Araka ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika dia saropady ny Lalàmpanorenana ary mila ny fiarahamientan'ny rehetra ny fampandrosoana ny Firenena.

Na maila aza isika satria miandry vokatra haingana sy azo tsapahin-tanana ny vahoaka dia tsy afaka  hirotoroto ihany koa.

Koa manoloana ireo adi-hevitra niseho tao aorian'ny filankevitry ny minisitra ny zoma lasa teo dia nanontany ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Filoha ahafahana manapa-kevitra amin'ny lalan-kizorana.

Miankina amin'izay hevitra avoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no hamaritana ny tokony atao.

Araka izany dia toy izao ny taratasy nalefan'ny Filohan'ny Repoblika tany amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.