FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA – ALAKAMISY 28 NOVAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Napetraka ny fehezan-dàlana sy ny drafitra tsy maintsy arahina mba hampiroboroboana ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara

    Nodinihana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny drafitra hametrahana ny volavolan-dàlana hifehy ny fambolena ara-bilojika eto Madagasikara. Voaresaka tamin’izany ny fampiroboroboana azy ity manerana ny Nosy sy ny fepetra rehetra tokony harahina mba hifanaraka amin’ny fepetra takian’ny lamina sy tsenan’ny fambolena ara-biolojika. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny fidirambola entin’ny fampiroboroboana io sehatr’asa io ho an’ireo tantsaha mpamokatra, ny soa azo avy amin’ny fivarotana sy fihinanana sakafo ara-biolojika, ny fikajiana ny tontolo ambanivohitra sy ny tsy fampiasana zezika simika, ny fanatsarana ny teknikam-pambolena mivoy ny voly biolojika, ny fiarovana ny mpanjifa sy ireo mifototra amin’izany seham-pobelana izany mba hisian’ny fifaninanana madio eo amin’ny fampiroboroboana ity sehatra iray ity.

    Horaisin’ny fanjakana ireo faritry ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro mba hahafahana manarina io seranana io hanaraka ny fenitra:

    Neken’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana (déclaration d’utilité publique) ny faritry ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro mba hahafahana mamita ny asa fanarenana sy fanatsarana, hahafahana mametraka io seranana io hifanaraka amin’ny fenitra takiana amin’ireo seranana iraisam-pirenena.

  • II- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto:

    Araky ny tolo-kevitry ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta :

    • Atoa. Thiana Erick Christophe, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Conseil de Discipline Budgétaire et Financière ».

Natao androany faha 28 Novambra 2019

Ny Sampan-draharahan’ny serasera sy fifandraisana