07 JANOARY 2019 – Lahateny lanonam-panjakana fifampiarahabana tratry ny taona  


Télécharger PDF

Ry Malagasy mpiray tanindrazana, ry havana any an-tany lavitra, ianareo vahiny mpiara-monina aminay eto Madagasikara,

Tompokovavy sy Tompokolahy hajaina isany,

“ Raha ny fifampiarahabana no atao eto, dia tsy manana ho lazaina firy aho, fa nanohinany foko ny fiainoana ny hiran’i Backom sy Stéphanie teo, raha dinhina ny hevi-dehibefonosin’iny hira iny, dia hita fa lalina tokoa; ary raha jerentsika ireo voambolana samihafa napetraka eto amin’ny tableau, dia tsy tongatonga fona ireo, fa ireo no banjinintsika tsirairay avy eo amin’ny fanatantarahana ny asantsika, eo amin’ny fanompoantsika ny tanindrazana, dia mino sy manantena ihany koa fa handry fahhizay ny firenena”.

Vao nitsidika isam-baravarana ny taona vaovao, dia am-pitiavana sy amin-kafaliana lehibe ho an’ny tenako, ho an’ny vady aman-janako no miarahaba tsirairay avy tratry ny taona 2019.

Isaorantsika lalandava Andriamanitra Andriananahary nanome tombon’andro ho antsika, izy rahateo no hery sy hasina ambonin’ny zava-drehetra mandahatra, mitantana, mivimbina. Koa deraina sy isaorana lalandava ny anarny.

Raha manao izao teny izao aho Tompoko, tsy mitsangan-tsy ampandraisina akory, fa noho ny adidy aman’andrikitra. Ary, indrindra, indrindra, atao ahoana ny tsy hamaly ny firariantsoa nafafinareo ho anay tamin’ny alalan’ny teny mamy?

Ny zava-drehetra dia samy manana ny fotoanany, isika Malagasy dia iray donak’afo, iray dinidinika. Tsy hanao maika tsy faingana toa dian’ondry lahy ka sanatria hamarina an-kady.  Sanatria tokoa anie izany ! Na inona mahamaika sy mahadodona anefa : ny ravitoto Tompoko hono tsy mba fitetika ary ny tanana tsy azo atono; fa mandeha miandàlana ny fandaharan-teny sy fotoana ho mari-panajana antsika mianakavy.

Koa manao ny azafady re Tompoko, manao ny azatsiny Tompokolahy, manao azafady Tompokovavy, ho mari-pahalalam-pomba, ary maneho ny fialan-tsiny satria tsy fanao ny mitompo-teny fantatra toy ny antsikely be zarany, na hihamboambo ho mety avokoa izay teny alahatra rehetra eto, fombam-pahendrentsika Malagasy rahateo ny maneho izany ka dia mialatsiny.

Koa arahaba sarasara ê ! nahatratra ny asaramanitra 2019. Arahabaina vaventiventy rey roy ! velon’aina, notahian-Janahary, ka izao mifanatri-tava am-pifaliana izao.

Amin’ny tonon-taona tahaka izao tokoa dia mifampiarahaba ny mpianakavy, mifampirary ny soa ny mpiara-belona, ary tsy afa-mandingana izany ny tenako. Endriky ny fifanajana toàvintsika izany, indrindra eo amin’ny fiaraha-monina malagasy, ary mariky ny ilom-pihavanana tian-kozaraina, dieny miandoha ny taona.

Enga anie ho taona zina ity taona ity, hitondra fahasoavana ho anareo sy ny ankohonareo : ho lavitry ny rofy ianareo , ho lavitry ny aretina, tsy ho rovi-damba amin’ny andro ririnina, tsy ho vaky vilany amin’ny fahavaratra, fa ho feno kosa ny sompitra amin’ny fararano. 4’47

Tsy fe fomba amam-panao ihany izao havoriana izao, ary isaorako ny rehetra namaly ny fanasana. Ianareo mijery sy mihaino ahy dia manan-danja ihany koa, manokana tokoa manoloana ny kihon-dàlana lalovan’ny firenena ankehitriny.

Izao ataontsika izao dia tsy nataotao fotsiny akory fa riba nentim-paharazana, mampiavaka antsika Malagasy, fa isika izao, mantsy, no toy ny salohim-barin’Antongona: lohataona miray fandry, fararano mifandray tendro, na dia eo aza ny fahasamihafàna ara-tsaranga, ara-pinoana, ara-pirehan-kevitra pôlitika, sy ny hafa, fa tsy hampisara-bazana antsika akory izany.

Efa-bolana lasa izay, raha nampiseho fahamendrehana sy naneho ny fanajany ny lalàmpanorenana ny Filoha lanim-bahoaka, Atoa Hery Rajaonarimampianina, satria nilatsaka hofidiana, dia tamim-panetretena no nandraisako ny andraikitra tsy maintsy nampitaina, ka nandimbiasana teo amin’ny fitantanana ny firenentsika.

Izany zotra nodiavina, tao anatin’ny filaminana sy ny ara-dalàna, izany dia tombony goavana ho an’ny fitohizan’ny asam-panjakana sy ny fiainam-pirenena : mazava ary voafaritry ny Lalàmpanorenana ny andraikitra napetraka taminay, eny maro ny fanamby tsy maintsy natrehina, sesehena ihany koa ny asa mbola hohatevenina, ary ny fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka, tsy azo atsahatra eny antenantenany.

Koa satria zava-dehibe loatra ny fitohizan’andraikitra, dia mamelà ahy ianareo hanao jery todika kely iny taona lasa iny, fanao sy ilaina tokoa izany satria ny dian-tana amin’ny tonon-taona toy izao dia ilaina, mba hitarafana sy hitsinjovana ny ho avy.

Nandritra ny taona 2018 iny dia nitohy ny fanatanterahana ny fandaharan’asam-pampandrosoana izay vofaritra ho hatramin’ny 2019. Mbola nitarina koa anefa ny ambaindainy, satria nifameno tamin’izany ny fametrahana ny Vina izay natao indrindra hitsinjo lavitra. Mihevitra anefa aho, ary ho fanajana tanteraka azy, fa mbola tsy maintsy ho avy ny fotoana hanehoany sy hilazan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny zava-bita tamin’ny fotoana nitondrany ny tany sy ny firenena amin’ny antsipiriany.

Nanaovana asa sy ezaka ny sehatra rehetra, hilaza ny iaraha-mahita aho, toy ny tafika andrefan-tanana, raha hitanisa zava-bita fohifohy, tsy amin’ny antsipiriany fa amin’ny ankapobeny ihany.

  • – Eo amin’ny lafiny sosialy sy ara ekonomika, araka izay efa voalazan’Atoa Ministra nisolotena ny Praiministra teo, dia noamafisina  ny teo amin’ny fampianarana sy ny fahasalamana ; ny fikatsahana ny famarinan-toeran’ny toekarentsika, ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny fiahiana ny mponona, ny asa, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina; ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy ny indostria ; ny fananganana fotodrafitrasa fototra tamin’ireo sehatra samihafa : làlana, sekoly, hopitaly, seranam-piaramanidina, seranan-tsambo, sy ny sisa, mba ho tohana ho amin’ny fampandrosoana. Fanamboarana, miaraka amin’ireo sehatra tsy miankina, ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny angovo madio sy azo havaozina (na transition énergétique): fanamby goavana napetraka ireo mba hananantsika vahaolana maharitra amin’ny famatsiana herinaratra sy hampitomboana ny isan’ny mponina hisitraka izany, ary lamina efa matipaika izany. Marina fa tsy mbola hitantsika androany dia androany ny vokatr’izany ezaka goavana izany, amin’ny lafiny angovo, saingy mino sy manantena isika fa ao aoriana kely ao dia efa ho azo tsapain-tanana izany.
  • – Fanavaozana sy fanamafisana ireo lalàna mifehy ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany, ny harena ankibon’ny tany; mila fandaminana tokoa mantsy ny fihatraikan’ny fandraharahana tsy haha-lany ny harena ankibon’ny tany izay sehatra manan-karena tokoa ; ny fihavaozan’ny toetsaina eny ifotony mikasika ireo otrikarena afaka hitondra tamberina eo amin’ny fampandrosoana no tokony mbola tsy maintsy ho  sahanintsika.
  • – Fandraisana paikaday vaovao hametrahana fandriampahalemana maharitra sy ny ady amin’ny kolikoly; Sehatra maro no ahitana ny fahalovana eto amintsika, lavitr’ezaka ny ady amin’izany fomba tsy mendrika efa lalim-paka eto amin’ny fiaraha-monina malagasy izany, ka tsy maintsy atrehina mba hivoaran’ny toetsain’ny rehetra.
  • – Tsy azo tsy ho lazaina kosa anefa, indrindra teo amin’ny lafiny fanatanjahatena, dia niavaka ihany koa iny taona 2018 iny, satria dia tafakatra amin’ny dingana famaranana ny ekipa nasionalintsika, hiady ny Coupe d’Afrique des Nations.  Izany dia vokatry ny ezaka naharitra izay natao, tsy tongatonga ho azyizany ; ezaka lehibe nataon’ireo mpisehatra rehetra ka afahan’ny malagasy manana rehareha amin’izao fotoana izao, satria sambany tokoa mba hiatrika izany isika., Koa dia mirary ny soa sy ny tsara, ary misaotra ny rehetra niara-niasalahy ka nahatongavana eo amin’izany dingana lehibe amin’ny lafiny fanatanjahatena izany. Eo an-danin’izany anefa dia betsaka ireo atleta izay nitondra avo ny firenentsika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy rezionaly : tao ny tompon-daka eran-tany eo amin’ny kick-boxing, teo ireo mpiangaly ny taranja basket-ball ao amin’ny COSPN izay tompon-dakan’ny klioba tompon-daka eto amin’ny Ranomasina Indiana.  Mbola misy koa ny teo amin’ny tennis sy ny taranja hafa. Arahabaina izy ireo, satria raha ireo no hitarafana ny firenentsika dia afaka hilazana fa na tsy ao anatin’ny fahampiana aza dia afaka mahazo valiny tsara ; rehefa mino ianao, rehefa mahatoky ianao, rehefa matahotra an’Andriamanitra ianao, manaja ny mpiara-belona aminao ianao, manaja ny tenanao, dia afaka mahazo valny tsara eto amin’ny firenena.
  • – Noho ny ezaka natao teo amin’ny fotodrafitrasa ihany koa sy ny fiaraha-miasa matotra amin’ireo mpiaramiombon’antoka, dia nitombo ny mpizahatany tonga eto amintsika.
  • – Na dia mbola marefo aza ny fandriampahalemana, dia voalaza fa manao ny aina tsy ho zavatra tokoa isika mianakavy, indrindra fa ianareo mpitandro ny filaminana, satria firy taminareo moa Tompoko no lavo niaro ny vahoaka sy ny fananany ! Firy taminn’ny vahoaka malagasy ihany koa no lavo, niaro ny mpiray tanana aminy, ny fananany, teo anatrehan’ny sotasotan’ireo olona tsy mataho-tody. Marina fa mamparefo ny sary mivoaka avy eto amintsika izany, mampiahiahy ireo mpampiasa vola eto amintsika izany, satria na dia ireo olona efa miara-miaina amintsika efa aman-jato taonany aza, ireo lazaintsika fa karana-malagasy, na malagasy-karana, dia mizaka ny tsy omby tratra tokoa satria dia alaina an-keriny, toy izany koa ireo malagasy mpiray tanindrazana amintsika.

Miezaka isika. Efa napetraka ireo fepetra maro ahafahana maningotra an’izany hatramin’ny fotony. Tsy hitsahatra izany, ary mankasitraka, mankatelina, ireo ezaka izay efa natao, afahantsika rehetra mahafantatra fa tsy vita irery akory ny fampandrosoana ny firenentsika, tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery ny hitandro ny filaminana, tsy vitan’ny fitondram-panjakana irery ny hanao ny fampandrosoana, tsy vitan’ny sehatra tsy miankina irery ny ahafahana miantoka ny fampandrosoana maharitra ity firenena ity. Eny, tsy vitanao raiamandreny am-panahy irery akory ny mamerina indray ao anatin’ny fataharona an’Andriamanitra, mba hampandry fahalemana an’ity Madagasikara ity.

Fa mitady ny zanany ity firenentsika ity, isika aloha, isika malagasy aloha, izay vao mangataka any amin’ny hafa isika. Ampy izay ny fieritreretana fa hadisoan’ny olona foana. Efa ho 60 taona, Tompokolahy sy Tompokovavy, ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Misaotra, betsaka no ny efa vita, tao anatin’ireo fitondrana naharitra hatramin’izay.

Ho avy ny fitondrana vaovao. Niatrka fifidianana isika, fifidianana izay natao handaminana ny fiaraha-monina, tsy atao hampisara-bazana, tsy natao hanehoana ny tsy firaisan-kina akory. Nefa atao koa hampisehoana ny marina, ary ny marina irery ihany no tsy maintsy mitondra ny hetahetan’ny vahoaka. Koa nisafidy ny vahoaka, marina fa tsy misy ny tonga lafatra, voalazan’ny mpandahateny teo izany. Raha hitady ny tonga lafatra isika dia hifampiandry fotsiny eto, fa deraina ny ezaka izay efa vita. Marina loatra ny tenin’Andriamatoa lehiben’ny Antenimieram-pirenena teo ; Izany kosa anefa dia tsy maintsy mampametra-panontaniana antsika amin’ireo hetaheta izay nivoaka, ahiahy apetraky ny mpiara-monina, amin’izay mba mety fanatsarana ny ho avy. Tsy maintsy mba mijery an’izany isika, tsy fanakianana be fahatany akory izany, Tompokolahy sy Tompokovavy, fa fitia te-hanana ny tsara, ary anisan’ny takian’ny fiaraha-monina, takiantsika rehetra, ny fifidianana madio, ary ekentsika mlagasy ny valiny. Koa mino sy manantena fa ny fepetra izay noraisina rehetra dia hahafahantsika miroso mankany amin’izany fifidianana madio sy valiny eken’ny rehetra. Koa izao taona vaovao diavintsika izao anie hitondra ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra.   

Satria nantenaintsika fa fitohizana tao anatin’ny fitantanana raharaham-panjakana iny efa-bolana iny; tao aorian’ny fifandimbiasam-pahefana dia niezaka tokoa ny rehetra, ary isaorana antsika izany. Nisy ny fifampitokisana, ny tenako manokana dia nitandro toa ny anakandriamaso ny tsy fitanilàna, ary namporisika ny Governemanta hijoro amin’izany, nijoro amin’izany fotokevitra izany teo amin’ny andraikitra sy ny fanapahana noraisina. Nefa toa nitamberina haingana be ireo niainantsika tany aloha, toa eritreretina fa hiverina indray ireo mety hanahirana, hiditra ao anatin’ny krizy indray, fa maninona isika no mieritreritra an’izany ? Satria tazana ihany fa na betsaka aza ny natao dia misy ihany ny miisatra, nahatonga ny fitavozavozana. Inona no mety ho anton’izany ? Ny ampitso tsy fantatra mankaiza ve ? Ny ahiahy tsy hiavanana ve ? Sa variana tamin’ny fampielezan-kevitra ve ? Teo ihany koa ny fe-potoana fitazonana andraikitra izay mandalo fotsiny ihany.

Maro tokoa ny antony mety niteraka fihazohazoana, ary nahatsapana fa tsy mahasoa ny firenena ny endrika sadasadan’ny fandaminana izay vokatry ny fampiharantsika ny voafaritry ny Lalàmpanorenana. Nefa, nidera antsika tanatin’izany izao tontolo izao, tamin’ny fanajana ny lalàna fototra sy ny fizorana nankany amin’ny fifidianana ; maro ny sitraka niantefa tamin’ny tenanay sy ny vahoaka malagasy, rehefa nandray anjara tamin’ireny fivoriambe iraisampirenena ireny, kanefa dia tsapa ihany koa fa na ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena namana sy ireo mpamatsy vola aza dia tratran’izay fihazohazoana ka nampitaraiky ny fampandrosoana.

Tsy naman’ny fampandrosoana mantsy ny andraso andraso, ary raha firenena no resahina, ny tsy firosoana dia midika avy hatrany ho fihemorana. Entina ilazana izany fa maika ny hidirantsika amin’ny rafi-pitondrana sy endri-pahefana mazava !

Efa niainana teto mantsy ny tetezamita nateraky ny krizy ary samy mahafantatra ny fiantraikan’izay teo amin’ny fampandrosoana isika, koa aoka ny rehetra mba samy hahay handray ny lesona napetraky ny tantara !

Ianareo mpiara-misalahy amin’ny fanjakana, indrindra ny sehatra tsy miankina izay anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana, dia irariana mba tsy ho voafetran’ny toerana, ka tsy handeha ila toy ny kiraron’i Beminahy ny fanapariahana ny fihariankarena.

Torak’izany koa ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra ara-pivavahana, izay irariana hanamafy ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fitaizana ny olom-pirenena, ho famerenana ny soatoavina maha olona sy kolontsaina maha malagasy, mba tsy hitoraham-bato foana ny fandrosoana, izay melohina ho tompon’antoka amin’ny tsy fisian’ny famarinan-toerana amin’ny lafiny maro.

Mifandraika amin’izany ihany, mba ho tombontsoan’ny firenena, ka hahatontosa ny fampandrosoana tena mipaka eny ifotony, dia irina ny hanomezantsika vahoaka vahana ny fisokafana izay takian’ny vanim-potoana ankehitriny ka tsy handrindrim-baravarana manoloana ny fiaraha-miasa mitondra fampivoarana.

Ry Malagasy havako, Tompokovavy sy Tompokolahy,

Eto amin’ny kihon-dàlan’ny fiainam-pirenena tokoa isika izao. Toy ny fandrotràrana amoron-dàlana ihany aho : tsy mibahana anao tsy handroso, na hamingana anao mba hianjera ; sanatria izany ! Fa mihazona kely hampisaina !

Betsaka tokoa ianareo namana sy tapaka, ireo samihafa firehan-kevitra, no nanome sosokevitra, nametraka ahiahy. Ankehitriny anefa, voahaja antsakany sy andavany ny tetiandro voafaritra, ary nahatontosa ny fihodinana in-droa miantaonan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena isika. Endrika fara-tampon’ny demokrasia ireny ary iarahabana ny Malagasy tsy vakivolo naneho ny safidiny.

Diso hevitra tokoa ireo izay nieritreritra fa ho araraotiko izao fotoana izao, Tompokolahy sy Tompokovavy, ahafahana hitarika ny firenentsika ao anatin’ny krizy indray.  Tsia Tompoko, tsy azo ekena izany, fa mibanjina ny tombontsoan’ny firenena isika, Ny firenentsika tsy maintsy atao ambony laharana sy laharam-pahamehana voalohany, fa tsy ny fitiavantena, na ny fitiavan-tseza, hisaringotra amin’ny seza, izay ny vahoaka ihany no mametraka azy.

Koa dia miarahaba sahady ny Filohantsika izay ho lany eo; miantso indrindra aho ankehitriny mba ho ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana no hiandrsantsika izay voka-pitsarana, izay ho ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tsy ho ela. Dingana vaovao mifanojo amin’izao taona izao no hirosoantsika, mpitantana vaovao no hampindramina indray ny fahefana, ka izay hitarika eo dia ekentsika satria ametrahan’ny valalabemandry ny fanantenana haha-to malaky ny hetahetam-pihatsaram-painany, satria miandrandra asa sy fisandratana ny vahoaka !

Tsy mamantana tany foana rahateo izy satria efa mafy orina ny fototra ary maro ireo tetikasa mbola azo hajariana.

Koa enga anie tsy hanao toy ny fomban’ny ampanga, vao mitsiry dia totohondry, mamelana tonga dia tehamaina ! Na koa hiakanakana toa an-dRainifandrotrarana ka ny zanak’anabavy avy no atao sapôritra, fa hahay kosa hizara ara-drariny ny soa sy ny harena raiketin’ity Madagasikara mamintsika ity, mba hiadanan’ny ambanilanitra ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy !

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny asa fampandrosoana izay natao niaraka, raha tsy teo izy ireo, dia tsy ho lavorary, koa maneho fisaorana an’ireto mpiara-miombonantoka amintsika, izay nanome fitokisana ny firenentsika, nanome fitokisana ireo mpitondra nandritra izay taona maro izay, nahafahantsika nahazo vokatra azo tsapain-tanana nefa mbola tsy ampy, nefa mbola mahatsiaro mangetaheta ny vahoaka satria mitaky fanovàna, satria izay tokoa anie ny antom-pisian’ny fanjakana, dia ny mba ahitany ny tsaratsara kokoa. Maika anefa ny vahoaka, tsy maharitra ireo fanovàna maro ny vahoaka raha tsy misy ny fiahiana azy eo amin’ny fiainana andavanandro. Koa izany no takiana amintsika ato anatiny sy ireo mpiara-miombonantoka mba hijery manokana izany fiainam-bahoaka andavanandro izany, mba ahafahana mandeha miroso amin’ny fanarenana ny firenena, izay fantatra fa mbola any aoriana kely ny vokany, mba hifanampy sy hifanojo làlana ny fiarahana ao anatin’ny maika sy ny fahafahana maneho ny fijerevana lavitra izany. Izany ho rariantsika amin’ity taona vaovao ity, ary irariantsika mba ho tonga amin’izany Filoham-pirenentsika izay ho tonga ao aorina ao.    

Tompokovavy sy Tompkolahy,

Teny eto am-pamaranako azy, dia mba hindramiko ny tenin’I Ramatoa Audrey Azoulay, Tale Jeneralin’ny UNESCO tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandeferana 2019 :

Ny fifandeferana dia endriky ny fifanajana sy ny fihaikena ary ny fankasitrahana ny hasarobidy sy ny fahasamihafan’ny kolontsaina maneran-tany, sy ireo fomba fampisehoana sy fanehoana ny maha-olombelona antsika. Sady taratry ny hatsaram-panahy sy fenitra politika ny fifandeferana, no manda fiarovana amin’ny fanavakavahana amin’ny endriny rehetra. Mitondra fandriam-pahalemana ihany koa izy ka tokony ho vohizina sy hamafisina fatratra.”

Mampatsiahy ihany koa ilay tononkira teo izay mitory ny fanetretena, mitory fihavanana, ary mitory fandeferana ihany koa.

Koa mirary koa ny tenako raha mirary ny hampanjaka izany fifandeferana izany eto amin’ity firenena malalantsika ity.

Ka ho tohon-tantely mitovon’anoka anie ity taona vaovao diàvintsika ity ka higohan’ny isam-baravarana ny soa sy ny mamy.

Mankasitraka Tompokoahy, mankatelina Tompokovavy

Ho tahian-Janahary