FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA- ALAROBIA 11 DESAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    RAHARAHA MIKASIKA NY ONIVERISTE:

    Nitondra fanazavana ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika mikasika ireo olana miseho eny anivon’ny Oniversite izay nanazavany fa :

    • Tsy foana ny lamina LMD fa ny fanaovana boky ho an’ny fahazoana ny marim-pahaizana Licence no tsy atao intsony ho fampiharana ny didim-pitondrana efa nisy ny taona 2010 izay manambara fa fanadinana dingana farany no takiana noho ny fanavaozana ny fandrindrana eny anivon’ny Oniversite natao tamin’izany fotoana izany.
    • Io dia lamina efa misy manerana ireo oniversite maneran-tany, ary isan’ny dingana ihany koa manatsara ny fitantanana eny anivon’ny anjerimanontolo amin’ny politika fitsitsiana ho entina mampihena ny « heures complémentaires » mihoampampana angatahan’ireo mpampianatra mpikaroka. Tsara marihana fa mahatratra 300 lavitrisa ariary no takian’ireo mpampianatra mpikaroka vokatr’izany ankehitriny.

    Noho ny zava-mitranga eny anivon’ireo Oniversite sasantsasany dia azo heverina raha ny tatitra nataon’ny minisitra ny mampiato ny Filohan’ny Oniversite tsy mandray ny andraikiny manoloana ny olana misy eny amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fananana iombonana ary indrindra ny fandrindrana ny fitantanana ny Oniversite, ka hiheverana ny hametrahana ny atao hoe « Comité Intérimaire » izay efa nisy izany ny taona 2014 tany amin’ny oniversiten’i Mahajanga rehefa ilaina izany.

    RAHARAHA MIKASIKA NY KAOMININA AMBONIVOHITRA MAHAJANGA:

    Nitondra fampahafantarana ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa hafindra amin’ny fanjakana ny toerana antsoina hoe BELVEDERE II TN 1278-BR ao Amborovy ho fanatanterahana ny asa fanorenana toeram-ponenana ho an’ny rehetra.

    .
  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

    Araky ny volavolana didim-panjakana naroson’ny Fiadidiana ny Repoblika dia:

    Nolaniana ny didim-panjakana mandrindra ny lamina hitantanana ny OTME ka nasiana fanitsiana ny andininy vitsivitsy ao amin’ny didim-panjakana laharana 96-426 tamin’ny 21 janvier 1996 sy ny didimpanjakana laharana 2018 – 1465 ny 31 oktobra 2018 .

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dàlana mikasika sy mifehy ny banky eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy:

    • Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny filazana ny filan’ny fanjakana ny toerana manemitra ny « voie rapide » mampitohy ny lalam-pirenena faha 2 sy ny seranantsambon’i Toamasina.
    • Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana manova ny andininy voalohany, faha-31, faha-42, faha-44 ao anatin’ny didim-panjakana mandrindra fomba fiasa eo anivon’ny Fonds Routiers mitondra ny laharana 2019- 1278 tamin’ny 19 Jona 2019.

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina:

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolana didim-panjakana mametraka ny sampandraharaham- panjakana hisahana ny sarimihetsika sy ny sarimiaina Malagasy, mba ho fampanarahandalàna io sehatra io. Araka ny voalazan'ny lalàna dia didim-panjakana no mametraka ny rafim-panjakana na Établissement public ka dia nampanarahana izany ity fananganana rafitra natao ity. Fivoarana lehibe nentin'ity didim-panjakana vaovao ity ny fametrahana ny fandaminana araka ny lalàna ny sehatry ny "jeux vidéo" ao anatin'ny antsoina hoe sarimiaina na "image animée".

  • III- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena:

    Voatendry ho eo amin’ny laharan’ny Général de Corps d’Armée :

    • Le Général de Division Rakotonirina Léon Jean Richard
    • Le Général de Division Ravalomanana Richard

    Voatendry ho eo amin’ny laharan’ny Général de Division, Général de Division aérienne et Vice Amiral :

    • Le Général de Bridage RAKOTONIRINA Julien Barinia
    • Le Général de Brigade RABENAIVOARIVELO Jean Claude
    • Le Général de Brigade RAKOTOARIJAONA Josoa
    • Le Général de Brigade SAHIVELO Lala Monja Delphin
    • Le Général de Brigade RAMAHAVONJY Gérard José
    • Le Contre-Amiral RANDRIANARISOA Marosoa Nonenana
    • Le Général de Brigade RASAMIMANANA Avisoa Lysias
    • Le Général de Brigade RANDRIAMANESY André
    • Le Général de Brigade RAKOTOBE Christian
    • Le Général de Brigade GELLE Serge
    • Le Général de Brigade RANDRIAMIARAMANANA Hery Emma René

    Voatendry ho eo amin’ny laharan’ny Général de Brigade, Général de Brigade aérienne et Contre-Amiral

    • Le Colonel RANDRIAHERINIAINA Frédéric
    • Le Colonel ZAFISAMBO Ruphin Fortunat Dimbisoa
    • Le Colonel RAJAONARISON Volamanana Mamiarivelo
    • Le Colonel Elack Olivier Andrianjaka
    • Le Colonel RAKOTONIRINA Maminirina
    • Le Colonel RAMANAKAVANA Jean Henri José
    • Le Colonel RAVELONARIVO Jocelyn
    • Le Colonel ZAFIMIHARY Heriniaina Cyriaque
    • Le Colonel RAMANOELINA Andrianaina Jean Victorien
    • Le Colonel RASOLOMAMPIONONA Marcel Soldat
    • Le Colonel DERA Zafindravolamananarivelo Didier
    • Le Colonel RAKOTONANDRASANA René Bruno
    • Le Colonel RAMANANTSOA Harifidy Roland
    • Le Colonel RAKOTOSON Jocelyn
    • Le Colonel RAKOTONDRAMANANA Jimmy Clarck
    • Le Colonel PIKULAS Demosthène
    • Le Colonel RAMANANARIVO Andriafenosoa Valson Richard
    • Le Colonel RAKOTONIRINA Lala Jacquis
    • Le Colonel ANDRIANARIJAONA Mamy
    • Le Colonel RAZAFITANDRIFY Jacques Fidelis
    • Le Colonel RAKOTOMAROLAHY Germain
    • Le Colonel LYLYSON René de Rolland Urbain
    • Le Colonel RANDRIANARISOA Fidèle
    • Le Colonel ANTOINE
    • Le Colonel BAMA Marima
    • Le Colonel BEHIVOKA Fiederch Angelo
    • Le Colonel RALAIVAONARY Andrianoasy D’y La Paix
    • Le Colonel TSIKETA Bernard Dieu Donné

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa RANJALAHY Ihajambolatiana dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana
    • Atoa MANARINA Claude Manoela Solomampionona, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Anosy
    • Atoa RAMANANDRAIBE Vincent de Paul, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Amoron’i Mania.
    • Atoa RAVANOMANANA Mandimbison Paul, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Atsimo Andrefana.
    • Atoa RANDRIA Herbert Gilles, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Melaky
    • Ramatoa RAHARIDIMBY Anjaratiavina Nandah, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Vakinankaratra
    • Ramatoa RAHANITRANIRINA Anita Sylvie Pascale, dia voatendry ho lehiben’ny « Commission Régionale des Marchés » Vatovavy Fitovinany

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana

    • Atoa SAÏD Ahmad Jaffar, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de la Décentralisation et du Développement Local ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka:

    • Atoa RAKOTONAIVO Mamisoa Judicaël, ho talen’ny « Centre Hospitalier Universitaire Tanambao » ao Antsiranana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika:

    • Ramatoa MARCELLE J DANE née RATSIMANOHATRA, dia voatendry ho Secrétaire Exécutif mpisolo toerana ao amin’ny EITI Madagascar.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, fampananasa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy:

    • Ramatoa RAJAONARISON Tsirihanitra, dia voatendry ho tale misahana « Sécurité Sociale des Travailleurs ».
    • Atoa RANDRIANTSIVOHONARIVO Rainitsimba Haritiana, dia voatendry ho talem-paritra ao Betsiboka.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny asa-tanana :

    • Atoa ANTSOAVINA André, dia voatendry ho talemparitra ao Androy.
    • Ramatoa RANDRIANARIJAONA Amélie Yolande, dia voatendry ho Talemparitra Amoron’i Mania.
    • Atoa RAHERISON Andrianantenaina Liva, dia voatendry ho Talemparitra ao Bongolava.
    • Atoa RABENANDRASANA Charles, dia voatendry ho Talemparitra ao Melaky.
    • Atoa PARFAIT Abdou Razako, dia voatendry ho tale misahana ny fitantanana arabola sy fotodrafitrasa ao amin’ny Centre Malgache de la Canne et du Sucre.
    • Atoa MAHAZOTA Herbert Jacques Adonie, dia voatendry ho Tale teknika ao amin’ny Centre Malgache de la Canne et du Sucre.
    • Ramatoa TAMOHA Zafisolo Adriannie Iavitsara, dia voatendry ho tale misahana ny « Partenariats et des Projets »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Ramatoa HAVANIRINA Jolcette Emilienne, dia voatendry ho Tale misahana ny Fampiroboroboana ny vehivavy sy ny miralenta.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny kolontsaina sy ny serasera:

    • Atoa RABOTOSON Anjanarivo Victor Rudolph, Tale misahana ny « Basculement vers la Télévision Numérique Terrestre »
  • IV- FANAFOANANA :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny lehiben’ny Distrikan’i Besalampy .

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoranafo:

    Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny tale misahana ny fotodrafitrasan’ny angovo sy herinaratra.

Natao androany faha 11 desambra 2019

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana