FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 18 SEPTAMBRA 2019

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Fitantanan-draharaham-panjakana :

    Mitohy ny fangatahana tatitra mazava ny fomba fanatanterahana sy fandaniana ny PIP voafaritra tao anatin’ny teti-bolam-panjakana nasiam-panintsiana 2019, nataon’ny ministera isan-tokony raha mifanaraka tsara izay voasoratra ao anatiny.

    Efa nanomboka ny asa fametrahana ireo toerana fakana aina sy fiantsonan’ny fiara isaky ny 100 km manemitra ireo lalam-pirenena nataon’ny zandarimariam-pirenena RN4 – RN7 – RN 25

    Efa miantomboka ny fanorenana ireo toerana hametrahana ny zandary any amin’ireo faritra mena any Ranontsara Sud- Beravina- Ambovombe – Andriamena izay hiasan’ny zandary miisa 100 ka ny 25 amin’ireo manamboninahitra ny 75 zandary vao avy nivoaka ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena ka hisahana sy hitety ireo faritra rehetra manodidina ireo toerana hitobiany izy ireo hamerina ny fandriampahalemana amin’ny laoniny. Hahazo fiara vaventy 1 sy fiara tsy mataho-dàlana 02 isaky ny toby ary moto 10 avy izy ireo. Hisy ny toeram-ponenan’izy ireo izay hisy rano sy jiro ary hahafahany miaina tsara. Hipetraka tsy hoela ny brigade anti-kidnapping sy ny fampitaovana azy ireo amin’izany.

    Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

    Ny ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa dia hametraka ireo trano fiasan’ireo sampandraharaham- panjakana any amin’ny faritra ary koa nametraka lamina sy fanofanana ho amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana.

    Ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono dia efa manao ny asa fanadihadiana ho fanajariana ireo lemaka voafaritra toy ny any Bas Mangoky, Port Bergé, Bekapila sy ny maro hafa mba ahafahana manajary lemaka mirefy 45.000ha amin’ny taona ho avy ahafahana manatratra ny tanjona hampitombo ny voka-bary hitondra any amin’ny fahavitan-tena ara-bary sy ara-tsakafo.

    Ny ministeran’ny filaminam-bahoaka dia hanangana ireo birao isam-paritry ny filaminam-bahoaka manerana ireo faritra 10 Ihosy – Antsohihy – Maevatanana – Farafangana - Fort Dauphin – Ambositra - Tsiroanomandidy - Fenerive Est ary Manakara sy toeram-ponenana mifandraika amin’ireo birao ireo.

    Entitra ny filankevitry ny Minisitra ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • II- FANENDRENA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto

    Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay androany no maha minisitra miandraikitra io asa io azy farany, noho izy nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC androany.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny :

    • Atoa RAJOHNSON Olivier Hugues Rija, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Française.)
    • Ramatoa Yvette SYLLA, dia voatendry ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris. (Ambassadeur, Déléguée Permanente auprès de Madagascar auprès de l’UNESCO à Paris, France.)
    • Atoa Albert Camille VITAL, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République de Maurice.)
    • Atoa Jean Omer BERIZIKY, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagascar auprès du Royaume de Belgique et de l'Union Européenne à Bruxelles.)

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Ramatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Benenitra.
    • Atoa RAZAFIMAHEFA Tsaralaza, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara.
    • Atoa RAMIALISOA Néné Eulalie, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Vohémar.
    • Atoa RAKOTOMANANKIAFARANA Tsimihonoraibe Joël, dia voatendry ho Prefet an’i Toliara.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka :

    • Commissaire Principal de Police TALBOT Antonia Beby Parola, dia voatendry ho Tale misahana ny « Renseignements et du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Ramatoa RAVAOARISOA Lantonirina, dia voatendry ho tale misahana ny « Institut National de Recherche en Santé Publique ».
    • Atoa RAKOTOVAO Alain Iarivony Mahery, dia voatendry ho Mpandrindra Nasionaly ny « Unité de Coordination des Projets »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana sy ny Jono :

    • Ramatoa RASAMOELINA Mirado, dia voatendry ho Tale misahana ny « Unité de l’Audit Interne ».
    • Atoa RAJERISON Jean Hubert, dia voatendry ho Tale misahana ny « Unité de Développement de la Pêche et de l’Aquaculture (UDPA) ».
    • Atoa RAZAFIMAHATRATRA Solonitriniaina Soleiman, dia voatendry ho Tale misahana ny « Ecole de Formation de Technicien Agricole » ao Iboaka Lalangina, ao amin’ny Faritr’i Haute Matsiatra.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo sy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    • Notendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA) miisa 10.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy :

    • Ramatoa RANDRIAMBOLOLONA Andoniaina Julie, dia voatendry ho Tale misahana ny fanofanana maharitra ao amin’ny « Ecole Nationale d’Administration de Madagascar » (ENAM).
    • Atoa RAKOTOASIMBOLA Jean José, dia voatendry ho Tale misahana ny « Base des Données de l’Office Nationale de l’Emploi et de la Formation (ONEF) ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria ny Varotra ary ny asa-tanana :

    • Atoa RAKOTOSON Fanomezantsoa Gilchrist, dia voatendry ho Tale misahana ny varotra anatiny.
    • Ramatoa LAMBO Mbolanirina Nadia, dia voatendry ho Talem-paritra any Boeny.
    • Atoa RAVELOMANANTSOA Mahitavelo Alexandre, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny « Centre Malgache de la Canne et du Sucre. »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Atoa RAKOTOMALALA Laurent Richard, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny « Autorité de Régulation des Technologies de Communication de Madagascar (ARTEC) ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina, fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Atoa HERMELIEN Desiré, dia voatendry ho Talem-paritra any SAVA.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa RAFANOMEZANTSOA Jean Marie Vianney, dia voatendry ho Talem-paritra any amin’i Haute Matsiatra.
    • Ramatoa RAZAFIMAHANDRY Natsika, voatendry ho Talem-paritra any Atsimo Atsinanana.
  • III- FANAFOANANA :

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny CHU Tanambao Antsiranana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny « Cycle Long auprès de l’Institut National du Commerce et de la Concurrence ».
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny « Institut National du Commerce et de la Concurrence ».