FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 14 AOGOSITRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    TSY MAINTSY AMPIFANARAHANA AMIN’NY VELIRANO NATAO NY FAMETRAHANA NY TETIBOLAM- PANJAKANA 2020 IZAY TOKONY HIOMPANA AMIN’NY FANATSARANA NY FIAINAMBAHOAKA AMIN’NY LAFINY SOSIALY SY NY SEHATRY NY FAMBOLENA :

    Ilaina ampifanarahana tsara amin’ny filan’ny vahoaka sy ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena nanaovany velirano tamin’ny vahoaka Malagasy, ny volavolan-teti-bola handrafitra ny tetikasa sy lamina amin’ny taona 2020. Noho izany, entitra ny tenin’ny Filoha manoloana izany : mitaky « Asa – Fahamatorana – Fandraisana andraikitra » mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny toe-javamisy isaky ny faritra no tokony hapetraka amin’ny fandrafetana ny volavolan-teti-bola ho amin’ny taona 2020. Mila ampitomboina ny fandaniam-bola ara-tsosialy, mila ampitomboina ny famatsiambola natokana ho amin’ny fampiroboroboana ny fambolena

    NANOME TOROMARIKA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MIKASIKA IRETO LAMINA SY FANAPAHANA MANARAKA IRETO :

    • AZO ATAO NY FANAPAHANA HAZO KINININA SY BOLABOLAN-KAZO ANKOATRA IREO HAZO SAROBIDY VOAARO SY VOAFARITRA MAZAVA TSARA AO ANATIN’NY VOALAZAN’NY CITES, SAINGY ILAINA NY FAMBOLEN-KAZO HO SOLON’IREO NOTAPAHANA
    • TSY AZO ATAO NY MIVAROTRA SOLIKA FANDREHITRA MIHOATRA NY VIDINY EFA NIFAMETRAHANA ARAKA NY VOAFARITRA TAMIN’IREO MPANDRAHARAHAN’NY SOLIKA. IHARAN’NY SAZY IREO MANARARAOTRA SY MINIA MANDIKA IZANY ARAKA IZAY EFA NAPETRAKA. TSY MAINTSY VAHANA AO ANATIN’NY FOTOANA FOHY NY FITATERANA SY FITSINJARANA IREO SOLIKA FANDREHITRA SY NY SOLIKA REHETRA MANERANA NY NOSY. MBOLA AMPY TSARA ARY MAHENIKA NY MPANJIFA NY TAHIRIN-TSOLIKA MISY ETO AN-TOERANA ANKEHITRINY.
    • NAPETRAKA IREO LAMINA ENTINA MAMATSY RANO IREO TOERANA ETO ANDRENIVOHITRA TSY MAHAZO RANO NOHO NY TSY FAHAMPIAN’NY RANON’ORANA. NY MINISTERA TOMPON’ANDRAIKITRA NO HANDRINDRA IZANY.
  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Fiadidiana ny Repoblika dia noraisina ny didim-panjakana manova ny andininy vitsivitsy mikasika ny « Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité »

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy dia noraisina ny didim-panjakana nametrahana ny asa fananganana ny tànana vaovao TanaMasoandro andiany voalohany mametraka ny lamina rehetra ho enti-manatanteraka ny ampahany voalohany amin’ny asa fanorenana.

    Ny ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola dia nanolotra ny fankatoavana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dàlana mikasika ny famatsiam-bola hanamboarana ny tetezanaao Mangoky natao sonia ny 12 Jona 2019 teo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Banky arabo momban’ny fampandrosoana ara-toe-karena (Banque Arabe pour le Développement Economique en Afrique-BADEA) mitentina 20 tapitrisa dolara, izay atolotra eny anivon’ny antenimieram-pirenena.

  • III- FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika :

    • Atoa JAOSOLO Gelase, voatendry ho Tale iraisam-paritry ny « Inspection Générale d’Etat » ao MAHAJANGA
    • Atoa RALARINDIMBY Bruno Joseph, ho Tale iraisam-paritry ny « Inspection Générale d’Etat » ao TOLIARA
    • Ramatoa RAZAFIARISON Bakonirina, ho Tale iraisam-paritry ny « Inspection Générale d’Etat » ao FIANARANTSOA
    • Atoa RAZAFIARIJAONA Ernest, ho Tale iraisam-paritry ny « Inspection Générale d’Etat » ao TOAMASINA

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    • Atoa ANDRIANARIMANANA Mamisoa Davida, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Itasy
    • Atoa ANDRIANAIVO Hery Lalao Rabenandrasana Jean Claude, voatendry ho Talemparitra misahana ny Hetra any Vakinankaratra.
    • Atoa RAZAFIHANITRA Julien Michel, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Atsinanana
    • Atoa RANAIVOSON Ihoby Eddy, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Alaotra Mangoro
    • Atoa DIMASY Diallo, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Boeny
    • TSARAMANDIHY Aristide, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Sofia
    • Atoa RAZAFIMANDIMBY Pascal, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any DIANA
    • Atoa RAKAMIARSON Stephania, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any SAVA
    • Atoa RAMAROJAONA Gabriel Helson Ramaniraka, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Menabe auprès du Ministère de l’Economie et des Finances.
    • Ramatoa RAKOTOMAMONJY Nolalaina Andrée, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Atsimo Andrefana
    • Atoa MAHAVITSARA Daniel, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Anosy
    • Atoa RASOLOFO Andriamaro Guillaume, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra any Vatovavy
    • Ramatoa RANDRIANARISOA Voahangiarivelo, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Hetra Haute Matsiatra

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Atoa FALY Aritiana Fabien, voatendry ho Mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny BNGRC
    • Général de Brigade RAMANANTSOA Gabriel, voatendry ho tale misahana ny « Patrimoine et de l’Administration » ao amin’ny BNGRC.
    • Ramatoa TSIRINARY Jahdà Hermine, voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’Antsiranana
    • Atoa SOLONDRAZANA Jacquinot, voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Morafenobe
    • Atoa MAHATODY Henry Jocelyn, voatendry ho Préfet an’i Sainte Marie
    • Atoa RAMANAKIRAHINA Jean Noel, voatendry ho Préfet an’i Farafangana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazana nasionaly sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana ara-kasa

    • Atoa ZAFY Jean Edmond, voatendry ho talem-paritra ao Diana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono

    • Ramatoa RAVELOMANDEHA Farasoa Marie Paule, voatendry ho Talem-paritra any amin’ny faritr’i Vatovavy Fitovinany.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika:

    • Atoa RAKOTONDRAVALY Désiré Alphonse, voatendry ho Tale iraisam-paritr’Analamanga
    • Ramatoa SYLVIE Gilbert, voatendry ho Tale iraisam-paritr’i Atsinanana
    • Atoa RANDRIANARISON Ranasy Harisoa Primo, voatendry ho Tale iraisam-paritra Atsimo Andrefana
    • Ramatoa RALAIKOTO Hasindray Faramirindra Dinalalaina, voatendry ho tale iraisamparitr’i Vakinankaratra

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitanterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro

    • Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha-2017-254 ny 19 aprily 2017, manova ny didim-panjakana laharana faha- 2018-1256 ny 18 septembra 2018, ary notendrena ireo mpikambana vaovao sy ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM)

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana, ny lalàna sosialy :

    • Ramatoa LAITREFINA Gislaine Frederika, voatendry ho Tale misahana ny fitantanambolan’ny « Office Nationale de l’Emploi et de Formation (ONEF) »
    • Atoa RAMAROSANDRATANA Daniela, voatendry ho Talem-paritra ao Amoron’i Mania
    • Atoa TAHINA Jean Bedimasy, voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Ramatoa KAZY Eltine, voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe.
    • Ramatoa RAZAFIMANDIMBY Nivoaritsalama Herilala, voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa RAZAFIMANDIMBY Henri Victor, voatendry ho Talem-paritra ao Vakinakaratra.
    • Atoa TEVIKY Rostand, voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Atoa RANDRIANIRAINY Heriniaina Arsène, voatendry ho Talen’ny Institut National du Travail (INTra).
    • Ramatoa RIVOSOA Lalaina, voatendry ho Talem-paritra ao Anosy.
    • Atoa ANDRIANARIVELO Mirillo Razafizanaka, voatendry ho Talem-paritra ao Sofia.
    • Atoa RALAIVELONJANAHARY Edmond Hermann, voatendry ho Talem-paritra ao Boeny.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika :

    • Ramatoa DOMINIQUE Josie Volaravo, voatendry ho Doyen de la Faculté de Droit, Sciences Economiques, Science de gestion et Science politique ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana.
    • Atoa LOHANIVO Alexis, voatendry ho Talen’ny Ecole Supérieure en Agronomie de Diégo.
    • Atoa RANDRIANANTENAINA Joël, voatendry ho Doyen de la Faculté des Lettres et des Sciences Humaines ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Atoa RAKOTOSATA-HAMONJY Elia, voatendry ho Tale misahana ny Fampiroboroboana ny asa-tanana.
    • Atoa TANIGNA Romuald Florentin, voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Atoa BE Christophe, voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Atoa BELALAHY Jean Berchmans, voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Atoa ZAFIMIHARY Rufin, voatendry ho Talem-paritra ao Haute Matsiatra.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Atoa RAKOTONIRINA Nantenaina Herilala, voatendry ho Tale misahana ny « Etudes, de la Planification et du Partenariat »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa NANJA Fenoarisoa, voatendry ho Tale misahana ny « Basculement vers la Télévision Numérique Terrestre »
    • Atoa RANDRIANAZARY Solofomanarivosoa Thierry, voatendry ho Lehiben’ny « Cellule de Coopération et de Partenariat ».
  • IV FANAFOANANA :

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny rano, ny akoranafo :

    • Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha : 2017-296 ny 26 aprily 2017 nanendry ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA).

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana, ny lalàna sosialy

    • Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha-2018-1018 tamin’ny 14 aogositra 2018 nanendry ny Tale misahana ny fanofanana sy ny Perfectionnement ao amin’ny Institut National de Formation Administrative (INFA).