26 Jona 2018 – Kabarin’ny Filoham-pirenena Malagasy


Télécharger version PDF du discours

Ry Malagasy havako manerana ny Nosy, sy ianareo rehetra ampielezana.

Ny tambolon-drahona eny an’habakaba-manga, tsy hahasakana masoandro eo am-pisandratany, Izay kotrokotrok’orana, hisava foana ihany, fa tojo diavolam-penomanana.

Koa amin’ny anaran’ny tenako manokana sy avy aminay mivady, no iarahabàko anareo rehetra ahatrehi-manatrika etoana, sy indrindra, ny vahoaka malagasy Ambanilanitra, akaikin’ny fonay ka manaraka izao fotoana izao amin’ny alalan’ny onjampeo sy fahitalavitra.

Arahabaina e ! fa tojo androm-pifaliana, arahabaina e ! fa masa-bary maito kitoza isika izao ! Arahabaina nahatratra ity faha-58 taona niverenan’ny fahaleovan-tena.

Fa sambatra, mantsy, Ambohimanga, manana an’i Fidasiana ho fitazatazanana ; sambatra Alasora, manana an’Ambohimanoa, fihaonana ; ary sambatra mihaotra noho izany isika Malagasy manana an’i Madagasikara mahaleo tena, izay tsarovantsika sy homen-danja manokana isaky ny 26 jona toy izao.

Ary izany no ifampiarahabàna, ka mampipololotra ny firarian-tsoa hoe : Enga anie isika izao hanao toy ny vakana sy rado, ka raha misaraka tsy ampy ho ravaka, ho toy ny tatamo am-parihin-drasahala e ! ka tsy hisy tombo sy hala eo amin’ny fanandratana ity Nosy malalantsika ity. Fa na eo aza ny firehan-kevitra samihafa, toy ny fakam-boanio io, maro, fa iray ihany ny vatany, ary iaraha mioty ny vokatra aterany.

Izao datin’andro manan-tantara androany izao dia misarika ny saina aman’eritreritsika mpiray tanindrazana tsy hanadino ny maha sarobidy loatra ny fahaleovantena. Niady ho an’ny fahafahana ireo ray aman-drenintsika, nanohitra ny fanagejana sy ny famoretana, nisedra ny mafy sy nigoka ny mangidy ampolo-taona, niharitra ny tsindry hazo lena, kanefa, tsy fola nandefitra, satria nohentanin’ny fitiavan-tanindrazana sy nanana ilay ambo-po hiavo-tena, ka tojo tamin’ny tanjona : ny fiverenan’ny fahaleovantena !

58 taona lasa izay, no nanakoako, nifampizaran’ireo ray aman-drenintsika, niarahan’izy ireo nifaly ny fanantenana amin’ny ho avy, fa hoe aorian’izao fahaleovantena izao dia hisandratra amin’izay i Madagasikara. Hihatsara ny fari-piainan’ny malagasy, hanjaka ny fihavanana, hiroborobo ary hanampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny soatoavina sy ny maha-malagasy, na toe-tsaina io, na fomba amam-panao.

Toy ny zaza vao niana-mamindra ihany anefa tamin’izany, mbola niantehitra tamin’ny “etsy tantanako” sy ny fiankinan-doha, nibadabada ny demokrasia vao nizàrana, ary tsy nahalefy ny zarazarao hanjakana, ka nisinda ihany ilay fiaraha-mientana sy ny firaisankina. Lasa nahazo vahana ny adilahy politika nampisamantsamaka ny fiaraha-monina, hany ka, ilay fahaleovana no natsombadika ho fahalovana teo amin’ny fanodinkodinana nankany amin’ny lalan-tsy izy ny demokrasia : toa nandroso nihemotra ny firenena nadritra ny 58 taona.

Samy tompon’andraikitra amin’izany ny rehetra, fa ny misongadina hatrany, dia ny voka-dratsin’ny fambolena krizy sy ny fifanonganana teo amin’ny asa fampandrosoana.

Hitantsika izany tao anatin’ny volana vitsivitsy lasa teo, saingy hiderako ny vahoaka malagasy kosa ny tsy nahatafiditra antsika tao anatin’ny vovon’ny bontolo sy ny fanapotehana handavo ny firenena.

Fotoana fanarenam-pirenena sy fanombohana ny tena fampandrosoana maharitra izao. Tsy ny fahaleovantena intsony, tahaka ny niainan’ireo ray aman-dreny sy razam-bentsika, no olantsika malagasy ankehitriny fa ny hoe : ahoana no ahatonga ny fahaleovan-tena tena hitera-boka-tsoa, hiteraka rehareha ary hiteraka fisandratana ho an’ny isam-batan’olona, ho an’ny isam-paritra, ary ho an’ny firenena iray manontolo.

Tsy takona afenina mantsy fa nandetika sy nampihemotra hatrany ireo krizy nosedraina, tsy afa-nitozo ny ezaka, tsy hita lany ny fahasahiranana, tsy mbola resy ny fahantrana.

4,5 tapitrisa no isan’ny mponina tamin’ny taona 1960 ary eo am-panatanterahana ny fanisam-bahoaka isika izao, izay vinavinaina ho efa avy 5 heny mahery ankehitriny. Tsy nifanaraka tamin’izany fitomboan’ny isan’ny mponina izany ny fotodrafitr’asa enti-mamokatra, tsy nirindra tamin’ny filàna ny tolotra ara-tsosialy sy ara-toekarena, nitanila ny fampandrosoana isam-paritra, tsy voatrandraka araky ny tokony ho izy sy ara-drariny ny harem-pirenena, niha simba ny toe-tsaina, nahazo vahana ny fandikan-dàlana sy ny herisetra ary ny kolikoly, ary narefo ny fahamarinan-toerana ireo andrim-panjakana.

Nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra.

Firenena reraka tanteraka no noraisin’ny Filoham-pirenena tamin’ny taona 2014, ary kisary 3 lehibe no nampisongadina an’izany : Zaza Malagasy maherin’ny 1 tapitrisa no nandao sekoly tsy fidiny, tobim-pahasalamana fototra an-jatony no nikatona, làlana an’arivony kilaometatra no tsy voakajy, voasazy sy nitoka-monina, ary nilaozan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola i Madagasikara, maro ny vahoaka tsy an’asa.

Miantefa amin’ireo mpisehatra politika rehetra izany fampiheritreretana izany. Tsy ho antendro-molotra fotsiny intsony ny hoe Madagasikara mahaleotena ka tsarona androany, fa tena hifamatotra amin’ny Fisandratan’ny firenena. Izay no himatimatesantsika amin’izao fotoana izao. Fantatra, hita sy re ireo hikiaka sy talaho ary famaliana izany indrindra no nilofosana tao anatin’ny efa-taona sy tapany. Vavolombelona avokoa isika rehetra, fa tao anatin’ny 4 taona izao, no nanombohantsika ny fametrahana ireo fototry ny fampandrosoana. Mba ahafahana miantoka amin’ny fomba maharitra ny fanatsarana ny fiainan’ny isan-tokatrano, tsy maintsy ireo fototra aloha no hamafisina.

Izany no naharesy lahatra ny Filoham-pirenena fa tsy ampy ny hoe Fahaleovantena fotsiny, amin’ny vava, amin’ny fety aman-danonana, tsy ampy izany fa tsy maintsy miaraka amin’ny fahavonononantsika hisandratra. Fisandratana, izay mifototra amin’ny vina matotra, mazava, ary efa tanterahina amin’ny alalan’ny asa mba tena hipàka any amin’ny fiainam-bahoaka.

Nanao fanamby aho taminny 2014 fa iaraka isika hanangana firenena hiadanana sy maoderina.

Natrehina ny hamehana aloha : ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka, indrindra ireo fianakaviana izay tena marefo.

Natao ny hamerenana an’I Madagasikara eo amin’ny hajany sy ny andraikiny, eo anivon’izao tontolo izao, toy ny ONU, UA, Comesa, SADC, Francophonie.

Noresena lahatra sy nantsoina ny mpampiasa vola vahiny, ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana.

Napetraka ny politika fananganana fotodrafitrasa fototra ho vy manentana ny fampandrosoana, eo amin’ny sehatra maro (fambolena, làlana, angovo).

Noamafisina ny fifandraisantsika amin’ny firenen-kafa, ary nifanarahana hisandrahaka amin’ny sehatra samy hafa sy firenena samy hafa ny fiaraha-miasa. Namaly ny filàna ireo tany maro(Europe,Chine, Japon, Inde, sns…).

Niandrandra fahagagana ny vahoaka tsy mandady harona hihatsaran’ny fiainany.

Niandrandra fiovampenitr’ireo mpanao politika sy fiaraha-mientana ary fitoniana ombam-pahamarinan-toerana.

Niandrandra vikin-dava ara-toe-karena sy tohana avy amin’ny fitondram-panjakana.

Namaly arak’izay tratra isika satria ny valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.

Tsy avelantsika ho kisarintsarim-pahaleovantena intsony noho izany, ny fahaleovantenan’i Madagasikara ry vahoaka malagasy mpiaray tanindrazana amiko. Ataontsika ho fahaleovantena amin’ny lafiny rehetra izany, izany no tanjontsika. Fahaleovantena ara-tsakafo, tanjona goavana izany, ny malagasy rehetra no voakasik’izany. Tany amin’ny taona 60 sy 70, mbola nanondrana vary isika, rehefa tonga ny krizy politika sy ny ady lahy politika, nifanesy very izany toeran’i Madagasikara izany. Very izany fahaleovantenan’i Madagasikara izany.

Averintsika izany amin’izao fotoana izao. Voalohany ny fampivoarana ny fambolena satria foto-piharian’ny 80% -n’ny Malagasy. Efa nampitombointsika ny velaran-tany azo volena, efa nohavaozintsika sy novelomina ary nampiantsika an-jatony kilometatra maro ny lakan-drano mamelona ny fambolena, efa nampotombointsika isa ny toho-drano manerana ny Nosy sy manakaiky ireo faritra tena mpamoka-bary. Bas Mangoky (PEPBM), Antsimo Andrefana, Taheza, Ankililoaka, Alaotra, Andapa, Melaky (AD2M),sns… Efa mizotra any amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo isika amin’izao fotoana izao, ary saro-piaro amin’izany ezaka vita izany isika. Efa natombontsika tamin’ny taona 2015 ny famerenana ny tany misoratra amin’ireo mpanjanaka fahiny ho an’ny malagasy, ny fanamorana ny famindrana lova, ary tokatrano an-tapitrisany manerana ny Nosy no efa nahazo tombony tamin’izany rehetra izany.

Fampianarana momba ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ny tanora, misandrahaka isam-paritra.

Tsy vita ao anatin’ny iray andro anefa ny fametrahana fotodrafitrasa fototra : fambolena, làlana, angovo…

Fanamafisana ny fikarohana momba ny fambolena : FOFIFA, Inde (C GARD), Maroc (Fertilité-Engrais), AfricaRice.

Malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona fotsiny ny hoe fahaleovantena raha toa ka tsy ahavita hamokatra ny angovo ilaintsika akory isika, nefa izany dia isan’ny fototry ny tena fampandrosoana. Tsy naharaka ny fitombon’ny mponina ny famokarana angovo, narahan’ny fitantanana izay nankinina tamin’ny vahaolana peta-toko sy nampanankarena ampahan’olona fotsiny, hany ka tsy mbola nahaleo tena tamin’ny angovo izany i Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. Ampahany kely (15%) ny malagasy no misitraka izany.

Efa ao anatin’ny hazakazaka tanteraka ny vahaolana maharitra momba izany amin’izao fotoana izao. Vao ny Asabotsy teo isika no nitokana ny velaran-tany goavana, 33 Ha misy ny antsointsika hoe Ferme Solaire, na faritra midadasika hamadihana ny herin’ny masoandro ho angovo ary mamokatra 20 MGW izany. Voalohany eto Madagasikara izany; isan’ireo goavana indrindra aty Afrika ary tsy mena-mitàha amin’ny ananan’ireo firenena hafa efa tena mahaleo tena amin’ny angovo.

Sady angovo madio no hamaha ny olan’ny mponina mandritra ny fotoana maharitra fa indrindra, sandaina mora dia mora raha ampitahaina amin’izay nahazatra hatramin’izay nampiasàna motera tamin’ny gas oil. Maro amin’ireo mpiray tanindrazana izay tsy mbola nahazo herinaratra sy angovo hatramin’ny niverenan’ny fahaleovan-tena no hianoka izany manomboka izao.

Ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo moa, namaha olana lehibe ny nivadihantsika nampiasa menaka mavesatra satria homena ny seram-pamokarana izany, ary hanafoana tanteraka ny delestazy. Efa hitadiavam-bahaolana isan’andro ireo olana ara-teknika noho ny fahanteran’ny fitaovana sy ny fitaterana ny herinaratra izay natao ho ambin-javatra tato anatin’ny 20 taona farany. Izay ilay hoe fahaleovantena mitondra voka-tsoa ho an’ny isan-tokatrano.

Fivoarana tsimialonjafy sy mitsinjo lavitra no fenitra, ary ifarimbonan’ny Malagasy, entanin’ny fitiavan-tanindrazana.

Ohatra ihany ireo. Tsy hay hotanisaina eto ny ezaka efa vita, satria mbola maro ny tanjona hotratrarina.

Ny fahaleovantenam-pirenena koa dia tokony ho hita taratra any amin’ny fampianarana sy fanabeazana ny zanatsika, efa nataon’ity fitondram-panjakana ity avokoa ny ezaka rehetra hirosoana amin’izany. Nahitsy hifanaraka amin’ny kolotsaina, ny toetany ary ny vanim-potoana eto Madagasikara ny fandaharam-pianarana, mpampianatra an’aliny maro, manodidina ny 45 000, no tsy maintsy nampidirina ho mpiasam-panjakana ary nomena fihofanana, efitrano sy trano sekoly maro dia maro no nohavaozina sy naorina vaovao.

Toeram-pihofanana amin’ny ambaratongam-pampianarana maro dia maro, no najoro. Efa ezahana vahana ny olan’ireo mpampianatra amin’ny ambaratonga rehetra, izay olana efa nobaben’izy ireo nandritra ny amam-polotaona.

Tokony ho hita taratra amin’ny lafiny ara-pahasalamana ihany koa izany hoe fahaleovantenam-pirenena izany, tsy mitsahatra ny fanaparitahana ny toeram-pitsaboana harifomba ho akaikin’ny vahoaka kokoa ary efa ahitana izany avokoa ny Distrika 119 sy ny kominina manerana ny Nosy ankehitriny. Ny ezaka momba ny rano fisotro madio, ny fitsinjovana ireo faritra tena marefo toy ny any atsimon’ny Nosy sy ny maro hafa, dia efa mandeha avokoa.

Maro ny làlana sy ny tetezana amboarina (RN9, pont Betsiboka, pont Befandriana Sud…), ny seranan-tsambo (Fanitarana port Toamasina), ny seranam-piaramanidina (Ivato, Nosy Be).

Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalàna RN 5 Ambilobe Vohémar nandrasana ela satria efa vonona ny famatsiam-bola nandrasana tamin’izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tahaka izany ihany koa, ny kolo-tsaina sy ny soatoavintsika malagasy. Iaraha-mahalala fa isan’ny fitaovana entina mamotika ny fahaleovantena sy ny fahalalahana ary ny demokrasia ao amin’ny firenena iray ny fanapotehana ny kolotsaina sy ny soatoavina. Tsy takona afenina fa nanimba ary nanapotika izany soatoavina maha-malagasy izany ny fahantrana, sy ny fahasahiranana ary ny krizy politika efa naharitra sy nifandimby teto Madagasikara hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena izay. Saingy misy tranga mahatsiravina, ary tsy eritreretin’ny saina akory miseho sy voizina mafy amin’ireny tambajotra sosialy ireny. Ankoatra ny fanalàna baraka olona amin’ny resaka tsy marina, ankoatra ny fanaratsiana olona, ray aman-dreny, mpitondra firenena, amin’ny fahaizana mikirakira sy manararaotra ny lafy ratsin’ny teknolojia, dia iaraha-mahita ihany koa ny sary mamoafady sy tsaho ary ny lainga samihafa izay lasa toy ny kolotsaina ka mamolavola ankolaka ny toe-tsain’ny fiarahamonina.

Tsy mendrika ny olom-boafidy, tsy mendrika ny vahoaka malagasy, tsy mendrika izay heverina fa ray aman-dreny, ny manaratsy, manompa, manivaiva ary manosihosy ny hasina maha-olona amin’ny lahateny na fanehoan-kevitra izay atao, tahaka izay nitranga tato ho ato.

Aoka hitondra dingan-dava ho amin’ny fampivoarana ny fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra isika.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tsy hisy dikany ny fametrahana fotodrafitr’asa fototra sy maharitra, tsy misy antony tokony hiadiantsika fo aman’aina mba hampilamina sy hampitony ny firenena, ahatonga ny fahaleovantenatsika mba hitera-boka-tsoa marina ho an’ny vahoaka malagasy, raha toa ka ny kolotsaina mifototra amin’ny fahendrena ny soatoavina sy maha-malagasy izay mifamatotra amin’ny fifanajàna sy ny fifampitsinjovana no potika.

Ho fiarovana izany indrindra no nandraisan’ny Filoham-pirenena ny vahaolana rehetra am-pilaminana sy am-pitoniana nentina niatrehana ireny olana politika izay nezahan’ny mpanao politika sasany navadika ho olana ara-toekarena sy ara-tsosialy ireny.

Tsy nampaninona ny Filoham-pirenena ny nampandefitra ny ambom-po. Ny filoham-pirenena dia resy lahatra fa tsy mendrika ho an’i Madagasikara, 58 taona aty aorian’ny niverenan’ny fahaleovantena, no mbola hifandroritana amin’ny ady lahy politika, amin’ny kajikajy politika, ka hanaovana ny vahoaka malagasy ho takalon’aina politika, ity Nosintsika ity. Aoka ho avalon’ny lasa izany, aoka tsy ho lovain’ny taranaka intsony izany, ampy izay.

Fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika ihany no vahaolana hampirindra ny fanarenana ny toekarem-pirenena.

Izany no mahatonga antsika hamerimberina hatrany hoe aleo tanterahina araka ny lalàna ny fifidianana. Ho fiarovana ny fahaleovantenan’ny firenena malagasy, ho fanomezana hasina ny vahoaka malagasy izay tompon’ny fahefana, dia nitarika ho amin’ny firosoana any amin’ny fifidianana hatrany ny Filoham-pirenena.

Ary ambarako eto, ary hitantsika tsara fa azo atao ny mandravona ny olana ao anatin’ny fanarahan-dalàna fa tsy voatery ho fidinana an-dalam-be, no heverina fa vahaolana eto amin’ity firenena ity.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Kihon-dalana ary zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy ny maneho ny safidiny, mba ahatongavana amin’izay fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika izay eto Madagasikara, amin’ity taona ity. Miantso ny rehetra aho, hiditra an-kitsim-po ao anatin’izany firosoana amin’ny fifidianana izany.

Tsy misy fanilihana io, ary tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanajàna ny lalàna velona. Miantso ny rehetra hampandefitra ny ambom-po politika. Tsy maintsy arovan’ny mpanao politika, raha toa ka manana ny atao hoe tena fitiavan-tanindrazana marina izy, ny fiandrianam-pirenena.

Tsy tokony ho adino ihany koa nefa ary zava-dehibe, toromarika omen’ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoaka malagasy rehetra, amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao, ny fahasahiana. Sahia. Fahasahiana hanova toetsaina, miainga amin’ny fanovàna foto-pisainana, miainga avy aminao, amin’ny ao an-tokatranonao.

Tokony ho kolotsaina ambolena ho lali-paka eto firenena ny fihavanana sy ny fahombiazana ary ny fivoarana

Mila finiavana politika sy ezaka mitozo ny fampandrosoana ity firenena ity.

Nandrafitra ny vina : “ FISANDRATANA 2030” ny Filoham-pirenena.

Santatra ny efa vitantsika nandritra ny 4 taona.

Fototra ifaharan’ny fampandrosoana ny isam-paritra sy ny mampiavaka azy.

Ny asa fampandrosoana mirindra tokoa mantsy no fototry ny fanorenana toekarena matanjaka.

Hanotofana ny lavaka, hanarenana ny lesoka.

Vina mamoha ny hambom-pom-pirenena sy ny isam-batan’olona. Ambopom-pirenena iraisana, izany no ilaina.

Vina mampitsiry fanantenana, voafaritra ara-tarehi-marika sy ara-pitaovana, mamaly ny hetahetam-bahoaka sy manasoa ny firenena.

Vina mametraka ny fampandrosoana an’I Madagasikara hifanindran-dàlana amin’ny fivoarana manerantany.

Vina mitarika any amin’ny fihatsaram-piainana.

Vina mamaritra ireo tetikady fiharian-karena mahazaka ny fifaninanana eo anivon’ny fanatontoloana.

Vina mikendry ny fivoaran’ny maha-olona sy ny fihavaozan’ny fitiavan-tanindrazana.

Ny fisandratana dia midika ho fanavaozana, ny fitondrana ny raharaham-panjakana, isan’ambaratongany.

Singa lehibe ao anatin’ny Fisandratana ny fivoaran’ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panaon’ny mpiasam-panjakana tsirairay avy.

Ny fisandratana dia midika ho Fanjakana miahy, mandrindra ary miaro, atokisan’ny vahoaka satria manaja ny tamberinandraikitra.

Fanohizana ny ezaka fampandrosoana.

Fanamafisana ny fandriampahalemana.

Ny fivoarana sy ny fampandrosoana no tena ilain’ny vahoaka.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Antso amin’ny andrim-panjakana rehetra hifarimbona hametraka ny fitoniana sy ny ara-dalana ary ny fifampitokisana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana no ataoko aminao androany.

Antso amin’ny firaisamonim-pirenena handray ny andraikiny, hirotsaka mivantana amin’ny fanomanana ary ny fanaraha-maso ny fifidianana.

Antso amin’ny antoko politika sy ireo kandida hanendry ny solon-tenany avy any amin’ireo ambaratonga samihafa misahana ny fifidianana.

Antso ho an’ny vahoaka hanaraka ny toromarika mba hisian’ny fifidianana milamina.

Hamafisana ny fitandroana ny fandriampahalemana, hiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Ety am-pamaranana, dia tsotra ny hafatro ho antsika Malagasy rehetra indrindra ho anao tanora malagasy. Aoka hijoro isika, tsy hamela intsony ny firenena hiverin-dàlana, ho any anaty krizy politika intsony, fa nampahantra antsika malagasy hatramin’izay izany.

Aoka isika tsy hanaiky ny fampisaraham-bazana sy ny fampiadiana antsika samy malagasy, aoka tsy hanaiky lembenana amin’ny fambolena fifankahalàna sy fifanenjehana noho ny tsy fitovian-kevitra, ny fomba fijery samihafa, ary ny resaka politika isika.

Ry mpiray tanindrazana, malagasy aloha isika alohan’ny zavatra rehetra, malagasy, iray tanindrazana, iray fiteny, iray firenena, noho izany, noho izany tokony malagasy iray tanjona, iray tarigetra, ho an’ny tanindrazana.

Aoka hijoro hanambatra ny herintsika isika, mba ahatonga ny fahaleovantenam-pirenena tena hitera-boka-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy rehetra.

Mila tohizana ny fanarenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Tompokolahy sy Tompokovavy

Isika izao tokoa no toy ny vato ambodiriana, tsy hoe, mikorontana, fa mifandamin-toerana ihany !!! Ny hitsitokotokoan’ny loha mantsy, hono, noho hevitra samy manana. Nefa ! soa fa ao an-tsaintsika mandrakariva ny fahendrena navelan’ireo Raiamandrenintsika tany aloha, dia ny fandalàna fihavanana, ny fifanajàna, ny fanomezan-danja ny firaisan-kina, izay soatoàvina sarobidy maha-isika antsika.

Koa isika mahatsiaro fa tia tanindrazana, tena Tia Tanindrazana ! ndao havondrona ny hery ! satria isika izao no toy ny vahy mandady amin-kazo mahitsy, ka raha miarina miara-mijoro, raha folaka, miara-milefitra, fa sady mifandray tendro no mifaningo-paka !!!

Samia ary mandray ny andraikiny manandrify azy avy ! hifanolo-tànana ka hanao toy ny vovonana sy ny varivariny, tsy mitovy, nefa mifameno, samy ilain’ny tafo. Ny fahasamihafàna, no ndeha hampifamenoana, hikatsahana izay hahasoa ity firenena iombonana ity ! ho fanomezana hasina ireo Zoky Ray aman-drenintsika niady ho an’ny fahafahana ary hamelantsika koa lova sarobidy ho an’ny ampitso sy ny taranaka : Dia i Madagasikara mandroso, Madagasikara misandratra !

Ho fahaleovantena araham-pisandratana tokoa anie ny Fahaleovantenan’ny firenena malagasy.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy,

Samia ho tahian’Andriamanitra !