKOTOMAHARO Andry Hajaina Rabenja, dia voatendry ho Mpandrindra ny « Cellule de Développement de l’Economie de l’E-Gouvernance »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy

    • Atoa RATOVOMAMONJY Anja Hobiniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Sécurisation Sociale ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

    • Atoa HARINIRINA Rajohanesa Brice, voatendry ho Tale misahana ny « Préparation de la Relève Sportive » (DPRS)
    • Ramatoa ZARINAH Adeline Harinandrianina, voatendry ho Tale misahana ny « Centre National du Sport Etude (CNSE) »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Commissaire de Police RARIVOMANANTSOA Eddy, dia voatendry ho Mpandrindra nasionalin’ny « Brigade Anti-piratage »
    • Ramatoa RANDRIANARIVO Harimé Sylvia, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre IVOn’ny TOROhay (IVO-TORO) »
  • IV- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny « Systèmes d’Information »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny fampandrosoam-paritra ao amin’ny faritra Diana

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono:

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny « Centre d’Appui à la Formation Professionnelle et Agricole » ao Ambohitsilaozana.

Natao androany faha 27 May 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika