FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPAHAFANTARANA

Nanainga androany hihazo ho any Koweit ireo delegasionina maanokana nirahin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hijery akaiky sy handamina ary handrindra ny olana mitranga amin'ireo teratany malagasy vehivavy, mila ravinahitra any Koweit.

Avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika , ny fiadidiana ny Primatiora, ny ministeran'ny raharaham-bahiny, ny ministeran'ny Fampananan'asa, ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny Lalana sosialy no manatontosa ny iraka.

Toromarika mazava avy amin'ny Filoham-pirenena no nomeny azy ireo mba hifandinika amin'ireo manampahefana any antoerana ny amin'ny fampodiana ara-dalàna ireo tena mijaly, marary ary tena sahirana. Hisy ihany koa ny fijerena ny amin'ny fametrahana fiaraha-miasa sy ny rafitra ary ny fepetra sy lamina mikasika ireo mbola mijanona mila ravinahitra any Koweit, mba hisorohana ny olana mitranga eo amin'ireo mpiasa malagasy miasa any sy ireo mampiasa azy ireo.

Natao androany faha 24 Martsa 2019

La Direction de la Communication et des Relations Publiques

A la Une