FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 30 OKTOBRA 2019

 

  • I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Praiminisitra :

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny Komity iraisan’ny ministera misahana ny fanadiovana ny sehatry ny andramena araka ny didim-panjakana nametraka izany ny taona 2014. Noho ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny fitantanana ara-drafitra dia nafindra eny anivon’ny ministera ny fitantanana ny fanarahana ity sehatra iray ity ka ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny governemanta no hitantana ny filankevitra manaramaso ny famindrana sy ny fanafoanana ilay vaomiera iraisan’ny ministera izay ahitana solontena 2 avy ao amin’ny fiadidiana ny governemanta, 2 avy amin’ny ministeran’ny fitantanambola ary solontena 1 avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana.

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana ary ny asa vaventy:

    Nolaniana ny volavolan-dàlana manome alalana ny famatsiam-bola ho entina manamboatra ireo tetezana eo amin’ny reniranon’i Mangoky izay vatsian’ny tahirim-bolan’ny OPEP ho amin’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (OFID) izay mitentina 10 tapitrisa dolara izay 1% isan-taona ny zana-bola amin’izany. Mpiara-miombonantoka miisa 4 ny BADEA, ny FSD, ny FKDEA ary ny OFID no mifandrimbona amin’ny famatsiana ara-bola ny tetikasa fanamborana ireo tetezana amin’ny reniranon’i Mangoky izay mitotaly 64,28 tapitrisa dolara.

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny fitantanam-bola sy ny toe-karena :

    Nodinihina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola ho amin’ny taona 2020 izay atolotra ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona araka ny voafaritry ny lalàna. 11,5% ny tahan’ny fampidiran-ketra ho tratrariny amin’ny taona 2020, 5,5% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena amin’ny taona 2020 ary 2,8% ny fitotonganan’ny harinkarena faobe. 20,8% ny tahatombon’ny fampiasam-bola miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana heverina amin’ny taona 2020.

    Entitra ny Filoham-pirenena amin’ny fijerena akaiky ny fandaniam-bolam-panjakana isaky ny ministera sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy ekeko ny fandanianiam-poana sy ny fanaovana tolotr’asa tsisy asa mifandraika amin’izany izay hita ary nampidi-kizo ny firenena

  • II- FANENDRENA

    Araky ny didim-panjakana noraisin’ny Filoham-pirenena avy amin’ny tolo-kevitry ny Praiminisitra dia nesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra misahana ny angovo, ny rano ary ny akoranafo intsony Atoa. Vonjy Andriamanga ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra Atoa. Christian Ramarolahy no misolo vonjy maika ny toerany.

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny :

    • Atoa Robinson JEAN LOUIS, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « République Populaire de Chine.»

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Atoa SOLONDRAZANA Arson Théodolin Lydore Adoré, dia voatendry ho Préfet an’i Toliara.
    • Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Nirintsoa Harinandrasana, dia voatendry ho Préfet an’Ambatondrazaka.
    • Atoa RALAIHARISON Nirina Thiery, dia voatendry ho Préfet an’i Fianarantsoa.
    • Ramatoa ALMINE Isaia, dia voatendry ho Préfet an’Ihosy.
    • Atoa RANDRIAMITSIRY José, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha-VI.
    • Ramatoa RAKOTOSOA HAJA Sahondra Lalao Jeanne Claudine Esther Marthe, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Anjozorobe.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka

    • Atoa HARIOLY NIRINA Marie Osé Judicaël, dia voatendry ho Talen’ny Centre Hospitalier Universitaire Morafeno Toamasina.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono :

    • Atoa MAHAFALY Zambarany Berthier, dia voatendry ho Talen’ny Sekoly fanofanana momba ny teknikam-pambolena ao Bezaha .

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ary ny loharanon-karena stratejika :

    • Ramatoa RANDRIAMORASATA Holiharimino, dia voatendry ho Tale misahana ny « Législation et des Affaires Juridiques ».
    • Ramatoa RANDRIAMIARISOA Lalaina Hajanirina, dia voatendry ho Tale misahana ny Gestion des Activités Minières.
    • Atoa ATOMBOLA Cyprien Louis de Magloire, dia voatendry ho Talem-paritra Anosy

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy :

    • Ramatoa MBASOLO Bernadette, dia voatendry ho Tale misahana ny « Formation et du Perfectionnement de l’Institut National de Formation Administrative (INFA) ».
    • Ramatoa BEZANANY Anasthasie, dia voatendry ho talem-paritra ao Melaky.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Ramatoa RAHARILALA Faraniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Infrastructure et de l’innovation ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy :

    • Ramatoa RAZAFINTSALAMA Tsirinomena Nantenaina, dia voatendry hoe Tale misahana ny « Gender Mainstreaming »
  • III- FANAFOANANA

    Araky ny tolo-kevitry ny Praiminisitra :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo :

    • Foana ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneralin’ny « Office Malagasy des Hydrocarbures. »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana ara-kasa :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny talem-paritr’Analanjirofo.