FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA - ALAROBIA 25 SEPTAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA :

    Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny filankevitry ny minisitra mikasika ny fiakaran'ny vidin'entana izay tsy marim-pototra hita ankehitriny. Tsy azo ekena ny fanararaotana ka nanome toromarika ny Filohan'ny Repoblika mba hampiantsoan'ny minisitry ny varotra sy ny indostria fivoriana maika iarahana amin'ireo orinasa mpamokatra avy eto an-toerana sy ireo mpanafatra entana. Ny ministera dia hamoaka vidin'entana tombana "prix de référence", miainga amin'ny kajy izay hatao, mifototra amin'ny vidin'entana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny saran'ny fanafarana sy ny haba isan-karazany mba ahafahana mamaritra ny vidiny tokony ampiharina eny an-tsena, ho amin'ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy. Hohamafisina koa ny fanaraha-maso ny fanafarana entana sy ny fiparitahany eny amin'ny tsena, mba hialana amin'ny mety ho fakana tombom-barotra mihoampampana hataon'ireo mpanafatra.

    Ankoatra izay dia haverina manomboka amin'ny herinandro ambony ny "tsena mora" izay fepetra vonjimaika ahafahana mitsinjo ny fianakaviana tena sahirana. Izany dia ahitana ireo entana ilaina andavanandro amin'ny vidiny tena mirary. Ohatra ny menaka fihinana dia tsy hihoatra ny 3.000 Ar ny litatra, ny vary dia tsy hihoatra ny 1.000 Ar ny kilao ary ny siramamy dia tsy hihoatra ny 2.000 Ar ny kilao.

    Mikasika ny fihenan-danjan'ny Ariary izay anisan'ny antony mampiakatra ny vidin'entana dia efa nampiantso manokana ny governoran'ny Banky Foibe ihany koa ny Filoham-pirenena nijerena akaiky ny anton'io fihenan-danjan'ny ny Ariary io, ka efa nisy ny fanapahan-kevitra amin'ny stratejia izay apetraka hanarenana izany sandam-bola malagasy izany ao anatin'ny fotoana fohy.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjiram-pahefana :

    Nolaniana ny didim-panjakana mametra sy mandamina ny anjara andraikitry ny Governoran’ny faritra. Ao amin'ny andininy voalohany dia mamaritra fa hapetraka hiantsoroka ny fahefana mpanatanteraka any amin'ny faritra, amin'ny maha-vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy, ny lehiben'ny faritra antsoina hoe "governora". Izy no hiandraikitra ny asa fampandrosoana isam-paritra, araka ny lalàna manan-kery.

    Araka ny fampanantenana nataon'ny Filohan'ny Repoblika tao anaty velirano dia fanomezana fahefana bebe kokoa ny any amin'ny faritra no tanjona. Satria tsy hary hahalala ny olana ifotony ny aty amin'ny fanjakana foibe, ka mba hisorohana ny fampandrosoana mitanila dia tokony omena erijika mitovy avokoa ny faritra rehetra, mba tsy hisy intsony ny faritra hadino na ho lavitr'andriana. Ao anatin'izany indrindra dia nanapa-kevitra ny filan-kevitry ny ministra fa raha vao voatendry ny governora rehetra dia omena 1 miliara Ariary isam-paritra hanaovany asa maika tahaka ny lalàna rary vato, ny tsena, sy ny fotodrafitrasa tena ilain'ny mponina andavanandro, ao anatin'ny telo volana. Araka ny andininy faha-58 ao anatin'ny lalàna 2014-020 momba ny vondrom-bahoaka itsinjarampahefana dia ny lehiben'ny faritra, izay antsoina manomboka izao hoe governora no manomana sy manolotra drafi-pampandrosoana isam-paritra izay hampidirina ao anatin'ny programa fampiasambolam-panjakana (PIP).

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny fanajariana ny Tany sy ny toeramponenanana ary ny asa vaventy :

    • Nolaniana ny didim-panjakana milaza ny filan’ny fanjakana ny toerana manemitra ny Lalampirenena 5A Ambilobe – Vohémar (RN 5A) izay tsy maintsy hakana sy hanesorana amin’ny alalan’ny fifampiraharahana ireo toerana efa misy mampiasa manamorona iny lalana iny noho ny asa fanamboarana atao ankehitriny.
    • Nolaniana ny didim-panjakana milaza ny filan’ny fanjakana ny manemitra ny tetezan’i Mangoro (PK 94+200) sy ny tetezan’Antsapazana (Antsirinala au PK 105+460) eo amin’ny RN2 izay tsy maintsy hakana sy hanesorana amin’ny alalan’ny fifampiraharaharana ireo toerana efa misy mampiasa manamorona iny lalana iny noho ny asa fanamboarana atao ankehitriny.
  • III- FANENDRENA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika :

    • Ramatoa RANOROMARO Lova Hasinirina, dia voatendry ho Talen’ny Kabinetra Sivily.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    Voatendry ho Governoran’ny faritra ireto manaraka ireto :

    • Governoran’ny faritr’i Sava : Atoa TOKELY Justin
    • Governoran’ny faritr’i Menabe : Atoa RANDRIANTSOA Mong Wai Tune Serge Lucky
    • Governoran’ny faritr’Anosy : Atoa HATREFINDRAZANA Jerry
    • Governoran’ny faritr’Androy : Atoa SOJA TSIMANDILATSE Lahimaro
    • Governoran’ny faritr’Atsimo Andrefana : Atoa TOVONDRAINY Andriantsitohaina Ranëlson Edaily
    • Governoran’ny faritr’Alaotra Mangoro : Atoa RAMANDEHAMANANA Richard
    • Governoran’ny faritr’ANALAMANGA : Atoa RASOMAROMAKA Herilalaniaina
    • Governoran’ny faritr’Itasy : Atoa ANDRIAMANANA Solofonirina Maherizo
    • Governoran’ny faritr’i Matsiatra Ambony : Atoa RAZAFINDRAFITO Lova Narivelo
    • Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana : Atoa MAHAFAKY Justin
    • Governoran’ny faritr’i Sofia : Lylyson René de Rolland Urbain

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Atoa ANDRIAMANAMPISOA Solo, dia voatendry ho Filohan’ny filankem-pitantanan’ny Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA).