FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Didim-panjakana laharana faha 2023- 165 Manova sy manampy ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022, manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,

Arakan ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022, manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ;

Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO

Andininy voalohany. -Foana ary tsy manan-kery intsony ireo fepetra voalazan’ny didimpanjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022 voalaza etsy ambony, ka mahakasika:

  • Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ;
  • Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ;
  • Ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna ;
  • Ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ;
  • Ny Minisitry ny Asa Vaventy ;
  • Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ;
  • Ny Minisitry ny angovo sy ny ankoran’afo ;
  • Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena.

Andininy faharoa – Tendrena ho mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny maha :

Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

Général de Division RAKOTOARIJAONA Josoa

Minisitry ny Raharaham-bahiny :

Ramatoa SYLLA Yvette

Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna :

Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana

Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy :

Andriamatoa RIVOTIANA Richard Jean Bosco

Minisitry ny Asa Vaventy :

Colonel Ndriamihaja Livah ANDRIANATREHINA

Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro :

Andriamatoa RAMONJAVELO Manambahoaka Valéry Fitzgerald

Minisitry ny angovo sy ny ankoran’afo :

Andriamatoa Soloniaina Rasamoelina ANDRIAMANAMPISOA

Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :

Andriamatoa André Haja RESAMPA

Andininy fahatelo : Nohon’ny hamehana, ary araka izay voalazan’ny andininy faha-efatra sy faha-enina andalana faharoa ao amin’ny hitsivolana laharana roa amby enimpolo tsipika iraika amby efapolo tamin’ny sivy ambinifolo septambra roa amby enimpolo sy sivin-jato sy arivo mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam- pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manan-kery avy hatrany izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na fahitalavitra, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Natao teto Antananarivo, ny 20 Febroary 2023

Ny Filohan’ny Repoblika,

Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

Christian NTSAY